< ܠܘܩܘܣ 6 >

ܗܘܐ ܕܝܢ ܒܫܒܬܐ ܟܕ ܡܗܠܟ ܝܫܘܥ ܒܝܬ ܙܪܥܐ ܬܠܡܝܕܘܗܝ ܡܠܓܝܢ ܗܘܘ ܫܒܠܐ ܘܦܪܟܝܢ ܒܐܝܕܝܗܘܢ ܘܐܟܠܝܢ 1
Ary tamin’ ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin’ ny tànany, dia nohaniny.
ܐܢܫܝܢ ܕܝܢ ܡܢ ܦܪܝܫܐ ܐܡܪܝܢ ܠܗܘܢ ܡܢܐ ܥܒܕܝܢ ܐܢܬܘܢ ܡܕܡ ܕܠܐ ܫܠܝܛ ܠܡܥܒܕ ܒܫܒܬܐ 2
Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata?
ܥܢܐ ܝܫܘܥ ܘܐܡܪ ܠܗܘܢ ܘܠܐ ܗܕܐ ܩܪܝܬܘܢ ܡܕܡ ܕܥܒܕ ܕܘܝܕ ܟܕ ܟܦܢ ܗܘ ܘܐܝܠܝܢ ܕܥܡܗ 3
Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
ܕܥܠ ܠܒܝܬܗ ܕܐܠܗܐ ܘܠܚܡܐ ܕܦܬܘܪܗ ܕܡܪܝܐ ܢܤܒ ܐܟܠ ܘܝܗܒ ܠܐܝܠܝܢ ܕܥܡܗ ܗܘ ܕܠܐ ܫܠܝܛ ܗܘܐ ܠܡܐܟܠ ܐܠܐ ܠܟܗܢܐ ܒܠܚܘܕ 4
fa niditra tao an-tranon’ Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome he an’ izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?
ܘܐܡܪ ܠܗܘܢ ܕܡܪܗ ܗܘ ܕܫܒܬܐ ܒܪܗ ܕܐܢܫܐ 5
Ary hoy Izy taminy: Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona.
ܗܘܐ ܕܝܢ ܠܫܒܬܐ ܐܚܪܬܐ ܥܠ ܠܟܢܘܫܬܐ ܘܡܠܦ ܗܘܐ ܘܐܝܬ ܗܘܐ ܬܡܢ ܓܒܪܐ ܕܐܝܕܗ ܕܝܡܝܢܐ ܝܒܝܫܐ ܗܘܬ 6
Ary nony tamin’ ny Sabata hafa koa niditra tao amin’ ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tanana tao.
ܘܤܦܪܐ ܘܦܪܝܫܐ ܢܛܪܝܢ ܗܘܘ ܠܗ ܕܐܢ ܗܘ ܕܡܐܤܐ ܒܫܒܬܐ ܕܢܫܟܚܘܢ ܢܐܟܠܘܢ ܩܪܨܘܗܝ 7
Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin’ ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
ܗܘ ܕܝܢ ܝܕܥ ܡܚܫܒܬܗܘܢ ܘܐܡܪ ܠܗܘ ܓܒܪܐ ܕܝܒܝܫܐ ܐܝܕܗ ܩܘܡ ܬܐ ܠܟ ܠܡܨܥܬ ܟܢܘܫܬܐ ܘܟܕ ܐܬܐ ܘܩܡ 8
Fa Jesosy nahalala ny hevitr’ ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.
ܐܡܪ ܠܗܘܢ ܝܫܘܥ ܐܫܐܠܟܘܢ ܡܢܐ ܫܠܝܛ ܒܫܒܬܐ ܕܛܒ ܠܡܥܒܕ ܐܘ ܕܒܝܫ ܢܦܫܐ ܠܡܚܝܘ ܐܘ ܠܡܘܒܕܘ 9
Ary hoy Jesosy tamin’ ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin’ ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?
ܘܚܪ ܒܗܘܢ ܒܟܠܗܘܢ ܘܐܡܪ ܠܗ ܦܫܘܛ ܐܝܕܟ ܘܦܫܛ ܘܬܩܢܬ ܐܝܕܗ ܐܝܟ ܚܒܪܬܗ 10
Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.
