< Roma 8 >

1 Nene na uchan ukul diku ba, kiti nale na idi nan nya Kirsti Yisa.
Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
2 Bara uka'ida infip Kutelle unlai nan nya in kirsti Yisa na nutuni fong in kai'da kulapi nin kul.
Fa ao amin’ i Kristy Jesosy ny lalàn’ ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny lalàn’ ny fahotana sy ny fahafatesana.
3 Imon ile na ushara wa yinin usue ba bara na uwadi nin likara ba nan nya kidaw, Kutelle nasu: iwa tu Gono me nin in nit usirne unan kulapi ayiru kiti kulapibit. amini nati kida wo kulapi inkul di in cha nku.
Fa izay tsy hain’ ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ ny nofo,
4 Awa su nani bara imon pizire nan nya insharawe nan kulo nan nya bite arik ale na uchinbite di na kidawo ba udi nan nya Infip Nnu Kutelle.
mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
5 Ale na idin chin nan nya kidowo din chisu nibinai mine nimon kidawo, ale na idin chinu nan nya Ifip Nnu Kutelle din chisu nibinai mine kiti nimon in Ifip KUtell.
Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
6 Bara ufo liti kidawo ukullari, a ufo liti kidowo liaison,
Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana
7 bara ufo liti di nin ni vira nin Kutell, bara na a yinna nin usharia Kutell, awasa a yinno usue ba.
satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
8 Ale na indi na nidawo na idi nin woru ipo Kutetelle ayi b.
Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra.
9 . Nani tutung, na idi na nidowob. Idinan Infip Kutelle andi kindegenere Ifip Kutelle di nan nya mine. Andi na umon di nin Fip Kirsti ba na ame un mereba.
Fa ianareo tsy ao amin’ ny nofo, fa ao amin’ ny Fanahy, raha ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’ i Kristy, dia tsy Azy izy.
10 Andi Kirti di nan nya mine in long li kot kidowa maso kin kul bara kulapi in lon likot tutung Ifip Kutelle ulaiyari bara uchinu dert.
Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana.
11 Andi infippin le na awa fi Yisa ku nan nya kissek di inf. Ame ule na wa fiya Kirsti ku nan nya kul ma kuri ani nidowon kul mine ulai bara ame ule na adi adi nan nya mine.
Ary raha ny Fanahin’ izay nanangana an’ i Jesosy tamin’ ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’ i Kristy Jesosy tamin’ ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
12 Bara nanin linuana arik ana tire wari na ti ni nidowo b, na tiwa su lissosin nidowo ba.
Ary amin’ izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika ― tsy amin’ ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
13 Bara nanin asa udi nan nya kidawo udi bellen kuarun. Asa uku nan nya Ifip Nnu Kutelle kidowo nin kate me uma ti ula.
Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ ny tena dia ho velona ianareo.
14 Bara vat in gbardang na le na Infip Kutelle din dursuzu nani uchin inun nono Kutelleari.
Fa izay tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no zanak’ Andriamanitra.
15 Bara na i na seru infip lichin na ima lanzu fiub, ina seru infip in wru i so unit urum uneren ta tidin yichu”Abba Baba
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
16 Ifip Kutelle litime nin min bit infippe yinna arike nono Kutelleari.
Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.
17 Andi non, tutun anan li ugad, ugadue un Kutelle in kon ku sari a anangadu nin kristi tutun mmon uchara. Andi tutung tiniyo kan nin gh, nanere tutun tima se uzazunu nin ghe ligowe.
Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
18 Uyenu nin uniyu bite nin ko kube nee na udurum in gbardang in ghentinu ule na ima dursu nari ba.
Fa ataoko fa ny fahoriana amin’ izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho amintsika.
19 Uchiwu nibinnai kang na makeke din cha idursu nani inin nono Kutelleari.
Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’ Andriamanitra;
20 I wa toltin in gongon udu invon ihe, sa usu mine, bara usu in le na amaerie na ti nani
fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy,
21 Bara makeke we atiminene ime nutuno nani nan nya lichin linanzang udipiru lisosin ligongong lin nono Kutelle.
sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ ireo zanak’ Andriamanitra.
22 Bara tiyiru vat makeke di lidurun nin kata nan nya nkunuligowe nene.
Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;
23 Na nane chas b, arik ma atibite ale na idi nin nonon inchizno Infip Kutelle nan nya nati bite tidin gbondulu, tidin in cha isere nar, ukurtunu ni dowo bite.
ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan’ anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
24 Ina su nari Utuchu vat bara uginnu ari. Uyinnu ule na idinyenju unin na uyinnuariba. Nafo ghari in yinna nin ni mon ile na adingenuju nene?
Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ ny olona izay efa hitany?
25 Bara asa na tiyino ni ni mon ilena tisa yen, to tiba su uchawe nin na yi asha.
Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ ny faharetana.
26 Nan nya lirum, Innfip Kutelle wang din buzunu nari nan nya lidarin bite. Bara nati yiru yanda na timati inlirab, Ifip Kutelle nin litme din su kata nan nya bite na nin gbondulu ba.
Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ ny fitarainana tsy azo tononina.
27 Ale na adin yeju nibai bitayiru nibinai Infip Kutelle.
Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’ Andriamanitra ny fifonany ho an’ ny olona masìna.
28 Tiyiru ale na idi nin su Kutelle adinesu kataka chine vat bara ichinn, ina yichila nafo kpilizu me.
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
29 Bara alena na yarin ayinno, ana mali uti usi lisossin nafo gono me bara ana yita gono kin chizinu nan nan nyan nuana gbardang.
satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ ny rahalahy maro Izy.
30 Ale na tutung na amaqlu u feriu ana yichila. Alena ana yichil, inua tutun kusu lau. Ale na awa kusu, inighere ana zazin.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
31 I yaghari tima bellu nene kitene nile imone? Andi Kutelle di nan arik ghari ba nari nari?
Inona ary no holazaintsika ny amin’ izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
32 Ule na ana nuzu nin Gono me ba a mini na ni kimin bara vat bit, iyari ba wantin ghe na ana imon vat?
Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
33 Ghari ma dak nin karusuzu nan nya imonrumn in feiu Kutelle? Kutelleari unon su ushara.
Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
34 Ghari ma kiti finu kulapi? Kirsti Yisa, ule na a wak, ule na nan nya nimon vat ichine i wa fiya ghe nan nya kulapi amini nasosin nene in chara Kutell, amini din fo achara bara arike?
Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika.
35 Ghari makosu nari nin su Kristi? liburi lisirne sa imgbagbai kidowo asa uniu wasa kupogha sa lisisosin fiseri, sa uhasaria, sa kuboong?
Iza no hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
36 Nafo na nyertti di”Bara fewe idin molsu nari ko lome liri ina yiru nari nato alkam indi basu”
Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
37 Nan nya vat nimon tikata kitin linbun nan nya inlena na a durso nari usu.
Kanefa amin’ izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’ ilay tia antsika.
38 Bara in kala udinrun yinnu na ukulba sa ulai sa Amalaiku sa tigo sa imonmon na idi nene sa imomong na idin chinu sanlonlikar, sa inzang,
Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
39 sa inchomcho, sa imonmong na ina k, imo yinu ukosu nari nin suKutell, ule na udi nan nya Kirsti Yisa Chikilari bite.
na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’ izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.

< Roma 8 >