< Псалми 26 >

1 Давидів.
Nataon’ i Davida.
2 Перевір мене, Господи, і ви́пробуй мене, перетопи́ мої ни́рки та серце моє,
Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
3 бо перед очима моїми Твоє милосердя, і в правді Твоїй я ходив.
Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ ny masoko; ary mandeha amin’ ny fahamarinanao aho.
4 Не сидів я з людьми́ неправдивими, і не бу́ду ходити з лукавими,
Tsy mba miara-mipetraka amin’ ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ ny olom-petsy.
5 я громаду злочи́нців знена́видів, і з грішниками я сидіти не буду.
Halako ny fiangonan’ ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ ny ratsy fanahy aho.
6 Умию в неви́нності руки свої, й обійду́ Твого, Господи, же́ртівника,
Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin’ ny alitaranao, Jehovah ô,
7 щоб хвалу́ Тобі го́лосно ви́голосити, та звісти́ти про всі чу́да Твої.
Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
8 Господи, — полюбив я оселю дому Твого́, і місце перебува́ння слави Твоєї.
Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ ny voninahitrao.
9 Не губи Ти моєї душі з нечестивими, та мого життя з кровоже́рами,
Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ ny mpanota, na ny aiko amin’ ny mpandatsa-drà,
10 що в руках їх злоді́йство, що їхня прави́ця напо́внена пі́дкупом.
Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
11 А я бу́ду ходити в своїй непоро́чності, — визволь мене та помилуй мене!
Fa izaho kosa dia mandeha amin’ ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.
12 Нога моя стала на рівному місці, — на збо́рах я благословля́тиму Господа!
Ny tongotro mijoro eo amin’ ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an’ i Jehovah.

< Псалми 26 >