< Filibiya 1 >

1 Bulus nin Timitawus, acin Kristi Yesu, udu kiti nalenge vat na ina ceo ani ugan nanya Kristi Yesu arika na idin Pilippi, nin nadidya a a Dikons.
Paoly sy Timoty, mpanompon’ i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy mbamin’ ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy;
2 Na ubolu Kutelle yita nanghinu nin lissosin liman unuzu kiti Kutelle Ucifbit nin Cikilari Yesu Kristi.
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3 Ndin su Kutelle ning ugodo vat kubi ko nan lizino ninghinu.
Misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny fahatsiarovako anareo
4 Kolome liri nanyan lira nin bara anunghe vat, nanya liburi libowari asa nta nlira.
mandrakariva aho amin’ ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ ny fifaliana,
5 Ndin nin godo uzursu mine nanyan liru umang ucizunue udak nene.
noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
6 Indi nin likara kibinayi kitene nimon ilele, nworu ame ulenge na acizina katwa kacine nanya mine ma lii ubun amalu kani udu lirin Yesu Kristi.
ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ ny andron’ i Jesosy Kristy;
7 Ucaun menku nlanza nani kitenen vat mine bara idinin ninghinu nya nayining. Anung vat wadi ninmi nanya bolu Kutelle nin licin ning tutung nin kesu litining a upunu libaun liru umang.
fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ ny fifatorako, na amin’ ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
8 Bara Kutelleri iyizi inba ning, ninworu kolome liri ayedi nyene minu vat nanya kulin nsuu Kristi Yesu.
Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin’ ny famindram-pon’ i Kristy Jesosy.
9 Tutung meng din lira mone: nworu usuu mine na kulo gbardang nanyan yiru nin yinnu.
Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
10 Meng din lira mone bara fe nanse uciro unin fere imon ile na idi icine. Idin bara fenan yita nin kidegen sa kulapi lirin Kirsti.
mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ ny andron’ i Kristy ianareo,
11 ilenge imone di nani tutung fe nan kulo nin niburi katwa kacine na kadin dasu nanyan Yesu Kristi, udun gongon nin zazunu Kutelle.
sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’ Andriamanitra.
12 Nene ayedi iyinnin linuana, nworu imon ile na iwasesue, ina nakpin ulinbun katwa in liru umanghere kang.
Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
13 Udi nani bara tiseleng nin nanya Kristi kogha nayiru mun nanya kowe anan caa nin koyeme unit wang.
ka ao amin’ i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ ny olona hafa rehetra;
14 Tutung gbardang linuana nanya Kristi nase ukpilu bara tiseleng ninghere nin se likaran bellu lire sa fiu.
ary ny ankabiazan’ ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’ Andriamanitra tsy amin’ ny tahotra.
15 Amon kidegen ina bellu ubelle Kristi nin shina a nnung, among tutung bara usuu nibinayi nilau mine.
Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, ary fifaliana kosa ny an’ ny sasany;
16 Alenge na idin bellu Kristi ku nanya suu yirru ina tikikane bara ukessu liru umanghere.
fitiavana ny an’ ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
17 Ama among din bellu Kristi unuzun sunati nin kpilzun diru kidegen. Inung dinsu idin kpizunu mengku kabun nanya tiseleng ning.
fifampiandaniana kosa no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
18 Se inyang? Kolome libau, sa nanya kinu sa kidegen, idin bellu Kristi ku, tutung nanya nilele indi nayi abo! E e, nmasu ayiabo.
Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin’ ny atao rehetra, na amin’ ny fihatsaram-belatsihy, na amin’ ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’ izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
19 Bara inyirru ile imone ma dak nin buntu ning. Nani mayitu bara nlira mine nin bunu Ruhun Kristi.
Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin’ i Jesosy Kristy,
20 Bara likaran ceo nayi nighari tutung kidegen na nma lanzu ncin ba. Imone wang manani likara kibinayiari, nafo kolome liri, nin nene wang, idin ceo nayi Kristi se ughatinu nanya kidowo ning, sa nanyan lai sa nkul.
araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’ i Kristy ao amin’ ny tenako, na amin’ ny fiainana, na amin’ ny fahafatesana.
21 Bara usoo nin lai Kristiari, a ukul tutung ulinbunari.
Fa Kristy no anton’ ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
22 Ama adin lissosin nin lai kidowo din maccu niburi nanya katwa ning, nan yirru uyemeri in ma feru ba.
Kanefa raha ny ho velona amin’ ny nofo no hahavokaran’ ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
23 Bara vat inodini nin to tiyenje. Idi nin konnayi nworu nnyan diso nin Kristi, urika na ukatin vat ulele!
fa sanganehana eo anelanelan’ izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’ i Kristy, satria tsara lavitra izany;
24 Tutung inso nanya kidowe macaunu bara anunghe.
kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
25 Nene na indinin likara kibinayi kitene nimon ilele, inyirru nwo nma lawu nlii ubun nanghinu vat, bara ulinbun nin nayi abo mine nanya yinnu sa uyene.
Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ ny finoanareo,
26 Imanin se idi gogon nanyan Kristi Yesu bara meng, imase nani bara uyitu ning nanya mine.
mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’ i Kristy Jesosy amin’ ny hankanesako atỳ aminareo indray.
27 Anun dei minon tilai mine libau longo na ima yenu Kristi ku. Sun nani nwo, ko meng dak inda yenne minu, sa nin sali ninghe, ibata nlanza uyissunu gangan mine nanyan Ruhu urum. Indi nin suu nlanza idi kidowo kirum nfokidowo ligowe nanya yinnu sa uyenun liru umanghe.
Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
28 Tutung yenje fiu wa daminu bara vat nimon ilenge na anan nivira din sue. Ilele kiti mine kulap nkul minere. Ama kiti mine, kulap ntuccu minere, tutung ilele kiti Kutelleri.
ka tsy ho azon’ ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’ Andriamanitra.
29 Bara kiti mine ina mallu uniminu, bara Kristi, na nwo iyinin nighe cas ba, ama tutung iniu bara ame.
Fa ianareo efa nomena noho ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,
30 Bara idi nin mayardang marum mane nafo manga na ina yene kiti ning, tutung ilanza ndumun nene.
dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.

< Filibiya 1 >