< Filimon 1 >

1 Bulus kucin Nkristi Yesu, nin Timothy gwana bite ucindu kitin Philimo, gwana nsubit nin adon katawe,
Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’ i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
2 Cindukiti ngwana bit kishono bit Abiffia nin du Akiribu kusoja wang nanya katuwa ucindu kitin nlirangafe:
ary mamangy an’ i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
3 Impip Kutellẹ na uyenu nin lisosin limang me nusu kitin inchif bite nin Chikilari Yesu Kristi so nanya mine.
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4 In su Kutellẹ nin nnjah nngai ko nin shi Kutellẹ
Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ ny fivavahako,
5 Nndin lanzinu ninghinu nya mine sanlira, ligan na idumung nanya Cikilari Yesu nin yinnu mine sauyenu udu kiti nanit alumai
satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’ i Jesosy Tompo sy ho an’ ny olona masìna rehetra,
6 Nndin nlira ussu katuwa mine nnyan nyinu sa uyenuyits nin likara ulle na udi nanya bite nin Kristi
mba hiasa mafy ho an’ i Kristy ny fiombonana avy amin’ ny finoanao amin’ ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
7 Bara nnamaluse mang kan, nin nrisu kibinai nanyannsufe, bara nibinai nanit alau nati mang bara fegwana.
Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ ny olona masìna, ry rahalahy.
8 Bara nani, vat nanin andina likara kibinai nanya Kristi mtifi usu imon illena ubasu
Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,
9 Vat nani bara usuu nndin suffi usere ukwilizufe meng ulle nwandi. Bulus ndi nawa kilari licin bara Kristi Yesu
nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an’ i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
10 Ndifi kucikusu nbekken usau nighe Onisimus ullena ndi ucifme uworu licin nighe.
Eny, miangavy aminao aho ny amin’ ny zanako, izay naterako teto amin’ ny fifatorako, dia Onesimosy,
11 Barna awa man difi he, ne ne adi imong icine kitife nin mi.
ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
12 Ntoghe ame litime ulle na ukwiliz kitife adi kibinai nighe.
izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ ny aiko;
13 Ulle na uwang cinghe kitikanghe kang bara fewe awa buni, meg ulle na ndi nanya kilari licin Kutellẹ.
saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ ny fifatorako noho ny filazantsara;
14 Nan nndin nin nsa nsu imomon sa uyiru ba. Bara katuwa ichinife waso nafo ana tifiku sua uyin nafew
nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ ny sitrapo.
15 Umoh uti iwa kosufi ninghe nanya kubi baat bara unan so ninghe sa ligan (aiōnios g166)
Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, (aiōnios g166)
16 Na adu kuchin ba akalin kuchi, nafo gwana kinnayi nighere badi nin nanin nanere abadikitife nanya kidoawo nin nanya Nchikilari.
tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ ny nofo, na amin’ ny Tompo.
17 Assa uyirai nafo udon katawer, serreghe nafo meng,
Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
18 Assa anitifi umon utanu nmomon ana lifi ure pizira usere kining
Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
19 Meng, Bulu, nnyertine nin na chara nin; nba kuturnufik, men bellinfi ndi dortufi ure nlaifeba.
izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny tanako, izaho no handoa izany ― nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
20 Eh, gwana, nase liburi liboo nanya Ciliari nse unanku kibinai nanya Kristi,
Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.
21 Uyinnu nin nnonku litifer udortu lirufe ntah unere nndin nyiru ubasu gbardang ukata nimon ubellu nighe.
Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
22 Assault uso naninkelei kuti namara, bara ndi ncisu kibinai nanyan nliran ima yinnu ndak kitife.
Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
23 Apafras udon licin nanya Kristi Yesu din lisuu fi
Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin’ i Kristy Jesosy,
24 Nanere wang Marku, Aristaku, Demas Luka, adon katwa ning.
sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
25 Na ubollu Nchikilari bite Yesu Kristi so nin infip mine uso nani.
Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

< Filimon 1 >