< ܓܠܝܢܐ 13 >

ܘܩܡܬ ܥܠ ܚܠܐ ܕܝܡܐ ܘܚܙܝܬ ܕܤܠܩܐ ܚܝܘܬܐ ܡܢ ܝܡܐ ܕܐܝܬ ܠܗ ܥܤܪ ܩܪܢܢ ܘܫܒܥ ܩܪܩܦܢ ܘܥܠ ܩܪܢܬܗ ܥܤܪܐ ܬܐܓܝܢ ܘܥܠ ܩܪܩܦܬܗ ܫܡܐ ܕܓܘܕܦܐ 1
Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.
ܘܚܝܘܬܐ ܗܝ ܕܚܙܝܬ ܕܡܘܬܐ ܗܘܬ ܕܢܡܪܐ ܘܪܓܠܝܗ ܐܝܟ ܕܕܒܐ ܘܦܘܡܗ ܐܝܟ ܕܐܪܝܘܬܐ ܘܝܗܒ ܠܗ ܬܢܝܢܐ ܚܝܠܗ ܘܟܘܪܤܝܗ ܘܫܘܠܛܢܐ ܪܒܐ 2
Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an’ ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan’ ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
ܘܚܕܐ ܡܢ ܩܪܩܦܬܗ ܐܝܟ ܦܥܝܥܬܐ ܠܡܘܬܐ ܘܡܚܘܬܐ ܕܡܘܬܗ ܐܬܐܤܝܬ ܘܐܬܕܡܪܬ ܟܠܗ ܐܪܥܐ ܒܬܪ ܚܝܘܬܐ 3
Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
ܘܤܓܕܘ ܠܬܢܝܢܐ ܕܝܗܒ ܫܘܠܛܢܐ ܠܚܝܘܬܐ ܘܤܓܕܘ ܠܚܝܘܬܐ ܠܡܐܡܪ ܡܢܘ ܕܕܡܐ ܠܚܝܘܬܐ ܗܕܐ ܘܡܢܘ ܡܫܟܚ ܠܡܩܪܒܘ ܥܡܗ 4
Ary dia niankohoka teo anoloan’ ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an’ ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan’ ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?
ܘܐܬܝܗܒ ܠܗ ܦܘܡܐ ܕܡܡܠܠ ܪܘܪܒܬܐ ܘܓܘܕܦܐ ܘܐܬܝܗܒ ܠܗ ܫܘܠܛܢܐ ܠܡܥܒܕ ܝܪܚܐ ܐܪܒܥܝܢ ܘܬܪܝܢ 5
Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.
ܘܦܬܚܬ ܦܘܡܗ ܠܡܓܕܦܘ ܩܕܡ ܐܠܗܐ ܕܬܓܕܦܝ ܒܫܡܐ ܘܒܡܫܪܝܐ ܕܐܝܠܝܢ ܕܫܪܝܢ ܒܫܡܝܐ 6
Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’ Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.
ܘܐܬܝܗܒ ܠܗ ܠܡܥܒܕ ܩܪܒܐ ܥܡ ܩܕܝܫܐ ܘܠܡܙܟܐ ܐܢܘܢ ܘܐܬܝܗܒ ܠܗ ܫܘܠܛܢܐ ܥܠ ܟܠܗܝܢ ܫܪܒܬܐ ܘܐܡܘܬܐ ܘܠܫܢܐ ܘܥܡܡܐ 7
Ary navela hiady tamin’ ny olona masìna izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin’ ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
ܘܢܤܓܕܘܢ ܠܗ ܟܠܗܘܢ ܥܡܘܪܝܗ ܕܐܪܥܐ ܗܢܘܢ ܐܝܠܝܢ ܕܠܐ ܟܬܝܒܝܢ ܒܟܬܒܐ ܕܚܝܐ ܗܘ ܕܐܡܪܐ ܩܛܝܠܐ ܩܕܡ ܬܪܡܝܬܗ ܕܥܠܡܐ 8
Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny fiainan’ ny Zanak’ ondry, izay voavono hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao.
ܡܢ ܕܐܝܬ ܠܗ ܐܕܢܐ ܢܫܡܥ 9
Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
ܡܢ ܕܒܫܒܝܐ ܡܘܒܠ ܒܫܒܝܐ ܐܙܠ ܘܐܝܢܐ ܕܒܚܪܒܐ ܩܛܠ ܒܚܪܒܐ ܢܬܩܛܠ ܗܪܟܐ ܗܝ ܗܝܡܢܘܬܐ ܘܡܤܝܒܪܢܘܬܐ ܕܩܕܝܫܐ 10
Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin’ ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin’ ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ ny olona masìna.
