< 2 Ukorintiyawa 9 >

1 Ubeleng katwa nanan yinu sauyen, ucon men yertin minu mu.
Fa ny amin’ ny fiantrana ho an’ ny olona masìna, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo;
2 Men yiru imong ele na idini sua ilena idin fuo figirimun nait Makidoniy. In wa belin nanin Achaia na chizin uke litimine uworu loni likus. Akara mine na zunlung anit gbardangnsuu katwa.
fa fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin’ ny Makedoniana hoe: Efa vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
3 Nene ina malin tuu nwana bara ufoo figiri bite wa uhem, bara ina ke nidowo mine inson caa, nafo na ina belin ima yitu.
Kanefa naniraka ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao dia ho foana ny reharehanay ny aminareo amin’ izany zavatra izany, mba ho vonona ianareo araka izay nolazaiko,
4 Asa na nain ba andi umong unu Makadoniya daa nin mi anin se naa isa kele atibit ba ima yitii imong chin Na ima benlu uliru kitene mine b, bara na idumi nayi akone kiti mine.
fandrao, raha tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany fahatokiana izany.
5 Mang wa su sa uba caunari i belin nwana idak kiti mine idi kee bara imon ile na iwa ti likawali inan yita kiti kirun nafo imon nfilzinu nin kibinai kirum na nafo ita minu ine sa ayi mine ba.
Koa nataoko fa tsy maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
6 re ulele, ule n, abilsa nin timong ama pitiru nin timong gbarda, ama kuru apituru gbardang.
Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.
7 Na kogha ni ilemong na a yina nin kibinai m. Na awa ni nin kibinai bibit b, Bara Kutelle diin suu naale na ima ni nin kibinai ki boo
Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony avy, tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra.
8 Kutelle mati mmari ti gbardan kiti f, bara vat kub, nanya nimon ile na udunin suwa una kpimu nanya katwa ka cine.
Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ ny asa tsara rehetra;
9 Nafo na ina yertu,''Ana nnizu use me kiti nanan seli ni mun nin lau me di sa ligang (aiōn g165)
araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay. (aiōn g165)
10 Ule na adin nizu imus kiti nan tibila nin ni monli. ama kuru ani minu imus in ti bil. Amini ma ni minu kusa na ku lau.
Ary Izay manome voa ho an’ ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
11 yitu nin se kan nanya tibau vat, bara unang yita washala kang, nanin ma timinu ida zazin Kutelle unuzu bite.
dia hanan-karena amin’ ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin’ ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’ Andriamanitra.
12 Bara uyiru katwa kane, na uzursuari cas ba nin nimung suu nanayinu sa uyenu. Tutun nani ima kpinu katwa zazunu Kutelle.
Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon’ ny olona masìna ihany, fa mahabe ny fisaoran’ ny maro an’ Andriamanitra koa,
13 Bara ina malin yainnu nanya katwa kane ina mali yti Kutelle gongon nanya ntoltimu nati nbucu mine katwa nanya Krist, nin washalang mine udu kiti mine vat.
satria ny fizahan-toetra anareo amin’ izany fanompoana izany no ankalazany an’ Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran’ i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin’ ny fiantrana ho azy sy ho an’ ny olona rehetra;
14 Idinin su mine kan, inani din su minu nlira bara anigh, idin suu nanin baraq ubolu mikan Kutelle na mi di kitimine.
ary amin’ ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben’ ny fahasoavan’ Andriamanitra aminareo.
15 Ugodo uduua kiti Kutelle n bara ufilu me midiya
Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.

< 2 Ukorintiyawa 9 >