< Єремія 17 >

1 Гріх Юдин напи́саний ри́льцем залізним, діяма́нтовим ві́стрям він ви́ритий на табли́ці їхнього серця, і на ро́гах жерто́вників їхніх.
Ny fahotan’ ny Joda dia voasoratra tamin’ ny fanoratana sy tamin’ ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin’ ny vato fisaka sy eo amin’ ny tandroky ny alitarany izany,
2 Як про синів своїх, так пам'ятають про жерто́вники свої та своїх Аше́р при зеленому де́реві, на високих підгі́рках,
Dia amin’ izay hahatsiarovan’ ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin’ ny hazo maitso, ambonin’ ny havoana andrandraina.
3 про го́ру на полі. Багатство твоє й твої ска́рби на здо́бич віддам, пагірки жерто́вні твої — за гріх по всіляких границях твоїх.
Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin’ ny faritaninao rehetra.
4 І опустиш ти руку свою спа́дку свого, що Я дав був тобі. І вчиню́, що ти бу́деш служити своїм ворогам у тім кра́ї, якого не знаєш, бо огонь запали́ли ви в гніві Моїм, й аж навіки пала́тиме він!
Ary avy amin’ ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon’ ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.
5 Так говорить Господь: Прокля́тий той муж, що надію кладе́ на люди́ну, і робить раме́ном своїм слабу плоть, а від Господа серце його відступає!
Izao no lazain’ i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’ i Jehovah ny fony.
6 І він бу́де, як голий той кущ у степу́, і не побачить, щоб добре прийшло́, і він пробува́тиме в кра́ї сухому в пустині, у кра́ї солоному та незаме́шканому.
Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin’ ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin’ ny tany sira izay tsy onenana.
7 Благослове́нний той муж, що поклада́ється на Господа, що Господь — то надія його!
Hotahina izay olona matoky an’ i Jehovah, dia izay manana an’ i Jehovah ho tokiny.
8 І він бу́де, як дерево те, над водою поса́джене, що над пото́ком пускає корі́ння своє, і не боїться, як при́йде спеко́та, — і його листя зелене, і в році посу́хи не буде жури́тись, і не перестане прино́сити пло́ду!
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
9 Людське серце найлукавіше над все та невиго́йне, хто пізнає його?
Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?
10 Я Господь, що досліджує серце, що випробо́вує ни́рки, щоб кожному дати згідно з пу́ттю його, за пло́дом учи́нків його́.
Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
11 Куропа́тва виси́джує я́йця, яких не прине́сла, — це той, хто багатство набув, та неправдою: він покине його в половині днів своїх, і стане безу́мним при своєму кінці́.
Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ ny rariny: Handao azy amin’ ny an-tenatenan’ androny izany, ka ho adala no farany.
12 Трон слави, висо́кий від віку, — це місце нашої святині!
Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ ny voalohany ny fitoera-masintsika.
13 Надіє Ізраїлева, Господи, — посоро́млені будуть усі, хто Тебе залиша́є! Ті, що Мене покида́ють, на піску́ будуть списані, бо вони поки́нули Господа, джерело живої води.
Ry Jehovah, Fanantenan’ ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin’ ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an’ i Jehovah, loharano velona.
14 Уздоров мене, Господи, і буду вздоро́влений я, спаси Ти мене, і я буду спасе́ний, — бо Ти слава моя!
Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
15 Ось вони мені кажуть: „Де слово Господнє? Нехай воно при́йде!“
Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin’ i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.
16 А я не відтягавсь бути па́стирем в Тебе, не жада́в злого дня, Ти це знаєш, — що вихо́дило з уст моїх, те перед лицем Твоїм явне було́.
Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian’ ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin’ ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.
17 Не будь Ти для мене страхі́ттям, — на день зла Ти моє пристано́вище!
Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin’ ny andro fahoriana Hianao!
18 Бодай посоро́мились ті, хто мене переслі́дує, а я щоб не був посоро́млений, нехай побенте́жені бу́дуть вони, а я хай не буду збенте́жений, день злого на них наведи́ та зламай їх подві́йним злама́нням!
Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.
19 Так промовив до мене Господь: Іди, і станеш у брамі синів наро́ду, що юдські царі входять нею та нею виходять, та по всіх брамах Єрусалиму.
Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin’ ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan’ ny mpanjakan’ ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin’ ny vavahady rehetra eto Jerosalema
20 І скажеш до них: Послухайте слова Господнього, царі юдські й уся Юдеє, та всі ме́шканці Єрусалиму, що входите брамами тими.
ka lazao amin’ ny olona hoe: Henoinareo ny tenin’ i Jehovah ry mpanjakan’ ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto.
21 Так говорить Господь: Стережіться за ду́ші свої, і не носіть тягару́ за субо́тнього дня, і не носіть його бра́мами Єрусалиму.
Izao no lazain’ i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin’ ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema;
22 І не носіть тягару́ з домів ваших субо́тнього дня, і жо́дної праці робити не бу́дете, і день субо́тній освя́тите, як Я вашим батька́м наказав був!
ary aza mitondra entana mivoaka avy amin’ ny tranonareo amin’ ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.
23 Та вони не послухали, й вуха свого не схили́ли, і вчинили себе тугоши́їми, щоб не слухатися та не брати навча́ння.
Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.
24 I буде, якщо Мене справді ви бу́дете слу́хатись, — каже Господь, — щоб тягару́ не носити в брами міста цього́ за субо́тнього дня, і щоб освяти́ти день суботній, і щоб жодної праці в цей день не робити, —
Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin’ ny vavahadin’ ity tanàna ity amin’ ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin’ izany,
25 то ходи́тимуть бра́мами міста цього царі та князі́, що будуть сидіти на троні Давидовім, що їздити будуть колесни́цями й кі́ньми, вони й їхні прави́телі, юдеї та ме́шканці Єрусалиму, і це місто стоятиме вічно!
izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida dia hiditra amin’ ny vavahadin’ ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
26 І будуть прихо́дити з Ю́диних міст та з око́лиць Єрусалиму, і з кра́ю Веніяминового, і з рівни́ни, і з гір, і з пі́вдня, і цілопа́лення й жертви прино́сити бу́дуть, та жертву хлі́бну, і ла́дан, і будуть прино́сити жертву подяки до дому Господнього.
Ary ho avy ny olona avy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ny manodidina an’ i Jerosalema sy ny tanin’ ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
27 А якщо ви Мене не послу́хаєтесь, щоб святити день субо́тній і щоб тягару́ не носити, і щоб бра́мами Єрусалиму субо́тнього дня не ходити, то огонь підпалю́ в їхніх брамах, і він поїсть єрусалимські пала́ти, — і не пога́сне!
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasìna ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema ihany amin’ ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.

< Єремія 17 >