< Matiyu 16 >

1 A Farisiyawa nan na Sadukiyawa daa kitime idin tirughe in an dumunghe a duro nani kulap nnuzu kitene kani.
Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
2 Bara nani a kawa a woro nani, “Na kuleleng ntaa, uworo, 'Kefe mayitu ugang, bara awuten nshaa.'
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
3 Nin kuyi dindin uworo, 'Kite ma cauna kang kitimone, bara na awuten nshaa.' I yiru ubelu nalu ile ketene kane, bara na iwasa iyino ubelu kulap kube ba.
Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
4 Kuji kunanzan kun zino din pizirun uyine nkon kulap ba banin kun Yunana.” Yesu nin nyaa a suna nane.
Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
5 Nono katwa me kafina udu uleli ugau kurawe, Ishawa uyirun mborodi.
Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
6 Yesu woro nani, “Sunseng nin na Farisiyawa nan na Sandukiyawa.”
Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
7 Nono katwa nighe kpiliza nibinai mene i woro, bara na ti yira uberadi ba.”
Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
8 Yesu wa yeru nani a woro, “Anung ana yenu sa uyenu ucin, iyanin ta idin Kpiilizu nati mene au na iyira uborodiari ba?
Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
9 Na isa lizino sa itoo iyizi na gi nborodi ataun na anit amoi ataun wa li ba, a kagisine amashinara i wa piriru?
Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
10 Sa agir kuzure na anit amoi anas wa li, akuzeng amashinari walawa?
na ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
11 Iyarin nta na iyino au inwadin beleminu ubelen mborodiari ba? Sun seng nin na Farisiyawa nan na Sadukiyawa.”
Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
12 Inin yino na awadin belenani uboleng inyeast mborodiari ba, bara u madursuzu na Farisiyawa nin na Sadukiyawa.
Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo’ ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon’ ny fampianaran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
13 Nene na Yesu waa dak nlong likotin Kasiriya nFilipi, atiro nono katwa me, aworo, “Nyari anit din yicu Gonon nit?”
Ary rehefa tonga tany amin’ ny faritanin’ i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa ny Zanak’ olona?
14 I woro, “Anung woro Yohanna unan shitu; among, Ilaisha; among woro, Irimiya, among woro unang liru nin nuu Kutelleari.”
Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ ny mpaminany.
15 A woro nani, “Bara nani anung din su meng ghari?”
Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
16 Na akawa, Simon Bitrus woro, “Fere Kristi, Gono Kutelle unang nlai.”
Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.
17 Yesu kawa a woroghe, “Fe unang mariari, Simon usaun nYunana, nmii nin kidow was a durofi ilele ba, Ucif nighe na adi kitene kauri amere ndurofi.
Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
18 Nkuru mbelenfi fere Bitrus kitene litala lole mma kye kutii nlira. Ni bulun kuwunun nkull wasa ni wantina ba. (Hadēs g86)
Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. (Hadēs g86)
19 Mba nifi mabudi kilari tigo kitene kani. Vat nimon ile na itere nyii imateru kitene kane, vat nimon iile na ibuku nyii iba bunku kitene kani.”
Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra.
20 Yesu benle nono katwa me nin likara au na iwa belin umong amere Kristi ba.
Ary tamin’ izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’ olona akory fa Izy no Kristy.
21 Nnuzu kubi kone Yesu woro nono katwa me a ma nyiu adoo Urushalima, ama niu kang nacaran nakunen ntardun nacara kutii nlira, nin nadidya kutii nlira, aa amon ninyert, Ima molughe, ama nin fitu liri lin tate.
Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.
22 Bitrus yicilaghe likoot akpadaghe, abenle, “Cikilari ulele di piit nin fi; na ulele nwa sefi ba.”
Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
23 Yesu gifirino aworo Bitrus ku, “Kpilla kimal nin shetan! Fe litalan ntirzuwari kiti ni, na myen fe duku nin nimon Kutelle ba, bara imon na nit.”
Fa Izy nihodina ka niteny tamin’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
24 Yesu tunna a belle nono katwa me, “Vat urika na adinin su adofini, se ata umusu litime, ayauna kucan kotinu me, anin dofini.
Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
25 Bara vat urika na adinin su aceu ulai me ama diru uni, vat tutung ulenge na a adira ulai me bara meng ama se uning.
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
26 Iyaghari ba kpinu unit ku, awa se vat nye anin dira ulai me? Iyaghari unit ba su kusere nlai me muna?
Fa inona moa no soa ho azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
27 Bara Gonon Nnit ba dak nan nya ngongon ncif me nan nono kadura me. Ama nin nni koghaku nafo nile imon na anasu.
Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
28 Kidegen meng bellin munu, among duku nan nya mine allenge na iyisin kikane, na iba dudu ukul ba, iba yenu Gono Nnit ncinu nanya tigo me.”
Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’ olona avy amin’ ny fanjakany.

< Matiyu 16 >