< ԵՐԿՐՈՐԴ ՏԻՄՈԹԷՈՍ 1 >

1 Պօղոս՝ Յիսուս Քրիստոսի առաքեալ Աստուծոյ կամքով, կեանքի խոստումին համաձայն՝ որ Քրիստոս Յիսուսով է,
Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,
2 Տիմոթէոսի՝ սիրելի զաւակիս. շնորհք, ողորմութիւն ու խաղաղութիւն Հայր Աստուծմէ, եւ Քրիստոս Յիսուսէ՝ մեր Տէրոջմէն:
mamangy an’ i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Շնորհապարտ եմ Աստուծոյ, որ կը պաշտեմ նախնիքներուս նման՝ մաքուր խղճմտանքով, (անդադար կը յիշեմ քեզ իմ աղերսանքներուս մէջ՝ գիշեր ու ցերեկ,
Misaotra an’ Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon’ ny razako amin’ ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin’ ny fivavahako andro aman’ alina;
4 տենչալով տեսնել քեզ, եւ յիշելով արցունքներդ, որպէսզի լեցուիմ ուրախութեամբ, )
ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;
5 երբ կը մտաբերեմ քու մէջդ եղած անկեղծ հաւատքը, որ նախ բնակեցաւ մեծ մօրդ՝ Լաւոդեայի ու մօրդ՝ Եւնիկէի մէջ, եւ համոզուած եմ թէ քու մէջդ ալ կայ:
fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin’ i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
6 Ուստի կը վերյիշեցնեմ քեզի՝ որ արծարծես Աստուծոյ շնորհը, որ տրուեցաւ քեզի՝ երբ ձեռնադրեցի քեզ.
Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ ny fametrahako ny tanako.
7 որովհետեւ Աստուած տուաւ մեզի ո՛չ թէ երկչոտութեան՝ այլ զօրութեան, սիրոյ ու խոհեմութեան Հոգին:
Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
8 Ուրեմն մի՛ ամչնար մեր Տէրոջ վկայութեան համար, ո՛չ ալ ինծի՝ անոր բանտարկեալին համար. հապա մասնակցէ՛ աւետարանին չարչարանքներուն՝ Աստուծոյ զօրութեան համեմատ:
Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’ Andriamanitra,
9 Ան փրկեց մեզ եւ կանչեց սուրբ կոչումով, ո՛չ թէ մեր գործերուն համեմատ, հապա՝ իր առաջադրութեան ու շնորհքին համաձայն, որ Քրիստոս Յիսուսով տրուեցաւ մեզի՝ դարերու ժամանակներէն առաջ, (aiōnios g166)
Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masìna, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’ i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; (aiōnios g166)
10 բայց հիմա բացայայտուեցաւ՝ մեր Փրկիչ Յիսուս Քրիստոսի երեւումով: Ան ոչնչացուց մահը, եւ լուսաւորեց կեանքն ու անմահութիւնը՝ աւետարանով,
fa naharihary ankehitriny tamin’ ny nisehoan’ i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
11 որուն նշանակուեցայ քարոզիչ, առաքեալ, եւ հեթանոսներու վարդապետ:
ny amin’ io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra.
12 Այս պատճառով ալ կը կրեմ այս չարչարանքները. բայց չեմ ամչնար, որովհետեւ գիտեմ թէ որո՛ւն հաւատացած եմ, ու համոզուած եմ թէ ան կարող է պահել իմ իրեն յանձնած աւանդս մինչեւ այն օրը:
Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin’ izay andro izay.
13 Ամո՛ւր բռնէ տիպարը այն ողջամիտ խօսքերուն՝ որ լսեցիր ինձմէ, հաւատքով եւ Քրիստոս Յիսուսի մէջ եղած սիրով:
Tano amin’ ny finoana ny ny fitiavana ao amin’ i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.
14 Պահէ՛ այդ բարի աւանդը Սուրբ Հոգիին միջոցով՝ որ կը բնակի մեր մէջ:
Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ ny fampaherezan’ ny Fanahy Masìna, Izay mitoetra ao anatintsika.
15 Սա՛ գիտես, թէ ինձմէ երես դարձուցին բոլոր անոնք՝ որ Ասիա էին. ասոնցմէ՛ են Փիգեղոս եւ Հերմոգենէս:
Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan’ ireny Fygelo sy Hermogena.
16 Տէրը ողորմութիւն շնորհէ Ոնեսիփորոսի տան, որովհետեւ յաճախ կազդուրեց զիս եւ ամօթ չսեպեց շղթաս,
Homen’ ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan’ i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
17 հապա՝ երբ եկաւ Հռոմ՝ փութաջանութեամբ փնտռեց զիս եւ գտաւ:
fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
18 (Տէրը շնորհէ իրեն՝ որ այն օրը ողորմութիւն գտնէ Տէրոջմէն.) ու դուն շատ լաւ գիտես թէ ո՛րչափ սպասարկեց ինծի Եփեսոսի մէջ ալ:
(ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ ny Tompo amin’ izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.

< ԵՐԿՐՈՐԴ ՏԻՄՈԹԷՈՍ 1 >