< Filibiya 4 >

1 Bara nani, nuwana nin alenge nan indi nin suu we ndi nin ghinu kibinei, anu ghe re liburi limang nin kitik tigo, nlo liboo we yisinan nin na kara nyan Cikilari, adondong nin anan suu.
Ary amin’ izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin’ ny Tompo ianareo, ry malalako.
2 Indin fo Eyudiya nin Sintiki ku acara imin kaa kibinei nyan Cikilari.
Mananatra an’ i Eodia aho, ary mananatra an’ i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ ny Tompo izy.
3 Nya na adadu, indin fo minu acara anan kiden kataa ligowe nin mi, ibuun awani ale bara na ina su kataa nin me nkosu nliru umang ligowe nin Klement a ngisin na nan kataa we, ale natisamine din na nya ku takardan nlai.
Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ ny filazantsara izy, mbamin’ i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana.
4 Suun liburi liboo na nya Cikilari kokishii. Tutung ima woru, suun liburi liboo.
Mifalia mandrakariva amin’ ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.
5 Na vat nanit yinin minu bara nshew mine. Cikilaren da duru.
Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
6 Yenje iwa su ukpilizu ko nimong. Nnani, nyan nlira nin kuculu a ugodo nan Kutelle imon vat.
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra.
7 Nmang Kutelle, na mi katin uyinnu vat, ma yenju nibinei nin kpilizu mine nyan Kristi Yesu.
Ary ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’ i Kristy Jesosy.
8 Nmalzine vat, linuwana, vat nile imon na kidegen nari, vat nile ile imon na igongong ghari, vat nile imon na idi dert, ile imon vat na idi lau, ile imon vat na in suu wari, ile imon vat na idi nin liru ucine, indi imomon duku na kaun, indi imon duku in liruu, kpilizan kitene ne le imone.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
9 Imone na ina yinin inin sere inin lanza inin yene kitinin, suun ile imone. Kutellen mmang ma soo nanghinu.
Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
10 Liganghe nene ndi nin liburi liboo gbardang na nya Cikilari bara na idursoi usuu. Kidegen ina mai udursui usuu, ama na ina se kubi ibuuni ba.
Ary faly indrindra ao amin’ ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
11 Nan din belu ile imone bara nan di nin suu nimomonari ba. Meng na yinin usoo nin liburi liboo nyan vat nile imon na idi.
Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
12 Nnyiru likimon, nnin kuru nyiro use. Kolome libau nin vat nin mon nyiru usiri nshitu caut so un soo nin kukpon, nin woro udumun gbardang sa udin piziru.
Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’ inona na amin’ inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
13 Nyan suu imon vat na nya me ule na adin tiziyi akara.
Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ ilay mampahery ahy.
14 Na nya nani wan, una su gegene kubi koo na nwadi na nya nijari.
Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
15 Anun yiru, anun Anan Filibiya, nyan cizinu kadure kubi koo na nwa cin Umakaduniya, nan kon kutii kulau wa wutiyi kimal nyan ni nin seru ba sei anun cas.
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ ny niandohan’ ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin’ ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany.
16 Udu kubi koo na nwa din Tassalunika, na so urum ari iwa tuu yi nin buunu ba.
Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.
17 Na ndin piziru nfilluere ba. Bara nani, nnaadin piziru kumatere na kudin kpizinu ulin ubun mine.
Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
18 Nna seru imon vat, nnin dumun gbardang. Nshito. Nna seru unuzu Epaproditus imone unuzu kitime. Kunye liin kang, kunin kun seruari imon nnakpu na idin puzu Kutelle liburi.
Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’ i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’ Andriamanitra sady ankasitrahany.
19 Tutung Kutelle nin ma shitu nin ghinu bara use me nyan gongong Kristi Yesu.
Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ ny voninahitra no amin’ i Kristy Jesosy.
20 Nene ngongong ghe min Kutelle nin Cif bit soo ligang saligang. Usoo nani. (aiōn g165)
Ary ho an’ Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
21 Lisso anan yinnu vat nan nyan Kristi Yesu. Linuwa na longo nalidi nin mi din lissu minu.
Manaova veloma ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
22 Anan yinnu vat kikane din lissu minu, masamman ananya kilarin Kaisariya.
Manao veloma anareo ny olona masìna rehetra, indrindra fa ny ankohonan’ i Kaisara.
23 Na ubolun Cikilari Yesu Kristi soo nan ruhu mine. Usoo nani.
Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo.

< Filibiya 4 >