< Yuhana 17 >

1 Meng Yesu nbelle ilenge imone, a ghantina iyizi me kitene Kutelle aworo, “Ucif, kube nda; ta Usaunfe gongong-
Rehefa nolazain’ i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ ny Zanaka Anao.
2 nafo na una nighe tigo kitene nanan tilai vat, bara anan na alenge na una nige ulai nsa ligang. (aiōnios g166)
araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ izay rehetra nomenao Azy. (aiōnios g166)
3 Ulai un saligaghere ulele: inan yininfi, fere cas Kutelle kidegen, a ame ulenge na una tuu, Yesu Kristi. (aiōnios g166)
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. (aiōnios g166)
4 Meng ntafi gongong in yie, na nna kulo katwa ka na unani nsu.
Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
5 Nene, Ucif, tye ngogong umunu litife wang nin nimus ngongon mongo na nwa dimun ninfi a uyie dutu sa ukye.
Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ ny tenanao, dia amin’ ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
6 Nna durso lissafe kiti nanit alenge na una ni nanyan yii. Inung anit fere, umini na ni inung, inani din dortu ulirufe.
Nasehoko tamin’ ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’ izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
7 Nene inung yiru vat nimon ile na una nii, inan nuzu kitifere,
Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.
8 uliru fe na una nii, nna ni nani uliru une. Ina seru tining, inani na yinin kidegenere nna dak unuzu kitife, inani na yinin fere na tuyi.
Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.
9 Ndi nani nlira, na ndi su uyii nlira ba, ama inung alenge na unayi, inung anit fere.
Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’ izao tontolo izao Aho, fa ho an’ izay nomenao Ahy, satria Anao izy.
10 Vat nimon ilenge na idi inang, in fere, imongfe inanghari. Meng ta gongon nanya ni ning.
Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho.
11 Na meng du nanya nyie ba, ama inung anit ane di nanya nyie. Meng din cinu udak kitife. Ucif ulau mino nani nanya lissafe inung alenge na una nii, inan so unit urum, nafo na arik di urume.
Ary tsy ho eto amin’ izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’ izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masìna ô, tehirizo ireo amin’ ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.
12 Kube na nwa di nan ghinu, nwa ceo nani nanya lissa fe alenge na uwa nii; nwa kesse nani, na unit urum na wolu ba, se ame gonon nnanu, bara ulirufe nan se ukulu.
Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin’ ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna.
13 Nene ndincinu udak kitife; ama ndin bellu ile imone nanya nyi, bara ayiabo mine nan se ukulu nati mine.
Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’ izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.
14 Nna ninani ulirufe, uyi na nari inung, bara na inung anan yieri ba, nafo na meng kunan yiere ba.
Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’ izao tontolo izao izy, satria tsy naman’ izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.
15 Na ndi nlira ukala nani nanya inyieba ama u kesse nani nin nanan naburi asirne.
Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’ izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ ny ratsy.
16 Na inung anan yiere ba, nafo na meng kunan yieri ba.
Tsy naman’ izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.
17 Kusu wesse nani nin kidegen, ulirufe kidegenghari.
Manamasìna azy amin’ ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.
18 Una tuyi nanya nyii, meng uni na tuu nani nanya yie.
Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’ izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’ izao tontolo izao.
19 Bara inung, meng na wesse litinighe, inung atimine wang nan se uwessu nanya kidegene.
Ary ho an’ ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ ny fahamarinanao azy.
20 Na bara alele cas ndin su nlira ba, umunu alenge vat na ima yinnu unuzun liru mine.
Nefa tsy ho an’ ireto ihany no angatahako, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny;
21 Bara inan so arume vat, nafo nafe Ucif, udi nanya ning, a meng yita nanyafe. Ndin lira inung wang yita nanya bite uyie nan yinna fere na tuyi.
mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’ izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
22 Ngongonghe na una nii, nna nii nani unin, inung wang nan yita urum, nafo na arike di arum-
Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:
23 Meng nanya mine, a fe nanya ning, inan se ukulu nanyan warume; bara uyie nan yinno fere na tuyi, umini dinin su mine nafo na udinin su ninghe.
Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
24 Ucif, aleli na una nii wang. Ndin piziru inung yita nan mi kiti kanga na nduku, inan yene ngongong nighe, mongo na uwa nii: bara udi nin su nighe a i ditu sa ucizinun kye in yii.
Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.
25 Ucif katwa kacine, na uyii yirufi ba, ama meng yirufi, inung alele yiru fere na tuyi.
Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
26 Nna durso nani lissafe, tutung nba ti nani iyinin bara usuwe na udi mun nan yita nati mine, meng wang nan yita nanya mine.”
Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.

< Yuhana 17 >