< 2 Yuhana 1 >

1 Uune kurti kulau na ina tarda nghe acara udu kitin ngantiwani ning nono me ule na ayi niyinghe duku ning kidegene na myeng cas ba, ning vat nale na idining kidegene.
Izaho loholona mamangy an’ itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa)
2 Bara kidegeng ka na kidi nanya bite na kiba yitu nanya bite saligang. (aiōn g165)
noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: (aiōn g165)
3 Ubolu Kutelle, nkunekune, ununku kibinai mayifu nang narik, unuzu Kutelle nin Yesu Kristi Gonon Cif nanya kidegen ning nan soning.
ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ ny fahamarinana sy ny fitiavana.
4 Nlanzanmang midiya bara nang nsennang nono fe din cinu nanya kideene na tina seru adualele kitin ncif.
Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ ny Ray.
5 Tutung indi likerafe nene, gantiwani na nafo nang na yertin lidu lipese kitife ba ana too na tina lanza mburne. Au wu titii usuu linwana.
Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.
6 Usuuwere une auwu ti cinu dert ning nadume. Adumere alele, nafo na una lanza mburne auwu ucinu nanya ni.
Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.
7 Bara na anang rusuzu kiti gbardan nuzu nanya inye ale na inari yinu nin Yesu Kristi ku na adak nanya kidawo. Alelere among rusuzu kiti ning namong nari Kristi.
Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’ izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
8 Yejen atimine, auwu iwa dira imon ine vat na tina suu katwa we mang.
Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
9 Ule na ame nya ubun na ayisina nanya ma dursuzu Kristi ba, na adining Kutelle ba. Ulena na yisna nanya madursuzuz adi nin cife nin Gonome.
Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ ny fampianaran’ i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
10 Wase umong daa minu na daa nin dursuzu ulele ba na iwa serughe ba nanya ngamine ba, na i wa liseghe tutun ba.
Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;
11 Ulena alisoghe amunu litme nin katwa ka nanzan.
fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ ny ratsy ataony.
12 Indinin nimong gbardan na ima nyertinu minu nang dinin suu in nyertin ba nanya kubaga nin mmen ni nyert ba. Bara nani men din cisu kibinai ima dak tida suu uliru ti yerte ateumuro nin muro bara mmamng bite minan kulo kang.
Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
13 Nonon ngwanafe unan feruwe din lisuu fi.
Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.

< 2 Yuhana 1 >