< Roma 1 >

1 Paul kuchin Yisa Kirsti, na ina yichilagne gono kadura, inin yisagne bara katuwa in nliru nlai Kutelle.
Paoly, mpanompon’ i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ ny filazantsaran’ Andriamanitra,
2 Urika na awa tinari utai nan nya nliru ulau kiti nanan kadurame.
izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin’ ny Soratra Masìna,
3 kitenen saune, na iwa marugne kuwunun Dauda, nan nya kidowo.
ny amin’ ny Zanany, Izay nateraka avy tamin’ ny taranak’ i Davida araka ny nofo,
4 Iwa woro ameh gono kutelleri nnuzun fip mi lau, ninfitume nan nya kisek, Yisa Chikilaribit Kirsti.
ary naseho tamin-kery ho Zanak’ Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty, ― dia Jesosy Kristy Tompontsika,
5 Bari ameh, tinaseru ubollu Kutelle nwo tiso nono kadura meh, nin dortun nliru meh, nan nya inyinnu sa uyenu, vat inyi, bara lisameh.
Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’ Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ ny jentilisa rehetra;
6 Nan nya nipinpin inyee, anung wang ina yichala minu nan nya Yisa Kirsti.
ary ianareo koa, izay isan’ ireny, dia voantso ho an’ i Jesosy Kristy, ―
7 Vat mine na indin Romawa, anan kinayi Kutelle, tutun nin nale na iwayichila ani iso anit alau; ubollu Kutelle kitimine, nin lisosin liman nnuzu kiti Kutelle nin Chikilari bit Yisa Kirsti.
ho an’ izay rehetra any Roma, malalan’ Andriamanitra sady voantso ho masìna; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
8 Inchizina nin godoh Kutelle bari Yisa Kirsti kitemine vat, bara ubellun inyinnun sa uyenu mine di vat inyi.
Voalohany, misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran’ izao tontolo izao ny lazan’ ny finoanareo.
9 Kutelleri iyizi in mbani, ulena indigne katuwa nan nya nfip micine nin, nan nya nliru nlai ngonome, na ndin bellu ubelen minegne kolomeliri.
Fa Andriamanitra, Izay tompoin’ ny fanahiko amin’ ny filazantsaran’ ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
10 ko inshi nan nya nliranin, indin tiru kolomelibau ndunimalin inse unuzu gegeme nene, nan nyan inyinnun Kutelle ndak kitimine.
dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin’ izao ho tonga aminareo, raha sitrapon’ Andriamanitra.
11 Aye di nwo inyene munu, nnan filin munu ufillun nfip michine, ntimunu iti agang,
Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
12 nnan naminu likara na kolon nan nya mine, nan nya inyinnu sa uyenu kogha mine, nin unag.
izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin’ ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
13 Nene na ayedi iso sa uyinnun wo nworsu nuwana, aye din ndak kitimine, inale asa inazai mu, nenere bara nnanse iburi nan nya mine nafo na iwadi nan nya na wurmi. vat
Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ ny jentilisa sasany.
14 Meng unan rewari, kiti Nawurmi nin nanan nmin ndas, vat anit alalan nin najiji.
Ananan’ ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
15 Bara meng, inkyle litinin nbelluminu nlirun nlai anug na idin Rome.
koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
16 Yenen, na meng din lanzu inchin nliru nlaiba, bara likara Kutelleri udun ntuchun kogha na ayinna sa uyenu, inchizinu nin na Yahudawa udu nawurmi.
Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.
17 In nan nyere udiru kulapi Kutelle wa pun libau inyinnu sa uyenu udu uyinnun sa uyenu, nafo na idin nya niyerte, “Anan diru kulapi mati ulai libau inyinnu sa uyenu.”
Fa amin’ izany no anehoana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra avy amin’ ny finoana sy ho amin’ ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
18 Tinanayi Kutelle wa pun kidowo nnuzu kitenekani, kiti nanan sali feu Kutelle nin na nit anan kulapi, arikana bara kulapi ina cheu kidegen.
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan’ ny olona izay misakana ny fahamarinana amin’ ny fanaovan-dratsy,
19 bara ile imon na idi kiti Kutelle idi kana in yenju mine, Kutelleri na pun nani nkanan inyenjee.
satria izay fantatra ny amin’ Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ ireny, fa nasehon’ Andriamanitra taminy.
20 Imon irikana idi yenjeba kitime, idi kanan uworsu kubi makeke inyi, na uyine wa dak kiti nimon irika na ana ke, wati nan nya likara me sa sa ligan nin yenju nimon makekeme, inan senani sa udiru nimon bellu. (aïdios g126)
Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo; (aïdios g126)
21 Bari dai iyiru ubelle Kutelle, na ina ghantigne nafo Kutelleba, na ina nigne ugodoba, inin ta alalan nan nya kpiluzu mine, nibinayin mine siro.
fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
22 Npilu natimine au idi jiji inin ta alala.
Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
23 Iwasu kusere ghantinu Kutelle sa unanu, nin yenju nimon na nit asirne in nanu, ayin, inawan ntene nabunu ananas, nin nimon inwunu liburi.
koa ny voninahitr’ Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
24 Bara nani Kutelle wa ni ani ndu ntok nibinayi nin dirun lau mine, bara nidowo mine se udirun ghantinu nan nya mine,
Ary izany no nanoloran’ Andriamanitra azy tamin’ ny filan’ ny fony ho amin’ ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ ny tenany avy;
25 inun na inasu kusere kidegen Kutelle nin kinu, inayita achin makeke isuna unan kewe ule na adi ninmari sa ligan usonani. (aiōn g165)
ary ny fahamarinan’ Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
26 Baranani; Kutelle na nakpa ani ndu kiti nimon dirun ghantinu, nin sun lantizu mang mine, awani mine dinsuzu kusere nimon makeke Kutelle nin ninnimon makeke na nit asirne.
Izany no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’ izay tsy fanaony;
27 Nanere wang, nalilime mine nchino katuwa Kutelle mine nin nawani, inanin din jujuzu atimine nin ntok nati, nalilime din suzu nin nalilime imon irika na iwansu nin nawani, awani wang in suzu nemon irika na iwasu nin nalilime inun ani din suze nin nawani, inun ani din sesu kusere nalapi mine chot libau nwulu mine.
ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ ny vehivavy izy ka maimay tamin’ ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
28 Nanita na inun yina nin Kutelle nan nyan nyinu mineba, Amile na sun nani nan nya nibinayi ni fang, isu imon irika na idi chaut ba.
Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’ Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
29 Vat mine nkulo nin dirun suzu nimon ichine, likara linanza, uchisunizi, ukpilizu unanzan, inani nin kulun nin liyarin, kimolo, ivira, karusuzo, uminu kibinayi kinannazan.
ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo, ― feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po, ―
30 Idinin kubellum, unanzulisa, anan nari Kutelle, anan nnung, nin lanzu nin natimine, anan fofigiri, anan nutuzunu nimon inanzan, anan salin lanzu nliru ale na imachani.
mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’ Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
31 Na idinin yiruba; na umon wasa ayina nin ghunuba, sa ulantizun mang ni mon ichine, sa nkune kune.
tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
32 Idinin yiru nile mon na Kutelle, inyinamun, au ale na idin suzu nile imon na Kutelle narimu chau iku, inale na idinsuzu nimonere chas ba, iyinna nin nale na idin suzai.
dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’ Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.

< Roma 1 >