ܘܚܙܝܬ ܚܝܘܬܐ ܐܚܪܬܐ ܕܤܠܩܐ ܡܢ ܐܪܥܐ ܘܐܝܬ ܗܘܐ ܠܗ ܬܪܬܝܢ ܩܪܢܢ ܘܕܡܝܐ ܠܐܡܪܐ ܘܡܡܠܠܐ ܗܘܬ ܐܝܟ ܬܢܝܢܐ 11
Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ ny zanak’ ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
ܘܫܘܠܛܢܐ ܕܚܝܘܬܐ ܩܕܡܝܬܐ ܟܠܗ ܬܥܒܕ ܩܕܡܘܗܝ ܘܬܥܒܕ ܠܐܪܥܐ ܘܠܕܥܡܪܝܢ ܒܗ ܘܢܤܓܕܘܢ ܠܚܝܘܬܐ ܩܕܡܝܬܐ ܗܝ ܕܐܬܚܠܡܬ ܡܚܘܬܐ ܕܡܘܬܗ 12
Ary ny fahefana rehetra nananan’ ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’ izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan’ ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin’ ilay feriny saiky nahafaty azy.
ܘܬܥܒܕ ܐܬܘܬܐ ܪܘܪܒܬܐ ܐܝܟܢܐ ܕܢܘܪܐ ܬܥܒܕ ܠܡܚܬ ܡܢ ܫܡܝܐ ܥܠ ܐܪܥܐ ܩܕܡ ܒܢܝܢܫܐ 13
Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin’ ny tany eo imason’ ny olona aza.
ܘܬܛܥܐ ܠܕܥܡܪܝܢ ܥܠ ܐܪܥܐ ܒܝܕ ܐܬܘܬܐ ܕܐܬܝܗܒ ܠܗ ܠܡܥܒܕ ܩܕܡ ܚܝܘܬܐ ܠܡܐܡܪ ܠܕܥܡܪܝܢ ܥܠ ܐܪܥܐ ܠܡܥܒܕ ܨܠܡܐ ܠܚܝܘܬܐ ܐܝܕܐ ܕܐܝܬ ܠܗ ܡܚܘܬܐ ܕܚܪܒܐ ܘܚܝܬ 14
Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason’ ny bibi-dia, sady milaza amin’ izay monina ambonin’ ny tany koa mba hanao sary ho an’ ny bibi-dia, izay voan’ ny sabatra, nefa velona ihany.
ܘܐܬܝܗܒ ܠܗ ܕܬܬܠ ܪܘܚܐ ܠܨܠܡܐ ܕܚܝܘܬܐ ܘܬܥܒܕ ܕܟܠ ܕܠܐ ܢܤܓܕܘܢ ܠܗ ܠܨܠܡܐ ܕܚܝܘܬܐ ܢܬܩܛܠܘܢ 15
Ary navela hanisy aina ny sarin’ ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin’ ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ ny sarin’ ny bibi-dia.
ܘܬܥܒܕ ܠܟܠܗܘܢ ܙܥܘܪܐ ܘܪܘܪܒܐ ܥܬܝܪܐ ܘܡܤܟܢܐ ܡܪܝܐ ܘܥܒܕܐ ܕܢܬܝܗܒ ܠܗܘܢ ܪܘܫܡܐ ܥܠ ܐܝܕܝܗܘܢ ܕܝܡܝܢܐ ܐܘ ܥܠ ܒܝܬ ܥܝܢܝܗܘܢ 16
Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ ny tànany ankavanana na eo amin’ ny handriny avokoa,
ܕܠܐ ܐܢܫ ܢܙܒܢ ܐܘ ܢܙܒܢ ܬܘܒ ܐܠܐ ܐܝܢܐ ܕܐܝܬ ܥܠܘܗܝ ܪܘܫܡܐ ܕܫܡܐ ܕܚܝܘܬܐ ܐܘ ܡܢܝܢܐ ܕܫܡܗ 17
mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ ny bibi-dia, na ny isan’ ny anarany.
ܗܪܟܐ ܐܝܬܝܗ ܚܟܡܬܐ ܘܕܐܝܬ ܒܗ ܗܘܢܐ ܢܚܫܒܝܘܗܝ ܠܡܢܝܢܐ ܕܚܝܘܬܐ ܡܢܝܢܐ ܗܘ ܓܝܪ ܕܒܪܢܫܐ ܫܬܡܐܐ ܘܫܬܝܢ ܘܫܬ 18
Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan’ ny bibi-dia, fa fanisan’ olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.

< ܓܠܝܢܐ 13 >