ܗܢܘܢ ܕܝܢ ܐܬܡܠܝܘ ܚܤܡܐ ܘܡܡܠܠܝܢ ܗܘܘ ܚܕ ܥܡ ܚܕ ܕܡܢܐ ܢܥܒܕܘܢ ܠܗ ܠܝܫܘܥ 11
Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin’ izay hanaovany an’ i Jesosy.
ܗܘܐ ܕܝܢ ܒܝܘܡܬܐ ܗܢܘܢ ܢܦܩ ܝܫܘܥ ܠܛܘܪܐ ܠܡܨܠܝܘ ܘܬܡܢ ܐܓܗ ܗܘܐ ܒܨܠܘܬܗ ܕܐܠܗܐ 12
Ary tamin’ izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’ Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
ܘܟܕ ܢܓܗܬ ܩܪܐ ܠܬܠܡܝܕܘܗܝ ܘܓܒܐ ܡܢܗܘܢ ܬܪܥܤܪ ܗܢܘܢ ܕܫܠܝܚܐ ܫܡܝ ܐܢܘܢ 13
Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
ܫܡܥܘܢ ܗܘ ܕܫܡܝ ܟܐܦܐ ܘܐܢܕܪܐܘܤ ܐܚܘܗܝ ܘܝܥܩܘܒ ܘܝܘܚܢܢ ܘܦܝܠܝܦܘܤ ܘܒܪ ܬܘܠܡܝ 14
dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo
ܘܡܬܝ ܘܬܐܘܡܐ ܘܝܥܩܘܒ ܒܪ ܚܠܦܝ ܘܫܡܥܘܢ ܕܡܬܩܪܐ ܛܢܢܐ 15
sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,
ܘܝܗܘܕܐ ܒܪ ܝܥܩܘܒ ܘܝܗܘܕܐ ܤܟܪܝܘܛܐ ܗܘ ܕܗܘܐ ܡܫܠܡܢܐ 16
sy Jodasy, zanak’ i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika.
ܘܢܚܬ ܥܡܗܘܢ ܝܫܘܥ ܘܩܡ ܒܦܩܥܬܐ ܘܟܢܫܐ ܤܓܝܐܐ ܕܬܠܡܝܕܘܗܝ ܘܤܘܓܐܐ ܕܟܢܫܐ ܕܥܡܐ ܡܢ ܟܠܗ ܝܗܘܕ ܘܡܢ ܐܘܪܫܠܡ ܘܡܢ ܤܦܪ ܝܡܐ ܕܨܘܪ ܘܕܨܝܕܢ 17
Ary Jesosy niara-nidina tamin’ ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin’ ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ ny aretiny;
ܕܐܬܘ ܕܢܫܡܥܘܢ ܡܠܬܗ ܘܕܢܬܐܤܘܢ ܡܢ ܟܘܪܗܢܝܗܘܢ ܘܐܝܠܝܢ ܕܡܬܐܠܨܝܢ ܡܢ ܪܘܚܐ ܛܢܦܬܐ ܘܡܬܐܤܝܢ ܗܘܘ 18
ary izay nampahorin’ ny fanahy maloto dia nositranina.
ܘܟܠܗ ܟܢܫܐ ܒܥܝܢ ܗܘܘ ܠܡܬܩܪܒܘ ܠܗ ܚܝܠܐ ܓܝܪ ܢܦܩ ܗܘܐ ܡܢܗ ܘܠܟܠܗܘܢ ܡܐܤܐ ܗܘܐ 19
Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
ܘܐܪܝܡ ܥܝܢܘܗܝ ܥܠ ܬܠܡܝܕܘܗܝ ܘܐܡܪ ܛܘܒܝܟܘܢ ܡܤܟܢܐ ܕܕܝܠܟܘܢ ܗܝ ܡܠܟܘܬܐ ܕܐܠܗܐ 20
Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin’ ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
ܛܘܒܝܟܘܢ ܐܝܠܝܢ ܕܟܦܢܝܢ ܗܫܐ ܕܬܤܒܥܘܢ ܛܘܒܝܟܘܢ ܠܕܒܟܝܢ ܗܫܐ ܕܬܓܚܟܘܢ 21
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.
