< 1 Bitrus 4 >

1 Bara na Kristi na neo nan nya kidowo, nanere anung wang teren nibinai bara uniu uremme, vat nle na ana neo nan nya kidowo ana surto nan nya kulapi.
Koa satria niaritra tamin’ ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ ny nofo dia efa afaka tamin’ ny ny ota;
2 Na unit une do nin lissosin nan nya ntok kidowo ba, ama na nya nsu Kutelle bara ngisin nayiri nlau me.
mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ ny nofo araka ny filan’ ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’ Andriamanitra.
3 Bara kubi na kata Alumai gbardang nworu isu imon ile na ina di nin sun sue, upiziru nawani sa nanilime uhem, kuma niyizi, uso nadadu, avu ananzang, nin son toro, a udortun ncil.
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ ny jentilisa tamin’ ny nandehanana tamin’ ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
4 Iwa kpiliza id imon ipesse na anung din su ile imone nan ghinu ba, inam wa su uliru unanzang nati mine
ary amin’ izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’ izany fanaranam-po amin’ ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
5 ko gha ma batuzu imon ile na asu kiti nle na ama su ushara nanan lai nin na nan kul.
nefa hampamoahin’ ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
6 Bara ile imonere iwa su uwaze kiti nale na ina kuzu, ina su ina malu isu nani ushara nan nya nidowo mine nafo anit, inan su lissosin nafo usu Nruhu Kutelle.
Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin’ ny nofo izy fa ho velona araka an’ Andriamanitra amin’ ny fanahy.
7 Imalin nimone vat din cinu. Bara nani nonko ibinai mine, sun ukpiluzu mine nin nibinai nisheu bara nlira mine.
Fa antomotra ny faran’ ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ ny fivavahana.
8 A imon dutu vat, yitan nin su ugip kiti linuawana vat, bara na usu di nin su u yinin a lapi namong ba.
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa “ny fitiavana manarona fahotana maro”
9 Yitan nin su nsesu namara nan nya mine na nin kugbullu ba.
Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
10 Nafo na ko uyeme mine na seru ufillu, sun katwa mun nan nya nati mine, nafo a wakilai Kutelle acine na ina seru ufillu ngangang gbardang kiti Kutelle.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.
11 Andi umong nsu uliru na uso nafo agbulang nliru Kutelle; andi umong din su katwa, na asu nafo nin likara na Kutelleri din nizu, bara nan nya nimon vat, na Kutelle se ngongong unuzu Yesu Kristi. Ngongong nin likara di unme vat sa ligan. Uso nani. (aiōn g165)
Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’ Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’ Andriamanitra azy; mba hankalazana an’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena, (aiōn g165)
12 Anan su nayi ning, na iwa yene imon fiuwari imusun nle uniu ukan ghe na udi kiti mine bara udumun minuari nafo imomon inanzaghari na se minu.
Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
13 Nafo na ligan gbardang in yinnu nniu in Kristife di, su liburi libo, bara inan su liburi libo nin nayi abo nan nya in yenu ngongong me.
fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’ i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ ny fisehoan’ ny voninahiny koa.
14 Asa izogo fi bara lissan Kristi, udi nin mari, bara Uruhu ngogong nin Nruhu Kutelle sossin litife.
Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’ i Kristy, fa ny Fanahin’ ny voninahitra, dia ny Fanahin’ Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
15 Na umong mine nwa neo nafo unan molsu nanit ba.
Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’ olona.
16 Vat nani, asa umong mine din niu nafo unan dortu Kutelle, na awa lanza ncin ba, ama na ati Kutelle gongong nan nya lisa me.
Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’ Andriamanitra amin’ izany anarana izany izy.
17 Bara kubi nda na ushara ma cizunu nan nya Kilari Kutelle. Iwa din woru ucizina nin ghiruk, iyaghari ma yitu liyissin na lenge na idi nin yinnu nin liru Kutelle ba?
Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’ izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?
18 Andi fa unan katwa kacine mase utucu bara uniuwari, iyaghari ma yiti liyissin nnan sali fiue Kutelle nin nan kulapi?
Ary “raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota?”.
19 Bara nani na alenge na idin niu nafo usu Kutelle ni tilai mine kiti nnan makeke ugegeme ai yita non nimon icine.
Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’ Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’ ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.

< 1 Bitrus 4 >