< Romakëve 2 >

1 Prandaj, o njeri, cilido të jesh ti që e gjykon, je i pafalshëm sepse në këtë që gjykon tjetrin, dënon vetveten, sepse ti që gjykon bën të njëjtat gjëra.
Koa amin’ izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
2 Por ne e dimë se gjykimi i Perëndisë është sipas së vërtetës mbi ata që bëjnë gjëra të tilla.
Nefa fantatsika fa ny fitsaran’ Andriamanitra dia araka ny marina amin’ izay manao toy izany.
3 Dhe mendon, vallë, o njeri që gjykon ata që bëjnë të tilla gjëra që edhe ti i bën, t’i shpëtosh gjykimit të Perëndisë?
Ary ianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’ Andriamanitra ianao?
4 Apo i përçmon pasuritë e mirësisë së tij, të durimit dhe zemërgjerësisë së tij, duke mos njohur që mirësia e Perëndisë të prin në pendim?
Sa hamavoinao ny haren’ ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
5 Por ti, për shkak të ashpërsisë sate dhe të zemrës së papenduar, po mbledh për veten tënde zemërim për ditën e zemërimit dhe të zbulesës së gjykimit të drejtë të Perëndisë,
Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin’ ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’ Andriamanitra,
6 që do ta shpaguajë secilin sipas veprave të tij:
Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
7 jetë të përjetshme atyre që kërkojnë lavdi, nder e pavdekësi, duke ngulmuar në veprat e mira; (aiōnios g166)
ho an’ izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; (aiōnios g166)
8 ndërsa atyre që kundërshtojnë e nuk i binden së vërtetës, por i binden padrejtësisë, indinjatë dhe zemërim.
fa ho an’ izay mitady ny ho an’ ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
9 Mundim dhe ankth mbi çdo shpirt njeriu që bën të ligën, Judeut më parë e pastaj Grekut;
eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ ny fanahin’ ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa;
10 por lavdi, nder e paqe cilitdo që bën të mirën, Judeut më parë e pastaj Grekut.
fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.
11 Sepse te Perëndia nuk ka anësi.
Fa tsy misy fizahan-tavan’ olona amin’ Andriamanitra.
12 Në fakt të gjithë ata që kanë mëkatuar pa ligjin, do të humbasin gjithashtu pa ligj; dhe të gjithë ata që kanë mëkatuar nën ligjin do të gjykohen sipas ligjit,
Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
13 sepse jo ata që dëgjojnë ligjin janë të drejtë para Perëndisë, por ata që e zbatojnë ligjin do të shfajësohen.
Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’ Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
14 Në fakt kur johebrenjtë, që s’kanë ligjin, nga natyra bëjnë punët e ligjit, ata, megjithëse s’kanë ligjin, janë ligj për vetveten;
fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
15 këta tregojnë veprën e ligjit të shkruar në zemrat e tyre për dëshminë që jep ndërgjegja e tyre, dhe sepse mendimet e tyre shfajësojnë ose edhe akuzojnë njëri-tjetrin,
fa ireo maneho ny asan’ ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza, ―
16 ditën në të cilën Perëndia do të gjykojë të fshehtat e njerëzve me anë të Jezu Krishtit, sipas ungjillit tim.
amin’ ny andro izay hitsaran’ Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ ny olona, araka ny filazantsarako amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
17 Ja, ti quhesh Jude, bazohesh mbi ligjin dhe lëvdohesh në Perëndinë,
Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin’ ny lalàna sy manao an’ Andriamanitra ho reharehanao
18 njeh vullnetin e tij dhe dallon gjërat e rëndësishme, duke qenë i mësuar prej ligjit,
ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra, satria efa nampianarina ny lalàna ianao
19 dhe je i bindur se je prijësi i të verbërve, drita e atyre që janë në errësirë,
ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ ny maizina,
20 udhëzues i të marrëve, mësues i të miturve, sepse ke formën e njohurisë dhe të së vërtetës në ligj.
mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
21 Ti, pra, që mëson të tjerët, nuk mëson veten? Ti që predikon se nuk duhet vjedhur, vjedh?
ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
22 Ti që thua se nuk duhet shkelur kurora, shkel kurorën? Ti që ke neveri për idhujt, pse i plaçkit tempujt?
Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
23 Ti që lëvdohesh me ligjin, e çnderon Perëndinë duke e shkelur ligjin?
Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’ Andriamanitra ihany va ianao amin’ ny andikanao ny lalàna?
24 Në fakt, siç është shkruar: “Për shkakun tuaj, emri i Perëndisë blasfemohet ndër johebrenj”.
Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra any amin’ ny jentilisa.
25 Sepse rrethprerja është e dobishme në qoftë se ti respekton ligjin, por në qoftë se je shkelës i ligjit, rrethprerja jote bëhet mosrrethprerje.
Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
26 Prandaj në qoftë se një i parrethprerë respekton statutet e ligjit, a nuk do të çmohet parrethprerja e tij si rrethprerje?
Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?
27 Dhe, në qoftë se ai që prej natyrës është i parrethprerë e plotëson ligjin, a nuk do të të gjykojë ai ty që me shkronjën dhe me rrethprerjen je shkelës i ligjit?
Ary tsy hohelohin’ ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
28 Në fakt Jude nuk është ai që duket i tillë nga jashtë, dhe rrethprerja nuk është ajo që duket në mish;
Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ ny nofo no famorana;
29 por Jude është ai që është i tillë përbrenda, dhe rrethprerja është ajo e zemrës, në frymë dhe jo në shkronjë; dhe për një Jude të tillë lavdërimi nuk buron nga njerëzit, por nga Perëndia.
fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ ny fo, amin’ ny fanahy, fa tsy amin’ ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ ny olona, fa avy amin’ Andriamanitra.

< Romakëve 2 >