ܛܘܒܝܟܘܢ ܡܐ ܕܤܢܝܢ ܠܟܘܢ ܒܢܝܢܫܐ ܘܡܦܪܫܝܢ ܠܟܘܢ ܘܡܚܤܕܝܢ ܠܟܘܢ ܘܡܦܩܝܢ ܫܡܟܘܢ ܐܝܟ ܒܝܫܐ ܚܠܦ ܒܪܗ ܕܐܢܫܐ 22
Sambatra ianareo, raha halan’ ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ ny Zanak’ olona.
ܚܕܘ ܒܗܘ ܝܘܡܐ ܘܕܘܨܘ ܕܐܓܪܟܘܢ ܤܓܝ ܒܫܡܝܐ ܗܟܢܐ ܓܝܪ ܥܒܕܝܢ ܗܘܘ ܐܒܗܬܗܘܢ ܠܢܒܝܐ 23
Mifalia ianareo amin’ izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany.
ܒܪܡ ܘܝ ܠܟܘܢ ܥܬܝܪܐ ܕܩܒܠܬܘܢ ܒܘܝܐܟܘܢ 24
Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.
ܘܝ ܠܟܘܢ ܤܒܥܐ ܕܬܟܦܢܘܢ ܘܝ ܠܟܘܢ ܠܕܓܚܟܝܢ ܗܫܐ ܕܬܒܟܘܢ ܘܬܬܐܒܠܘܢ 25
Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo.
ܘܝ ܠܟܘܢ ܟܕ ܢܗܘܘܢ ܐܡܪܝܢ ܥܠܝܟܘܢ ܒܢܝ ܐܢܫܐ ܕܫܦܝܪ ܗܟܢܐ ܓܝܪ ܥܒܕܝܢ ܗܘܘ ܠܢܒܝܐ ܕܕܓܠܘܬܐ ܐܒܗܬܗܘܢ 26
Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon’ ny razany tamin’ ny mpaminany sandoka.
ܠܟܘܢ ܕܝܢ ܐܡܪ ܐܢܐ ܠܕܫܡܥܝܢ ܐܚܒܘ ܠܒܥܠܕܒܒܝܟܘܢ ܘܥܒܕܘ ܕܫܦܝܪ ܠܐܝܠܝܢ ܕܤܢܝܢ ܠܟܘܢ 27
Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’ izay mankahala anareo;
ܘܒܪܟܘ ܠܐܝܠܝܢ ܕܠܝܛܝܢ ܠܟܘܢ ܘܨܠܘ ܥܠ ܐܝܠܝܢ ܕܕܒܪܝܢ ܠܟܘܢ ܒܩܛܝܪܐ 28
misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’ izay manisy ratsy anareo.
ܘܠܕܡܚܐ ܠܟ ܥܠ ܦܟܟ ܩܪܒ ܠܗ ܐܚܪܢܐ ܘܡܢ ܡܢ ܕܫܩܠ ܡܪܛܘܛܟ ܠܐ ܬܟܠܐ ܐܦ ܟܘܬܝܢܟ 29
Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
ܠܟܠ ܕܫܐܠ ܠܟ ܗܒ ܠܗ ܘܡܢ ܡܢ ܕܫܩܠ ܕܝܠܟ ܠܐ ܬܬܒܥ 30
Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
ܘܐܝܟܢܐ ܕܨܒܝܢ ܐܢܬܘܢ ܕܢܥܒܕܘܢ ܠܟܘܢ ܒܢܝ ܐܢܫܐ ܗܟܘܬ ܥܒܕܘ ܠܗܘܢ ܐܦ ܐܢܬܘܢ 31
Ary araka izay tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.
ܐܢ ܓܝܪ ܡܚܒܝܢ ܐܢܬܘܢ ܠܐܝܠܝܢ ܕܡܚܒܝܢ ܠܟܘܢ ܐܝܕܐ ܗܝ ܛܝܒܘܬܟܘܢ ܐܦ ܓܝܪ ܚܛܝܐ ܠܐܝܠܝܢ ܕܡܚܒܝܢ ܠܗܘܢ ܪܚܡܝܢ 32
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.
