< Псалми 16 >

1 Золота пісня Дави́дова.
Miktama nataon’ i Davida.
2 Я сказав Господе́ві: „Ти Бог мій і — добро моє тільки в Тобі!“
Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
3 До святих, які на землі, що шляхе́тні вони, — до них все жада́ння моє!
Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra.
4 Нехай мно́жаться сму́тки для тих, хто набув собі інших богів, — я не буду прино́сить їм ли́вної жертви із крови, і їхніх іме́н не носитиму в устах своїх!
Ho be ny fahorian’ izay manova an’ Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin’ ny molotro ny anarany.
5 Господь — то частина спа́дку мого та чаші моєї, Ти долю мою підпира́єш!
Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
6 Ча́стки припали для мене в хороших місцях, і гарна для мене спа́дщина моя!
Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
7 Благословляю я Господа, що радить мені, на́віть ноча́ми навчають мене мої ни́рки.
Hisaotra an’ i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.
8 Уявляю я Господа перед собою постійно, бо Він по правиці моїй, — й я не буду захитаний!
Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
9 Через те моє серце радіє та дух весели́ться, — і тіло моє спочиває безпечно!
Izany no ifalian’ ny foko sy iravoravoan’ ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.
10 Бо Ти не опу́стиш моєї душі до шео́лу, не попу́стиш Своєму святому побачити тлі́ння! (Sheol h7585)
Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ ny lavaka Hianao. (Sheol h7585)
11 Дорогу життя Ти покажеш мені: радість велика з Тобою, за́вжди блаженство в прави́ці Твоїй!
Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.

< Псалми 16 >