< Matiyu 23 >

1 Nin nani, Yesu su uliru ligozi, nin nono katwa mye.
Ary tamin’ izany Jesosy dia niteny tamin’ ny vahoaka sy tamin’ ny mpianany ka nanao hoe:
2 A woro, “Anan ninyerte nin na Farisiyawa, asa iso kiti lisosin Musa.
Eo amin’ ny fipetrahan’ i Mosesy no ipetrahan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
3 Bara nani, vat nile imon na ibellin munu isu, suun inin kin yenje, na iwa su adu mine ba. Bara inung di nbellu, na idin su inin ba.
koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
4 Nanere, asa itere kutura ku getek, kun nijasin inyaunu, inin tarda anit nabandang, inung atimine na iba dudu nin ticin bara iyaun ba.
Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ ny rantsan-tànany anankiray asa.
5 Vat nadu mine idin su, anit nan yenje nani, asa ikye ilaya gba gbardang, inin ta alutuk ajangaran.
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ ny olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
6 Idinin su niti lisosin tigo kiti nbuki, nin kiti lisosin nago nanya kutyi nlirag,
Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ ny synagoga
7 nin nilip tikune nanya nkasu, anit yicu nani 'Unan yiru'.
sy ny hoharabain’ ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ ny olona hoe: Raby ô!
8 Bara anung na iwa yicu munu 'Unan yiru', bara idinin nnan yiru warumari, vat mine linuanari.
Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
9 Na iwa yicu unit nanya inyi Ucif mine ba, bara tidi nin Ncif warum, amere ule na adi nanya kitene kani.
Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
10 Sa iyicu munu 'Unan dursuzu', bara idinin nnan dursuzu warum, ame Kristi.
Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
11 Ame ulenge na adi udia nanya mine, na aso unan su munu katwa.
Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
12 Vat nlenge na aghantina liti mye, iba toltunghe, nin vat nlenge na a toltuno liti mye iba ghantinghe.
Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
13 Kash anughe, anan ninyerte nin na Farisiyawa, anan rusuzu nati, anung ntursu kipin tigo Kutelle kiti nanit, na anung ati mine npira ba, a na iyinna ale na idinin su pire, ipuru ba.
Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
14 Kash anung, anan ninyerte nin na Farisiyawa, anan rusuzu nati, idin bolusu nalari nawani ale na ales mine na kuzu, inani din dursuzu ati mine kiti nlirag mijangarang bara nani iba seru uca nkul udia.
(Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
15 Kash anung, anan ninyerte nin nafarisiyawa, bara asa idoo kurawa nin kutyin, npiziru anan dortu Kutelle, iwa se, asa ukuru itaghe aso gono nlahira nafo na anung atimine di. (Geenna g1067)
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza. (Geenna g1067)
16 Kash anung anan ninyerte nin na Farisiyawa, anung na ina woro, 'Vat nlenge na asillo nin kutyi nlirag, na imomo nari ba, vat nlenge na a sillo nin nazurfa kutyi nlirag, isillin ntere ghe.'
Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny volamena amin’ ny tempoly, dia haningo-tena izy.
17 Fe uduu ulalang, iyaghari katin, azurfe sa kutyi nlirag na kuna kussu fi azurfe?
Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
18 Nin nworu, vat nlenge na asillo nin bagadi na imomonari ba, bara vat nlenge na asillo nin nfillu na udi kitene, isillin in tereghe.
Ary koa: Raha misy mianiana amin’ ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
19 Anung anit aduu, Iyaghari katin, ufille sa ubagadi na nnere na kussu ufille?
Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
20 Bara nani, vat nlenge na asillp nin nbagadi, asillo nin vat nimon ile na idi kitene nbagade.
Koa amin’ izany, izay mianiana amin’ ny alitara, dia mianiana aminy mbamin’ ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
21 Ame ule na asillo nin kutyi nlirag, asillo nin kunin nin nlenge na asosin nanya kunin.
Ary izay mianiana amin’ ny tempoly dia mianiana aminy mbamin’ izay mitoetra ao anatiny.
