< 2 Ukorintiyawa 3 >

1 Ticizin uru nati bite tutunggha? Nati nin su nimung iyartinu runani udu kiti mine sa unuzu kiti bit ba nafo among anit ti nin suwe?
Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
2 Anun ati mine uyertinari uru nati bite ma uyertinari nanya nibinai bite tiyiru nin yenju nanit vat
Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin’ ny olona rehetra;
3 Inanin duru anughere iyertinu unuzu Krist, natinan, na ma yertin nin nimonye ba bara nanin nin fep milau Kutelle unan la, na kite ne natala ba bara nanya nibinai nanit.
eny, aseho ho epistilin’ i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ ny ranomainty anefa, fa tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy teo amin’ izay tena vato fisaka, fa teo amin’ izay vato fisaka nofo, dia ny fo.
4 Ulele re taa nari tidimun kibinai likara kite nen Kutelle nanya Kristi.
Ary manana izany fahatokiana izany ny amin’ Andriamanitra izahay amin’ ny alalan’ i Kristy.
5 Na bara arikin mbatin ba nin nati bite, tida nimomong unuzu kiti bit b, bara nani indart biti Kutelleri.
Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’ inona na amin’ inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’ Andriamanitra,
6 Ame ule na ada nanarin tibatina acinme nalikawali apese ni nanya niyart ba nani nanya ife. bara iyerte din mols, nan wan infep milau din nizu ulai,
Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’ izay fanekena vaovao, nefa tsy amin’ ny soratra, fa amin’ ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
7 Nene wase katua ukul ka na sau nin niyyart kitene natalla wa daming liruu nkanang na anitin Israaila wa yenje Musaku mmuro me bara liruu nkanang mmurome, mongo na mina wulu dedei.
Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin’ ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak’ Isiraely tsy nahabanjina ny tavan’ i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,
8 Na katwa nkanang fep katin lane ba ning gegeme ba?
tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban’ ny Fanahy?
9 nani katwa nca ukule3e nwa cau nani kanang in gbardan!
Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
10 Bara tutung ule na i a dak nin kanan, na iduu nin kanang mone nanya kikane ba, bara na moo nkananghe katin minin.
Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin’ izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.
11 na ile na idinin nkanang na midin katiz, ile na ina son sa liging ma yitu iyizi!
Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
12 Bar na tidinin nayi akon, nadinin fiu ba.
Koa amin’ izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
13 Na nafo Muse ule na a wa tursu umuro me nin lisa, bara na anit Israila wa yene ugongon nkanang umuro me na midin malusu ba.
ary tsy tahaka an’ i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ ny Zanak’ Isiraely ny faran’ izay nihalevona;
14 Baranani nibinai mine wa turdu, nin dak kitimone kjesi kune duu ketene yenju ni yerta nalikawali akus na isa puno b, bara na nanya Kristiari cas ia sa i kala mung.
fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ ny fanekena taloha, satria ao amin’ i Kristy ihany no anesorana izany.
15 Bara nanin udak kitimon, awadin yenju niyert Mus, kuyasi kune duu nibinai mine.
Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin’ i Mosesy.
16 Bara unit nwa kpilu kitin Nci, kujase kone ba kalu kalu kidowo.
Kanefa raha miverina amin’ ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
17 Nene ufere mfipppe. A kuca na mfippin ncife duku asu ubalino.
Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ ny Fanahin’ ny Tompo no itoeran’ ny fahafahana.
18 Nene vat bite, na upuno nara timuro bite tedin yenju nkanan Ncif, idin sakizu nari udu nkanang mirume unuzu mon nkanan udu minu bu, nafo na moone nuzu kitin Cifere na amere nfipe.
Fa isika rehetra kosa amin’ ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ ny voninahitra ka ho amin’ ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy.

< 2 Ukorintiyawa 3 >