< Псалми 67 >

1 Для дириґента хору. На струнних знаряддях. Псалом. Пісня. Нехай Бог помилує нас, і хай поблагосло́вить, хай засяє над нами обличчям Своїм, (Се́ла)
Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; (Sela) hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
2 щоб пізнати дорогу Твою на землі, посеред наро́дів усіх — спасі́ння Твоє!
Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.
3 Хай Тебе вихваля́ють наро́ди, о Боже, хай сла́влять Тебе всі наро́ди!
Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
4 Нехай веселя́ться й співають племе́на, бо Ти правдою су́диш наро́ди й племе́на ведеш на землі! (Се́ла)
Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. (Sela)
5 Хай Тебе вихваля́ють наро́ди, о Боже, хай сла́влять Тебе всі наро́ди!
Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
6 Земля врожай свій дала́, — Бог поблагослови́в нас, наш Бог!
Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
7 Нехай благословля́є нас Бог, і всі кі́нці землі хай бояться Його!
Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

< Псалми 67 >