22 Ame ulle na asillo nin kitene kani, asillo nin kutet tigo Kutelle ninghe ule na asoson kitene.
Ary izay mianiana amin’ ny lanitra dia mianiana amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra mbamin’ izay mipetraka eo amboniny.
23 Kash anung anan ninyerte nin na Farisiyawa, anan rusuzu nati, idin nizu uzakka vat nimon kunen, ina suna litino nimone, kidegen usu gegeme, uyitu dert, ile imonere caun isu, na iwa fillin inin ba.
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
24 Anung aduu, fe ulenge na asa ifillo kajiji kacing, ina milla kulonkomi.
Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
25 Kash anung anan ninyerte nin na Farisiyawa, a sa ukusu mamal kakuk nin kishik, ina suuna nanye nin ndinon.
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
26 Anung Afarisiyawa aduu, burno ukussu nanya kakupe nin kishik, bara uddase nan da yita lau tutun.
Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
27 Kash anung anan ninyerte nin na Farisiyawa, anan rusuzu nati, anung di nafo nisek nibo pert, alenge ndase idin yenju gegeme, nanye kullun nin nakuu na nan kuzu, nan nimon nsalin nlau.
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ ny maty mbamin’ ny fahalotoana rehetra.
28 Nin nanere, asa anung ndase inuzu anit alau, udu nanye ikullun nin rusuzu nati nin kulapi.
Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin’ ny eo ivelany dia miseho amin’ ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
29 Kash anung anan ninyerte nin nafarisiyawa, bara din nkye nissek na nan nliru nin nnu Kutelle, nin su nissek na nan fiu Kutelle kuyok.
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan’ ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ ny olona marina,
30 Anung sa iworo, 'Nda tiwa duku nayiri nacif bite, na tiwa munnu nanghinu nanya ngutunu nmyi, na nan nliru nin nnu Kutelle ba.'
ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin’ ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
31 Bara nani, anung nsheida atimine, nworu anughere nono nalenge na iwa mollu anan nliru nin nnu Kutelle.
Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak’ izay namono ny mpaminany.
32 Anung tutun ba kullunu kagisin kulapi nacif mine.
Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran’ ny razanareo.
33 Anung iyii abuni, inung isudun niyii, iba ti iyiziyari isortu kiti nwucu kidegen nin kilari nlah? (Geenna g1067)
Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ ny helo? (Geenna g1067)
34 Bara nani, yenen ntoo munu anan nliru nin nnu kutelle, anit ajinjin, nin na nan ninyerte, among nanya mine iba mollu nani, ibana nani kutca, amon nanya mine iba kpizu nani nanya kutyi nlirag, ukoo nani kagbir udu kagbir.
Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra, ―
35 Kiti minere alakin nmyi nanan fiu kutelle, mongo na iwa gutun inye, uyiru nmyi Habila unan fiu Kutelle, udu nmyi zakariya usaun Barikiya ulenge na iwa mollughe, kiyitik, kiti nlirag nin nbagadi.
mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.
36 Kidegen Meng nbellin munu, vat nile imone base kuji kone.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
37 Urushelima, Urushelima, fe ulenge na udin mollusu anan nliru nin nnu Kutelle, idin filisu na ina tuu nani kiti mine, iyanghari uworsu ndinin su npitirin nono fe, kiti kirum, nafo kukuru na asa pitirino nono mye, nagilit mye, bara nani, inani nari!
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
38 Yenen nilari mine ba lawu ni lem sa anit.
Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
39 Bara Meng nbellin munu, na iba kuru iyenei ba nene udu ubun, se iworo, 'Unan nmariari ule na aba dak nanya lisa Ncikilarie.'”
Fa lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.

< Matiyu 23 >