< ۋەھىي 21 >

ئاندىن، يېڭى ئاسمان ۋە يېڭى زېمىننى كۆردۈم؛ چۈنكى بۇرۇنقى ئاسمان ۋە زېمىن ئۆتۈپ كەتكەنىدى، دېڭىزمۇ مەۋجۇت بولمىدى. 1
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
مۇقەددەس شەھەرنىڭ، يەنى خۇدادىن چىققان، خۇددى ئۆز يىگىتىگە توي پەردازلىرىنى قىلىپ ھازىرلانغان قىزدەك يېڭى يېرۇسالېمنىڭ ئەرشتىن چۈشۈۋاتقانلىقنى كۆردۈم. 2
Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masìna, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’ Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ ny vadiny.
ئەرشتىن يۇقىرى كۆتۈرۈلگەن بىر ئاۋازنىڭ مۇنداق دېگەنلىكىنى ئاڭلىدىم: «مانا، خۇدانىڭ ماكانى ئىنسانلارنىڭ ئارىسىدىدۇر؛ ئۇ ئۇلار بىلەن بىللە ماكانلىشىپ تۇرىدۇ، ئۇلار ئۇنىڭ خەلقى بولىدۇ. خۇدا ئۆزىمۇ ئۇلار بىلەن بىللە تۇرۇپ، ئۇلارنىڭ خۇداسى بولىدۇ. 3
Ary nahare feo mahery avy teo amin’ ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’ Andriamanitra dia eo amin’ ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.
ئۇ ئۇلارنىڭ كۆزلىرىدىكى ھەر تامچە ياشنى سۈرتىدۇ؛ ئەمدى ئۆلۈم ئەسلا بولمايدۇ، نە ماتەم، نە يىغا-زار، نە قايغۇ-ئەلەم بولمايدۇ، چۈنكى بۇرۇنقى ئىشلار ئۆتۈپ كەتتى». 4
Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
تەختتە ئولتۇرغۇچى: ــ مانا، ھەممىنى يېڭى قىلىمەن! ــ دېدى. ئۇ ماڭا يەنە: بۇلارنى خاتىرىلىۋال! چۈنكى بۇ سۆزلەر ھەقىقىي ۋە ئىشەنچلىكتۇر، ــ دېدى. 5
Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.
ئۇ يەنە ماڭا مۇنداق دېدى: ــ «ئىش تامام بولدى! مەن «ئالفا» ۋە «ئومېگا»دۇرمەن، مۇقەددىمە ۋە خاتىمە ئۆزۈمدۇرمەن. ئۇسسىغان ھەركىمگە ھاياتلىق سۈيىنىڭ بۇلىقىدىن ھەقسىز بېرىمەن. 6
Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina ho an’ izay mangetaheta.
غەلىبە قىلغۇچى ھەركىم بۇلارغا مىراسخورلۇق قىلىدۇ؛ مەن ئۇنىڭ خۇداسى بولىمەن، ئۇمۇ مېنىڭ ئوغلۇم بولىدۇ. 7
Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
لېكىن قورقۇنچاقلار، ئېتىقادسىزلار، يىرگىنچلىكلەر، قاتىللار، بۇزۇقلۇق قىلغۇچىلار، سېھىرگەرلەر، بۇتپەرەسلەر ۋە بارلىق يالغانچىلارغا بولسا، ئۇلارنىڭ قىسمىتى ئوت بىلەن گۈڭگۈرت يېنىپ تۇرۇۋاتقان كۆلدۇر ــ بۇ بولسا ئىككىنچى ئۆلۈمدۇر». (Limnē Pyr g3041 g4442) 8
Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. (Limnē Pyr g3041 g4442)
ئاخىرقى يەتتە بالايىئاپەت بىلەن تولغان يەتتە چىنىنى تۇتقان يەتتە پەرىشتىدىن بىرى كېلىپ، ماڭا سۆزلەپ: ــ كەل! ساڭا قوزىنىڭ جورىسى بولىدىغان قىزنى كۆرسىتىپ قوياي، ــ دېدى. 9
Ary tonga ny anankiray tamin’ ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra ny loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia etỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ ny Zanak’ ondry.
ئاندىن ئۇ مېنى روھنىڭ ئىلكىدە بولغان ھالدا يوغان ۋە ئېگىز بىر تاغقا ئېلىپ قويدى. ئۇ يەردىن ماڭا خۇدادىن چىققان مۇقەددەس شەھەر يېرۇسالېمنىڭ ئەرشتىن چۈشۈۋاتقانلىقىنى كۆرسەتتى. 10
Ary nitondra ahy tamin’ ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masìna, dia Jerosalema, midìna avy tamin’ Andriamanitra any an-danitra,
ئۇنىڭدا خۇدانىڭ شان-شەرىپى بار ئىدى، ئۇنىڭ جۇلاسى ئىنتايىن قىممەتلىك گۆھەرنىڭ، يېشىل ياقۇتتەك يالتىرىغان خرۇستالنىڭ جۇلاسىغا ئوخشايتتى. 11
sady manana ny voninahitr’ Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly;
ئۇنىڭ چوڭ ھەم ئېگىز سېپىلى بار ئىدى؛ سېپىلنىڭ ئون ئىككى دەرۋازىسى بولۇپ، دەرۋازىلاردا ئون ئىككى پەرىشتە تۇراتتى. ھەربىر دەرۋازىنىڭ ئۈستىگە ئىسرائىللارنىڭ ئون ئىككى قەبىلىسىدىن بىرىنىڭ ئىسمى يېزىلغانىدى. 12
ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ ny folo izy, ary eo amin’ ny vavahady dia misy anjely roa ambin’ ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ ny firenena roa ambin’ ny folo amin’ ny Zanak’ isiraely;
مەشرىق تەرىپىدە ئۈچ دەرۋازا، شىمال تەرىپىدە ئۈچ دەرۋازا، جەنۇب تەرىپىدە ئۈچ دەرۋازا ۋە مەغرىپ تەرىپىدە ئۈچ دەرۋازا بار ئىدى. 13
eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo.
