< Єремія 11 >

1 Слово, що було до Єремії від Господа, кажучи:
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:
2 „Послухайте слів заповіту оцьо́го, і будете їх говорити юдеям і ме́шканцям Єрусалиму,
Mihainoa ny tenin’ izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema,
3 і скажеш ти їм: Так говорить Господь, Бог Ізраїлів: Про́клята та люди́на, що не слухає слів заповіту цього́,
Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’ izao fanekena izao,
4 що його наказав був Я вашим батька́м того дня, коли їх виво́див із кра́ю єгипетського, із залізного го́рна, говорячи: Слухайтеся Мого голосу, і робіть усе те, що Я накажу́ вам, — і бу́дете ви народом Моїм, а Я бу́ду вам Богом,
Izay nandidiako ny razanareo tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
5 щоб Я ви́повнив при́сягу ту, якою Я вашим батька́м присяга́в дати їм Край, що тече молоком, як сьогодні! А я відповів та сказав: Амі́нь, Господи!
Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin’ ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’ izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!
6 І промовив до мене Госпо́дь: Виголо́шуй оці всі слова́ по юдейських міста́х та на вулицях Єрусалиму, говорячи: Слухайтесь слів заповіту цього́, і вико́нуйте їх!
Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan’ ny Joda sy any an-dalamben’ i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin’ izao fanekena izao, ka ankatoavy izy.
7 Бо направду засвідчив Я вашим батька́м того дня, як виводив їх з кра́ю єгипетського, і до сьогодні Я пильно засві́дчую, кажучи: Слу́хайтеся Мого голосу!
Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.
8 Та не слухали й не прихиляли вони свого вуха, і кожен ходив за упе́ртістю злі́сного серця свого. І Я спровадив на них усі слова заповіту цього, що Я наказав був робити, вони ж не робили.
Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin’ ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’ izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.
9 І промовив до мене Господь: Зна́йдений бунт між юдеями та між мешка́нцями Єрусалиму!
Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema.
10 Повернулись вони до гріхів своїх давніх батькі́в, що слухатися Моїх слів не хотіли, і пішли за бога́ми чужими, щоб їм служити. Дім Ізраїлів і дім Юдин зламали Мого заповіта, якого Я склав з їхніми батька́ми.
Fa izy niverina nankamin’ ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin’ ny razany.
11 Тому так промовляє Госпо́дь: Ось Я лихо на них наведу́, що вийти із нього не змо́жуть, і кли́кати бу́дуть до Мене, але не почую Я їх!
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
12 І пі́дуть юдейські міста́ та єрусалимські мешканці, і бу́дуть кричати до богів, що їм ка́дять вони, але ті помогти́ — не помо́жуть їм за ча́су їхнього лиха!
Dia handeha ny tanànan’ ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin’ ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin’ ny andro fahoriany.
13 Бо богів твоїх — за числом твоїх міст, Юдо, і за числом вулиць Єрусалиму наста́влено же́ртівників для Моло́ха, же́ртівників, щоб кади́ти Ваалові.
Fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao, Ary araka ny isan’ ny lalamben’ i Jerosalema no isan’ ny alitara naorinareo ho an’ ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ i Bala.
14 А ти не молися за цього наро́да, і блага́ння й молитви за них не здійма́й, бо Я не почую за ча́су того́, коли кли́кати будуть до Мене з-за лиха свого́!
Koa aza mivavaka ho an’ ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin’ ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho.
15 По́що Моєму коханому в домі Моєму чинити злі за́міри? Чи то́всті куски́ і м'ясо посвя́тне відве́рнуть від тебе нещастя твоє? Тоді б ти радів!
Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ ny maro izy, ary ny hena masìna dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary!
16 „Оли́вка зелена, гарна пло́дом хорошим“, — так кликнув Господь твоє йме́ння. Але з шумом великого вітру огонь запали́вся круг неї, і галу́зки її полама́ються!
Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon’ i Jehovah anaranao; Tamin’ ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany.
17 А Господь Саваот, що тебе посадив, говорив був на тебе лихе за зло дому Ізраїля та дому Юди, що робили собі, щоб гніви́ти Мене, щоб кади́ти Ваа́лові.
Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin’ ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ i Bala.
18 А Господь дав пізна́ти мені — й я пізнав, і тоді Ти вчинив, що побачив я їхні діла́.
Ary nampahafantarin’ i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin’ izany dia nasehonao ahy ny fanaony.
19 А я був, мов лагі́дна вівця́, що прова́дять її на зако́лення, і не знав, що на мене вони вимишля́ли заті́ї: „Пони́щмо це дерево з пло́дом його, і з кра́ю живих його ви́тнім, і йме́ння його не згадається більше!“
Fa izaho dia tahaka ny zanak’ ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin’ ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin’ ny tanin’ ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
20 Але, Господи Саваоте, Ти Суддя сраведливий, що досліджуєш ни́рки та серце, — хай над ними побачу я по́мсту Твою, бо справу свою я дові́рив Тобі!
Nefa, ry Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
21 Тому так промовляє Господь на людей Анато́ту, що пошу́кують душу твою та говорять: „Не пророкуй Ім'я́м Господа, щоб не померти тобі від рук наших!“
Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin’ ny anaran’ i Jehovah, fandrao matin’ ny tananay ianao,
22 Тому так промовляє Господь Савао́т: Ось Я навіщу́ їх: від меча юнаки́ повмирають, а сини їхні та їхні до́чки від голоду вмруть!
izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary;
23 І оста́нку не буде по них, бо спрова́джу Я зло на людей Анато́ту у році наві́щення їх!
Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin’ ny mponina ao Anatota Aho amin’ ny taona hamaliana azy.

< Єремія 11 >