ܘܐܢ ܥܒܕܝܢ ܐܢܬܘܢ ܕܛܒ ܠܐܝܠܝܢ ܕܡܛܐܒܝܢ ܠܟܘܢ ܐܝܕܐ ܗܝ ܛܝܒܘܬܟܘܢ ܐܦ ܚܛܝܐ ܓܝܪ ܗܟܢܐ ܥܒܕܝܢ 33
Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
ܘܐܢ ܡܘܙܦܝܢ ܐܢܬܘܢ ܠܡܢ ܕܤܒܪܝܢ ܐܢܬܘܢ ܕܬܬܦܪܥܘܢ ܡܢܗ ܐܝܕܐ ܗܝ ܛܝܒܘܬܟܘܢ ܐܦ ܚܛܝܐ ܓܝܪ ܠܚܛܝܐ ܡܘܙܦܝܢ ܕܗܟܘܬ ܢܬܦܪܥܘܢ 34
Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
ܒܪܡ ܐܚܒܘ ܠܒܥܠܕܒܒܝܟܘܢ ܘܐܛܐܒܘ ܠܗܘܢ ܘܐܘܙܦܘ ܘܠܐ ܬܦܤܩܘܢ ܤܒܪܐ ܕܐܢܫ ܘܢܗܘܐ ܤܓܝ ܐܓܪܟܘܢ ܘܬܗܘܘܢ ܒܢܘܗܝ ܕܪܡܐ ܕܗܘ ܒܤܝܡ ܗܘ ܥܠ ܒܝܫܐ ܘܥܠ ܟܦܘܪܐ 35
Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin’ inona na amin’ inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’ izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
ܗܘܘ ܗܟܝܠ ܡܪܚܡܢܐ ܐܝܟܢܐ ܕܐܦ ܐܒܘܟܘܢ ܡܪܚܡܢܐ ܗܘ 36
Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
ܠܐ ܬܕܘܢܘܢ ܘܠܐ ܡܬܬܕܝܢܝܢ ܐܢܬܘܢ ܠܐ ܬܚܝܒܘܢ ܘܠܐ ܡܬܚܝܒܝܢ ܐܢܬܘܢ ܫܪܘ ܘܬܫܬܪܘܢ 37
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo;
ܗܒܘ ܘܡܬܝܗܒ ܠܟܘܢ ܒܟܝܠܬܐ ܛܒܬܐ ܘܪܩܝܥܬܐ ܘܡܫܦܥܬܐ ܢܪܡܘܢ ܒܥܘܒܝܟܘܢ ܒܗܝ ܓܝܪ ܟܝܠܬܐ ܕܡܟܝܠܝܢ ܐܢܬܘܢ ܡܬܬܟܝܠ ܠܟܘܢ 38
omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
ܘܐܡܪ ܗܘܐ ܠܗܘܢ ܡܬܠܐ ܠܡܐ ܡܫܟܚ ܤܡܝܐ ܠܤܡܝܐ ܠܡܕܒܪܘ ܠܐ ܬܪܝܗܘܢ ܒܓܘܡܨܐ ܢܦܠܝܢ 39
Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?
ܠܝܬ ܬܠܡܝܕܐ ܕܝܬܝܪ ܡܢ ܪܒܗ ܟܠܢܫ ܓܝܪ ܕܓܡܝܪ ܢܗܘܐ ܐܝܟ ܪܒܗ 40
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.
ܡܢܐ ܕܝܢ ܚܙܐ ܐܢܬ ܓܠܐ ܕܒܥܝܢܗ ܕܐܚܘܟ ܩܪܝܬܐ ܕܝܢ ܕܒܥܝܢܟ ܠܐ ܡܬܚܙܝܐ ܠܟ 41
Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?
