< Uruyan Yuhana 14 >

1 Nwa yenje in yene kukan Kutelle yissin likup in Sihiyona. Ligowe ninghe anit wa di amui akalt likure nin nakut anas alenge na iwa di nin ninyerte lissame nin lin life nitin mine.
Ary hitako fa, indro, ny Zanak’ ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran’ ny Rainy voasoratra eo amin’ ny handriny.
2 Nwa lanza liwui unuzu kitene kani liwa di gberere nafo udu nmyen midya nin tutu Kutelle. Udunu lisui ye na nwa lanza tutung wadi nafo tiwui nidowo na anan fowe wa din fowe.
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3 Iwa su awa apesse nbun kutet tigo we nin bun na nan lai nanas a akune. Na umong wasa ayinno aweu ba andi na anit amni akalt likure nin nakut anas nin na nasse na ina tucu nani nanya in yii ba.
Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan’ ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ ny zava-manan’ aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ ny tany.
4 Inunghare alenge na ina nanza atimine nin dinong na wni ba, bara ina ceo ati mine lau na ina nanza atimine nin dinong na wani ba. Inughee alenge na ina dortu kukan Kutelle vat kiti kanga na ama du. Alengenere iwa bolu nani unuzu nanya nidowo nanit iso kumat ncizunu udu kiti Kutelle nin kukam Kutelle.
Ireo no tsy voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin’ ny olona ho voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry.
5 Na iwa se kinu tinnu mine ba, bara na ina se lidarni nghinue ba.
Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
6 Nwa yene nkan gono kadura din galu kitene Kutelle, ulenge na awa min kadura nliru ugegeme ulenge na ama bellu unin kiti na lenge na issosin in yii vat, vat timyin, akara, tilem nin nanit. (aiōnios g166)
Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina ambonin’ ny tany sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, (aiōnios g166)
7 Awa yicila nin liwui lidya aworo, “Lanzan fiu Kutelle ini ghe ngongong. Bara kubi nshara me nda sunghe usujada, ame ulenge na ama kye kitene kani, nin kutyen, kurawa a vat nin gingawa.”
nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’ izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.
8 Nkan gono kadura Kutelle kin ba dofino kimal me a woro, “Udio, udio Ubabila udya, ulenge na amati vat ti myin ina nani na sono ntoro kaput ndinong me, ntoro mongo na sono ntoro kaput ndinong me, ntoro mongo na mina daghe nin tinana nayi kang.”
Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
9 Nkan gono kadura Kutelle kin tat dofino nani abelle nin liwui kang a woro, “Asa umong nsu finawa ntene nin cil me usujada, amini sere kulap kitin me sa ncara me,
Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tànany,
10 ame wang ma sonu nanya nmyen narau tinana nayi kutelle mongo ina kyek ico minin sa usarunu nanya kashik tinana nayi me. Unite na aa sono ama niu kang nin la a ulon nla Kutelle nbun nnono kadure me nilau nin bun kukan Kutelle.
dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin’ ny afo sy solifara eo anatrehan’ ny anjely masìna sy eo anatrehan’ ny Zanak’ ondry iry;
11 Ncing nnui mine ma ghanju kitene kani sa ligang ana ima yitu nin shinu ba lirin nin kyitik-inung anan nsujada finawan tene sa ncil me, nin lenge na ana seru kulap lissame. (aiōn g165)
ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. (aiōn g165)
12 Uyicu ule un na nit alau alenge na ina teru nibinai mine, iyinna nin tiduka Kutelle nin yinnu sa uyene nin Yesu.
Indro ny faharetan’ ny olona masìna, dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy.
13 Nwa lanza liwui kitene kani nworo, “Nyertin ilele. Anan kolyari alenge na ina kuzu nanyan Cikilari.” “Nanere,” ubellun Ruhu, “bara inan shino nanya katwa mine, bara nitwa mine ma dofinu nani.”
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
14 In yenje, in yene kuwut kubo, umon sossino kitene kuwut kuboe nafo usaun nnit. Awa di nin litappa fizinariya liti me a kuwatan kileo ncara me.
Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’ Olona nipetraka teo ambonin’ ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.
15 Nkan gono kadura Kutelle nuzu nanya nhaikale a yicila nin liwui kang kiti nlenge na awa sossin kuwutte aworo: “Yauna kuwatan fe ucizin upitiru kiti. Bara kubi npituru in yii nda.”
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao tamin’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.
16 Ame ulenge na awa sossin kuwutte tunna a vilino kuwantang me kitene kani in yii, amini wa pitirin unin.
Dia naroson’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny rahona tamin’ ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
17 Nkan gono kadura Kutelle nuzu nanya kutyi kulau kitene kani, ame wang wa di nin kuwantang kiloo kang.
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
18 Nkan gono kadura tutung nuzu nanya ngagadi, gono kadura kanga na amere din cinu nin la. Ayicila gono kadura kanga na awa myin kuwantan nin lisui kang aworo, “Yira kuwatan fe upitiru a kuri niburi naca agbalala in yii, bara kumat mine nene in yini.”
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin’ ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angòny ny sampahom-boaloboka eo amin’ ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
19 Gono katwa we vilino kuwatan me nanya a pitirino kumat naca kugbalale nanya in yii a to nanya kusul npulu niburi naca tinana nayi kutelle.
Ary naroson’ ilay anjely tamin’ ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’ Andriamanitra.
20 Kiti npulu ni buri nale wa di ndas kipine nmii co mi nuzu udas kitin pulu niburi nace. Mi ghana barang kitene kani mi kata nbarang nati nibark uwa di yissin pit nafo timel akalt aba.
Ary voahitsaka teny ivelan’ ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin’ ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin’ ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin’ ny enin-jato amby arivo stadio.

< Uruyan Yuhana 14 >