< Ibraniyawa 10 >

1 Bara lidu cas nshinari min nimon icine na iba dak, na innere kidegene atimine ba, lidu wansa litaa alenge na idi kupopo Kutelle iti lau ba nin leli uni lite, nworu upirist din nlii abun nizuwe likus udu likus.
Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’ izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
2 sa iwasa isuna unizu nlenge ugutuzunu nmii ye? nanya nani anan tumuzunu Kutelle ina malu ukusu nani, na iwa kuru ise uyiru kulapi ba.
Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian’ ny fieritreretany ny ota intsony izy?
3 Bara nanya nle ugutunu nmii, imon nlizinu duku usu kulapi likus udu likus.
Fa amin’ ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4 Bara uwasa uso nani ba, bara nmii na daki nin niyin kalla alapi ba.
Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ ombilahy sy ny ran’ osilahy.
5 Kubi na Kristi wa dak nanya nyulele, awa woro “na anug dinin nayi kitene ngutunu nmii sa unzu ba, nin nani anung kellen nidowo mine bara myeg.
Koa nony niditra tamin’ izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
6 Na fe dimun liburi liboo nanya vat ufilizinu nin ngutunu nmii bara kulapi.
Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
7 sanan meng woro “yene, kikane meng ba su imonfe, Kutelle, nafo na inyertin kitene mighe nanya kubaga.
Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga ― Ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana Ahy ― Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô".
8 Amini wa woro nafo udi nbune “nafe dinin su, ngutunu nmii bara kulapi na udinin suwe ba” ugutunu nmii na iwa ni bara lidu.
Rehefa nolazainy teo hoe: “Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota” (dia ireny aterina araka ny lalàna) “no tsy ilainao ary tsy sitrakao”,
9 Amini nworo “yene” kukane nsu unufife” ana ceo usu nbrune, bara anan damun unbe.
dia hoy indray Izy: “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao.” Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
10 Nanya usu unbe, tinanse ukusu kiti Kutelle unuzun nnii kidowo Kristi Yesu urum cas.
Amin’ izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ ny nanaterana ny tenan’ i Jesosy Kristy indray mandeha.
11 Kidegenari ko uyeme upirist as ayisina kolome liyiri nsu katuwa, nnizu ngutunu nmii, ulenge na uwasa ukalla alapi ba.
Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan’ andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
12 Bara kubi na Kiristi wa gutun nmii urum bara alapi udu sa ligan, amini sosin ncara ulime Kutelle,
fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra,
13 ncawe udu kubi na iba toltunu unan nivira, aso unan patilu nin nabunu.
ka hatramin’ izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14 Bara uni urum, amini nati annit lau sa ligan, alenge na ina kusu nani.
Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
15 Nin nfip milau tutun nso iyizi inba kiti bite, bara nin cizine ana woro,
Ary ny Fanahy Masìna koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
16 “alelereld alikawali na nwansu nan ghinu, mamal nayiri ane” ubellun ncikilari; meng ba ciu adu nighe nanya nayi mine, mba kuru nnyertu anin nanya nibinai mine”
“Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,”
17 Amini wa woro “na nbakuru nlizin nin nalapi sa usu ngbas mine ba.
dia hoy koa Izy: “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony”.
18 Nene kikanga na ushawu nile imone, unizu mine ba lawu una kulapi ba.
Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19 Bara nani linuana, tidi nin nayi akone npiru nanya kiti kilau unzu nmii Yesu.
Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna isika noho ny ran’ i Jesosy,
20 lolere libau na an punari mun linnere kidowo mye lipese nin lin nlai unzu kuzani kibulun
amin’ izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin’ ny efitra lamba, dia ny nofony,
21 Nin bara ti dimun npirist udia kitene kilari Kutelle.
sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’ Andriamanitra,
22 Na ti dak kupopo mye nin nayi kidegen nin yardu a uyinnu sa uyenn, nin nayi bite tizamin nlau ku nin nlah liburi, tikusu nidowo bite nin nmyen milau.
dia aoka isika hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be avy amin’ ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ ny rano madio;
23 Na tutun timin ubellu nalapi bite gangan, ticeau nibinai nin nayi akone, sa uketizu, bara ame Kutelle na ana su nari alkawali unan kidegenari.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
24 Na tiyene ndah na tiba gpinu ati bite agang, ti su usu nin lidu licine.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
25 Na tiwa ciin uzursu ligowe ba, nafo na among di nsuwe, nin nani na ti bun ati bite kang, nafo na idin yenju liyiri lole din dasu susut.
aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
26 Asa arike dagangan tisu kulapi, nbaya na tina malu useru uyiru kidegen, na ugutunu nmii bara kulapi duuku ba.
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27 Nin nani umong uciu kibinai fiu duku, unwucu kidegen nin nla npiu gwagwai uba juju ansn nivira nin Kutelle.
fa fiandrasana mahatahotra amin’ ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28 Vat ulenge na anari lidu Musa aba kuu sa nkunekune, nin bellu niyizi inba nan waba sa an watat.
Izay manohitra ny lalàn’ i Mosesy dia maty amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
29 Iyaghari ba yitu ngbardang nhoro nafe din kpilizu ucaun ini ulenge na a patila Gono Kutelle, ulenge na anaa nmii nalikawali nafo imomon indinong nmii ye mongo na awa kusu - vat ulenge na azogo nfip mitope?
manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masìna sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?
30 Bara tiyinu ulenge na ana woro “utune una nighari meng ba biyiu” nin tutun cikilari ba wucu kidegen nanit mye”.
Fa fantatsika Izay nanao hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;” ary koa: “Jehovah hitsara ny olony”.
31 Iso imon fiuwari, udiu nacara Kutelle nlai.
Zavatra mahatahotra ny ho azon’ ny tànan’ Andriamanitra velona.
32 Bara lizino nin nayiri kidung, na iwa yinin-inani wa teru ayi nin nzapi nin niuu.
Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
33 fe iwa sufi tizogo inutun fi fong, itafi unieo amini wa munu nin nalenge na iwa piru nanya nleli uniuwe.
indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman’ izay azon’ izany.
34 Bara fe wa dinin nkunekune kiti nalenge na idi licin, umini wa seru nin lanzu nmang, ubulu nimon nacarafe, nin nyiru fe litife udinin nimon na cara igegeme saligan.
Fa sady niara-niaritra tamin’ izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.
35 Bara nani, na iwa fiilin ayi akone fe ba, alenge na adinin nduk udia.
Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
36 Bara udinin su nhakuri, bara unan sere imon ile na Kutelle na sufi alikawali, kubi na usu katuwa mye.
Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra.
37 “Bara nanya kubi cingling, ame ulenge na adin ncinu, gbas aba dak na nin dandaunu ba.
Fa “rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra”
38 Anit alau nighe ba se ulai kiti nyinnu sa uyenu, asa a kpilla, na meng ba lanzu nmang mye ba”.
Ary “ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.
39 Bara nani na arike di nafo alenge na ina kpillin kiti nmusuzu nin nani, tidi nafo alenge na imin uyinnu mine sa uyennu bara uciu nidowo mine.
Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy.

< Ibraniyawa 10 >