< 2 Ukorintiyawa 12 >

1 Dole in foo figir, bara nani na mma se imong ku b, bara nani unuzu ina tiubun namoro nin belu nanya unuzun Cikilari.
Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran’ ny Tompo aho.
2 Inyiru unit nanya Kristi nanya na kus tkure min nanase na ana kata sa nanya kidawo sa indas kidaw, nan meng yiru ba Kutelle yiru iwa yanghe udu nanya kitime kin taat.
Mahalala olona anankiray ao amin’ i Kristy aho, tokony ho efatra ambin’ ny folo taona lasa izay ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ― ilay anankiray dia nakarina ho any amin’ ny lanitra fahatelo.
3 Tutung inyiru umong unit sa naya kidawo sa indas kidawo, na meng yiru ba Kutelle yiru.
Ary mahalala ilay olona anankiray aho ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ―
4 ulena iwa yonghe udu kitene ule na awa di nin imong ilau kang na umon wasa a benle ba.
fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain’ olona.
5 Kitenen leli unitere men ma foo figiri. Bara na nma foo figiri nin litinin ba se dei bara lidarni ning.
Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin’ ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin’ ny fahalemena ihany.
6 Andi indinin su in foo figiri. nan ma suo ulalan ba, bara idin belu kidegenere. Bara nani ima cinu ufoo figiri nanumon ba kpilizinu litinighe gbardan, na nafo idin yenju sa idin lanzuyi ba.
Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko.
7 Sa bara na mgbardan inda ciu mbele. Baranani na mma fiwu aba da nin fiwu liti ba i wa tiyifimat kidowo, kadura nnuzu shidtan idak ida firume, bara nwa foo figiri kang.
Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ ny nofo, dia irak’ i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.
8 Njun tat ina foo acara nin kiti Kutelle akalai mung ile imone nanya nin
Izany no nangatahako intelo tamin’ ny Tompo, mba hialan’ izany amiko.
9 Amini na beli “ubolu nin batin fi” Bara na likara din kue naanya lidarne” too mma kpinu ufoo figiri nanya nanya lidarni ning bara likaara Kristin soo kitene ning
Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko.
10 Bara nani ubatine bara Krist, nanya lidarni, nanya nitop nnya nniy, nanya tinana nayii, nanya nkunekun, bara nani vat kubi kone diri likar, asa nta agang.
Koa dia finaritra aho amin’ ny fahalemena, amin’ ny fampahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fanenjehana, amin’ ny fahantrana, noho ny amin’ i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
11 In nasoo ulalan! anunghere natiy, bara anunghere wa ruyi, bara na nwa di ko cun kadas nang nadidiya nansn kadura ba barana mmen imonghari ba
Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.
12 Kidegen nalap nan kadura wadi kiti mine nin nayashau vat, alap nin nalajibi nin nitwa ni didiya.
Ny famantarana mah’ Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin’ ny faharetana rehetra, tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe.
13 Bara na anung wadi iyiziari sa uanpani nafo nzisin natii alauw, bara na uwa so minu kutura ba? shawang ninmile utanue!
Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin’ izany fahadisoana izany.
14 Yeneng! Mba dak minu tutung unta, na ima lawu minu kutura ba bara na idinin su ni mong mine ba anunghere ndi nin suw. Nanono ba cisu bara acife ba bara nani acifari ba cisu bara n nono.
Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ ny zanany.
15 Nna yitu nin nayi abo kang in wultun bara anunghe uwa biiu usumine kang, ita usu ninghe baata?
Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon’ ny fitiavako anareo aza no fihenan’ ny fitiavanareo ahy.
16 Bara na udi nani, nanan ti minu kutura nati ba. Bara na meng di jinjin, mere na fo minu nin kinu.
Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin’ ny fihendrena.
17 In wa di kitene mine na uwa tuu umong udak kiti mine.
Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?
18 Iwa ti Titus ku adak kiti mine inin tuu kani gwane ninghe, Titus se wa di kitene mine? Na tiwa cinu libau lirumme baa? Na tiwa cinuu nin niti nirume ba?
Nangataka an’ i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay?
19 Idin cisu kokube tidin sesu atibite kiti mine? Nbun Kutelle tidin nin Kristi mbelu vat nimon bara uke minere.
Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
20 Idin cun fiu nwa dak nan mase minu nafo na idinin suwe, Na anung wang masai nafo na idinin suwe ba, au ti wase mayardang inshina nayi usu liti kubellum, ufoo figiri nin salin caunu.
Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, ―
21 Indin lanzu fiu nwa kpilin, Kutelle nighe uruu nighe kiti mine, mma nin gilu bara mgbardan mine naina malu ti kulapi nin burnu na inin na pizeru usunu nsalin lau nin nuzu nin na wani a hem nin su nimong nyi na iwadi isuzu ba.
eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin’ ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin’ ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.

< 2 Ukorintiyawa 12 >