< Uruyan Yuhana 8 >

1 Na Ku kam npuno tiyat tin zore, kitene kane ta tik nanya kugirr kubi.
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
2 Inyene nono katua Kutelle kuzor na isin, i nani alantung.
Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
3 umon unan kadura Kutelle uni wa dak, awa myin kukurun nturari kunya kunang, awa yissin kitene nbagadi. Iwa nighe uturari gbardang anan di nakpa unin umunu nlira na nit alau vat kiteene nbagadi tizinariya nbun kutet tigo.
Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masìna rehetra eo ambonin’ ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana.
4 Ncin nturare, nin lira na nit alauwe, wa fita a ghana udu kiti Kutellee unuzu nacar ngono kadure.
Ary ny fofon’ ny ditin-kazo manitra mbamin’ ny vavaky ny olona masìna dia niakatra avy eo an-tànan’ ny anjely ho eo anatrehan’ Andriamanitra.
5 Unan kadure wa yaun kukurune a di kulo ula ku kitene nnagade. Amini wa filin unun uda deo kutyen, Kutelle koni wa tutuzo, anite ta bunin fiu, umalzinu kiti, nin hirtuzu kutyen.
Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin’ ny afo teo amin’ ny alitara ka nanipy izany tamin’ ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
6 Nono kadura kuzore na iwa di nin na lantun kuzore fita iyisa nworu iwulsun aning.
Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
7 Gono katwa kan cizunue wulsuno kulantung me. Intet nin la umunu nmii wa yita. Iwa filin unin nan nya in yii unan leo mcashi ntat in yie, a ukashi utat naca wa juju kidowo vat, a mpi vat wa li ida.
Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin’ ny tany irany; ary may ny ampahatelon’ ny tany, ary may ny ampahatelon’ ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
8 Gono kadura kan be wulsuno kun me kulantunghe, imonmong nafo likup lidya na lisa din lin la iwa tu linin nan nya kurawa. Ukashi utat nmyen kurawe kpilya nita nmii vat.
Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon’ ny ranomasina;
9 Ukashi utat ninawa nan nya nmyene ku, ukashi utat tizirigin nmyene naniza.
ary maty ny ampahatelon’ ny zava-manan’ aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon’ ny sambo.
10 Gono kadura un tate wulsuno kulantung me, fong fiyini fidya kitene kane deo kite kane, fi din walta nafo utushel, usun nutat nanya nigingawa a niti tini mei.
Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin’ ny ampahatelon’ ny ony sy tamin’ ny loharano izany;
11 Lisa fiyini 'Wormwood'. Ku gir kun tat mein kpilya miso 'wormwood', anit gbardang wa kuzu unuzun nmyene na mi wa ti gbagbai.
ary ny anaran’ ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon’ ny rano; ary maro ny olona no matin’ ny rano, satria efa nangidy izany.
12 Gono kadura kan nasse wulsuno kulantung me, ukashi utat nwui uni wa wuto, nanere ukashi utat npui a ukashi utat niyini. Ukashi utata mine wa kpilya usurio, nin kash utat liyirin a ukashi utat kiyitik wa yita nin kanang ba.
Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon’ ny masoandro sy ny ampahatelon’ ny volana ary ny ampahatelon’ ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon’ ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
13 Nyenje, lananza kuzi na ku wa di ngalu kitik kitene kani, yicu nin liwui lidia, li nin woro, “Kash'', ''kash'', ''kash'', kiti na na le na issosin nanya in yii, bara ngissin na lantung atate na nono kadura wulsu”
Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan’ ny lanitra aho, izay nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an’ izay monina eny ambonin’ ny tany noho ny feo sisa an’ ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!

< Uruyan Yuhana 8 >