< 3 Yuhana 1 >

1 Ukune unan tardu nacara kutii kulau udu kitin nnang su nighe, ule na adi nan su me kidegene.
Izaho loholona mamangy an’ i Galo, ilay malala, izay tiako amin’ ny fahamarinana.
2 Unan su ning, indin nlira uyita ucine nin linbun nanya nimung vat, nafo na kibinaai fe din libum.
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
3 Bara na indin lanzu nmmang kang linwana nwadak idin belu kidegen fe, nafo na udin cinu nanya kidegene.
Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.
4 Na indi na monn ayaaboo adiya ale naa akatin alele ba, in laza nono nighe din cinu nanya kidegene.
Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
5 Unang sunin, udin su katwa kachine kiti nwana nin na mara,
Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’ inona na amin’ inona ataonao amin’ ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,
6 alena ina ina yene nin nizi mine musun isufe nanya kiti kulau, uma caunu ntuu nanin mbung incine ucine kiti Kutelle,
izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin’ Andriamanitra ianao;
7 bara lisa loo na ina nuzu mung, na iyira imemung nenya na wurme.
fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ ny jentilisa izy.
8 Ucaun arik tiseru nanin nani bara tinang munu ate katwa udu kidegen.
Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ ny fahamarinana.
9 Nndin yertu minu imemong udu ligozin nanit, bara nani Diotrasfes, ule na adinin su a suu unan burnu nanya minee, na awa seru nari ba.
Nanoratra tamin’ ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.
10 Bara nani, inwa dak ina lizinu imong ile na ana su, na awa belu imong inanzan nati bite nin tin tigbulaln tisirne. Tutun na nani mbatinghe ba na asere linwana ba, a wantina nin kuu nale na iwa di nin nibinai ye nnani nanya ligozin na nite.
Koa amin’ izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’ izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin’ ny fiangonana.
11 Anansuning, na iwa masu imong inanzan ba masan icine ulena asu icine un Kutelleri, ule na adin su imong inanzan nasa yene Kutelleba.
Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’ Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’ Andriamanitra.
12 Demetrus inan tii nizi ibaa vat nin kidegene litime. Arik wang ti yina nin ti nizi ibiye anung wang yiru uyenu bite kidegenere.
Demetrio dia tsara laza amin’ ny olona rehetra sy amin’ ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
13 Ndi nin nimung gbardan na mma yertinu udukitimine na inya in yertine nanya kubaga nin mmyen niyert ba.
Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin’ ny ranomainty sy ny penina;
14 Ndin caa inyene mune nin nizi, tima nin liru tiyenje atii. Ayi ahau soo nan ghinu a dodndon din lisu minu, lison a dondonye nin tisa tisa mine.
fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin’ ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.

< 3 Yuhana 1 >