ܐܘ ܐܝܟܢܐ ܡܫܟܚ ܐܢܬ ܠܡܐܡܪ ܠܐܚܘܟ ܐܚܝ ܫܒܘܩ ܐܦܩ ܓܠܐ ܡܢ ܥܝܢܟ ܕܗܐ ܩܪܝܬܐ ܕܒܥܝܢܟ ܕܝܠܟ ܠܐ ܡܬܚܙܝܐ ܠܟ ܢܤܒ ܒܐܦܐ ܐܦܩ ܠܘܩܕܡ ܩܪܝܬܐ ܡܢ ܥܝܢܟ ܘܗܝܕܝܢ ܢܬܚܙܐ ܠܟ ܠܡܦܩܘ ܓܠܐ ܡܢ ܥܝܢܗ ܕܐܚܘܟ 42
Ary ahoana no ilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny maso’ ny rahalahinao.
ܠܐ ܐܝܬ ܐܝܠܢܐ ܛܒܐ ܕܥܒܕ ܦܐܪܐ ܒܝܫܐ ܐܦ ܠܐ ܐܝܠܢܐ ܒܝܫܐ ܕܥܒܕ ܦܐܪܐ ܛܒܐ 43
Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.
ܟܠ ܐܝܠܢܐ ܓܝܪ ܡܢ ܦܐܪܘܗܝ ܗܘ ܡܬܝܕܥ ܠܐ ܓܝܪ ܠܩܛܝܢ ܡܢ ܟܘܒܐ ܬܐܢܐ ܐܦ ܠܐ ܡܢ ܤܢܝܐ ܩܛܦܝܢ ܥܢܒܐ 44
Fa samy fantatra amin’ ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin’ ny tsilo, na voaloboka amin’ ny voaroy.
ܓܒܪܐ ܛܒܐ ܡܢ ܤܝܡܬܐ ܛܒܬܐ ܕܒܠܒܗ ܡܦܩ ܛܒܬܐ ܘܓܒܪܐ ܒܝܫܐ ܡܢ ܤܝܡܬܐ ܒܝܫܬܐ ܕܒܠܒܗ ܡܦܩ ܒܝܫܬܐ ܡܢ ܬܘܬܪܝ ܠܒܐ ܓܝܪ ܡܡܠܠܢ ܤܦܘܬܐ 45
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ ny rakitra tsaran’ ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin’ ny haben’ ny ao am-pony no itenenan’ ny vavany.
ܡܢܐ ܩܪܝܢ ܐܢܬܘܢ ܠܝ ܡܪܝ ܡܪܝ ܘܡܕܡ ܕܐܡܪ ܐܢܐ ܠܐ ܥܒܕܝܢ ܐܢܬܘܢ 46
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
ܟܠ ܐܢܫ ܕܐܬܐ ܠܘܬܝ ܘܫܡܥ ܡܠܝ ܘܥܒܕ ܠܗܝܢ ܐܚܘܝܟܘܢ ܠܡܢܐ ܕܡܐ 47
Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:
ܕܡܐ ܠܓܒܪܐ ܕܒܢܐ ܒܝܬܐ ܘܚܦܪ ܘܥܡܩ ܘܤܡ ܫܬܐܤܐ ܥܠ ܫܘܥܐ ܟܕ ܗܘܐ ܕܝܢ ܡܠܐܐ ܐܬܛܪܝ ܡܠܐܐ ܒܒܝܬܐ ܗܘ ܘܠܐ ܐܫܟܚ ܕܢܙܝܥܝܘܗܝ ܤܝܡܐ ܗܘܬ ܓܝܪ ܫܬܐܤܬܗ ܥܠ ܫܘܥܐ 48
Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.
ܘܗܘ ܕܫܡܥ ܘܠܐ ܥܒܕ ܕܡܐ ܠܓܒܪܐ ܕܒܢܐ ܒܝܬܗ ܥܠ ܥܦܪܐ ܕܠܐ ܫܬܐܤܬܐ ܘܟܕ ܐܬܛܪܝ ܒܗ ܢܗܪܐ ܒܪ ܫܥܬܗ ܢܦܠ ܘܗܘܬ ܡܦܘܠܬܗ ܪܒܐ ܕܒܝܬܐ ܗܘ 49
Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin’ ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin’ izay izy; ary loza ny naharavan’ izany trano izany.

< ܠܘܩܘܣ 6 >