< 1 Utasalonika 5 >

1 Nbelen na biri nin na kus, na ubelen woru i nyertin minu imomon diba.
Fa ny amin’ ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
2 Anun atimine yiru chaut lirin Chikilari nofo ukiri nin kitik.
satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo.
3 Asa iworo, “Mmang nin taup,” umolsu ba dak nani. Nnafo uwan nmaru na asa alanza ukonu. Na nnere na iba nyeshu nu ba.
Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
4 Anun linuana, na idi nyan nsirt ba bari lo lire wa tuu minu nofo ukiri.
Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
5 Bara anun vat nonon nkanangari nin nnonon lirin. Na arik nono kiti kari ba sa nonon sirt.
Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika.
6 Bara nani, na tiwa sun mmoro nofo nigisine ba na ti yenje kiti tikpilza kidung.
Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
7 Alenge na idin moro idin su nin kitikari, alenge tutung na idin soh idin su nin kitikari.
Fa izay matory dia matory amin’ ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ ny alina.
8 Bara na arik nono liri gnari, na ti kpilza kidung. Na ti shon kuyangi kidegen nin suu, a, kitik, kidegen tuchu uchin dak.
Fa satria an’ ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
9 Na Kutelle na che na bara tinana nayi mere ba, bara usen tuchu nyan Cikilari Yesu Kristi.
Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
10 Ulenge na aku bara arik, Sa tidin yenju kiti sa ti din moro, ti so ligowe nin ghe.
Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11 Bara nanitan linuana nofo na ina man su.
Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
12 Ti din belu minu, linuana, yinnan nin na lenge na ina su kataah nyan mine nin nalenge na itaa minu akara.
Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo,
13 Tikuru tibelin minu minon nani kang nyan suu bara kataah mine. Son mang nya mine.
ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
14 Ti din ti minu akara, linuana: ale na isosin sa ukpadu wunon nani atuf, ale na nibinei mine kete ita nani akara nibinei, wutun kimal na le na idi gugur, nonkon nibinei.
Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra.
15 Yenje umon wa kurtung imon inan zan nin ni nanzang udu kitin mong. Tenzinen nimon ichine udu linuana nin vat.
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra.
16 Suun liburi libo-o kolome liri.
Mifalia mandrakariva.
17 Suun nlira sa ligang.
Mivavaha, ka aza mitsahatra.
18 Nya nimon vat nan ugodo. Bara ulelere usu Kutelle nyan Kristi Yesu bara anun.
Misaora amin’ ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho anareo.
19 Yenje uwa bicho Ufunu.
Aza mamono ny Fanahy.
20 Yenje uwa nari ni dura.
Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
21 Dumuna imon vat. Mino ile imon a ichineari.
Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
22 Chino vat nimon inanzan.
Fadio ny fanao ratsy rehetra.
23 Na Kutelle mmang litime akusu fi vat, ulai nin kidowo fe so sa ndinon udak Ncikilari Yesu Kristi.
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
24 Unan kidegen ame ulenge na adin yichu fi, ulenge na aba su.
Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
25 Linuana, sun nlira bara arik.
Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
26 Lison linuana vat nin lulu na kpan nnuu ulau.
Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin’ ny fanorohana masìna.
27 Ndin for achara nyan Cikilari nworu ikaranta iyert ilele udu linuana vat.
Mampianiana anareo amin’ ny Tompo aho mba hovakina amin’ ny rahalahy rehetra ity epistily ity.
28 Na nshew Cikilari bite Yesu Kristi so nan ghinu anun.
Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.

< 1 Utasalonika 5 >