شەھەرنىڭ سېپىلىنىڭ ئون ئىككى ئۇل تېشى بولۇپ، ئۇلارنىڭ ئۈستىگە ئون ئىككى ئىسىم، يەنى قوزىنىڭ روسۇلىنىڭ ئىسىملىرى پۈتۈكلۈكتۇر. 14
Ary ny màndan’ ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin’ ny folo, ary misy anarana roa ambin’ ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin’ ny folon’ ny Zanak’ ondry.
ماڭا سۆز قىلغان پەرىشتىنىڭ قولىدا شەھەرنى، ئۇنىڭ دەرۋازىلىرى ۋە ئۇنىڭ سېپىلىنى ئۆلچەيدىغان ئالتۇن قومۇش ئۆلچىگۈچ ھاسا بار ئىدى. 15
Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.
شەھەر تۆت چاسا بولۇپ، ئۇزۇنلۇقى بىلەن كەڭلىكى ئوخشاش ئىدى. پەرىشتە شەھەرنى ھاسا بىلەن ئۆلچىدى ــ ئون ئىككى مىڭ ستادىيون كەلدى (ئۇزۇنلۇقى، كەڭلىكى ۋە ئېگىزلىكى تەڭدۇر). 16
Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin’ ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.
ئۇ سېپىلنىمۇ ئۆلچىدى. سېپىلنىڭ [قېلىنلىقى] ئىنسانلارنىڭ ئۆلچەم بىرلىكى بويىچە، يەنى شۇ پەرىشتىنىڭ ئۆلچىمى بويىچە بىر يۈز قىرىق تۆت جەينەك كەلدى. 17
Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin’ ny olona, dia ny an’ ny anjely.
سېپىلنىڭ قۇرۇلۇشى بولسا يېشىل ياقۇتتىن، شەھەر ئەينەكتەك سۈزۈك ساپ ئالتۇندىن بىنا قىلىنغانىدى. 18
Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio.
شەھەر سېپىلىنىڭ ئۇللىرى ھەرخىل قىممەتلىك ياقۇتلار بىلەن بېزەلگەنىدى. بىرىنچى ئۇل تاش يېشىل ياقۇت، ئىككىنچىسى كۆك ياقۇت، ئۈچىنچىسى ھېقىق، تۆتىنچىسى زۇمرەت، 19
Ary ny fanorenan’ ny màndan’ ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,
بەشىنچىسى قىزىل ھېقىق، ئالتىنچىسى قىزىل قاشتاش، يەتتىنچىسى سېرىق كۋارتس، سەككىزىنچىسى سۇس يېشىل ياقۇت، توققۇزىنچىسى توپاز، ئونىنچىسى يېشىل كۋارتس، ئون بىرىنچىسى سۆسۈن ياقۇت ۋە ئون ئىككىنچىسى پىروزا ئىدى. 20
ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin’ ny folo hyakinta, ny faharoa ambin’ ny folo ametysta.
ئون ئىككى دەرۋازا ئون ئىككى مەرۋايىت ئىدى، دېمەك دەرۋازىلارنىڭ ھەربىرى بىردىن مەرۋايىتتىن ياسالغانىدى. شەھەرنىڭ غول يولى ئەينەكتەك سۈزۈك ساپ ئالتۇندىن ئىدى. 21
Ary ny vavahady roa ambin’ ny folo dia perila roa ambin’ ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
شەھەردە ھېچقانداق ئىبادەتخانا كۆرمىدىم، چۈنكى ھەممىگە قادىر پەرۋەردىگار خۇدا ۋە قوزا ئۇنىڭ ئىبادەتخانىسىدۇر. 22
Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ ondry no tempoliny.
شەھەرنىڭ يورۇتۇلۇشى ئۈچۈن قۇياشقا ياكى ئايغا موھتاج ئەمەس، چۈنكى خۇدانىڭ شان-شەرىپى ئۇنى يورۇتقانىدى، ئۇنىڭ چىرىغى بولسا قوزىدۇر. 23
Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’ Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak’ ondry no fanazavana azy.
ئەللەر شەھەردىكى يورۇقلۇقتا يۈرىدۇ؛ يەر يۈزىدىكى پادىشاھلار شانۇشەۋكىتىنى ئۇنىڭ ئىچىگە ئېلىپ كېلىدۇ. 24
Ary ny firenena maro no handeha amin’ ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.
ئۇنىڭ دەرۋازىلىرى كۈندۈزدە ھەرگىز تاقالمايدۇ (ئەمەلىيەتتە ئۇ يەردە كېچە زادى بولمايدۇ). 25
Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin’ ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).
ھەرقايسى ئەللەرنىڭ شانۇشەۋكىتى ۋە ھۆرمەت-ئىززىتى ئۇنىڭ ئىچىگە ئېلىپ كېلىنىدۇ. 26
Ary ny voninahitra sy ny hajan’ ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.
ھەرقانداق ھارام نەرسە ۋە ھەرقانداق يىرگىنچلىك ئىشلارنى قىلغۇچى ياكى يالغانچىلىق قىلغۇچى ئۇنىڭغا كىرەلمەيدۇ؛ پەقەت نامى قوزىنىڭ ھاياتلىق دەپتىرىدە يېزىلغانلارلا كىرەلەيدۇ. 27
Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masìna, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ ny bokin’ ny fiainana izay an’ ny Zanak’ ondry ihany.

< ۋەھىي 21 >