< Вихід 40 >

1 А Господь промовляв до Мойсея, говорячи:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 „Першого місяця, першого дня місяця поставиш намета для скинії заповіту.
Amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
3 І поставиш там ковчега свідоцтва, і закриєш ковчега завісою.
Ary ataovy ao ny fiaran’ ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
4 І внесеш стола, і порозкладаєш належне йому; і внесеш свічника, і запалиш його лямпадки.
Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
5 І поставиш золотого жертівника для кадила перед ковчегом свідоцтва; і повісиш заслону входу скинії.
Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely.
6 І поставиш жертівника цілопа́лення перед входом скинії, скинії заповіту.
Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
7 І поставиш умивальницю між скинією заповіту та між жертівником, і даси туди води.
Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
8 І поставиш подвір'я навколо, і даси заслону брами подвір'я.
Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja.
9 І візьмеш миро пома́зання, та й пома́жеш скинію та все, що в ній, і освя́тиш її та всі речі її, — і стане вона святістю.
Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masìna izy.
10 І помажеш жертівника цілопа́лення та всі речі його, і освя́тиш жертівника, — і стане жертівник Найсвяті́шим.
Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masìna indrindra izy.
11 І помажеш умивальницю та підставу її, — і освя́тиш її.
Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
12 І приведе́ш Аарона та синів його до входу скинії заповіту, та й обмиєш їх водою.
Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy.
13 I зодягнеш Аарона в священні шати, і помажеш його, і освя́тиш його, — і він буде священнослужити Мені.
Ary ampiakanjoy an’ i Arona ny fitafiana masìna, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
14 І приведе́ш синів його, і позодягаєш їх у хітони.
Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
15 І помажеш їх, як помазав їхнього батька, — і будуть вони священнослужити Мені. І станеться, що пома́зання їх буде на них на вічне свяще́нство, на їхні покоління!“
Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin’ ny taranany fara mandimby.
16 І зробив Мойсей усе, — як Господь наказав був йому, так він зробив.
Dia nataon’ i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
17 І сталося першого місяця другого року, першого дня місяця, — була поставлена скинія!
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
18 І поставив Мойсей скинію, і дав підстави її, і поклав дошки її, і дав засови її, і поставив стовпи її.
Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
19 І розтягнув намета над внутрішньою скинією, і поклав скинійне накриття́ на неї згори́, як Господь наказав був Мойсеєві.
Ary namelatra ny lay teo ambonin’ ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
20 І взяв він і поклав свідоцтво до ковчега, а на ковчега поклав держаки́, і дав на ковчега віко згори.
Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ ny fiara.
21 І вніс він ковчега до скинії, і повісив завісу заслони, і закрив ковчег свідоцтва, як Господь наказав був Мойсеєві.
Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
22 І дав він стола в скинію заповіту, на стороні скинії на північ, поза завісою.
Ary ny latabatra dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, dia teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely avaratra, teo ivelan’ ny efitra lamba.
23 І порозклада́в на ньому розклад хліба перед Господнім лицем, як Господь наказав був Мойсеєві.
Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
24 І поставив свічника в скинії заповіту навпроти стола, на стороні скинії на пі́вдень.
Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny latabatra, teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely atsimo.
25 І позасвічував лямпадки перед Господнім лицем, як Господь наказав був Мойсеєві.
Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
26 І поставив золотого жертівника в скинії заповіту перед завісою.
Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anoloan’ ny efitra lamba;
27 І кадив він на ньому запашні́ кадила, як Господь наказав був Мойсеєві.
ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
28 І повісив входо́ву заслону до скинії.
Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely;
29 А жертівника цілопа́лення поставив при вході скинії, скинії заповіту, і приніс на ньому цілопа́лення та жертву хлібну, як Господь наказав був Мойсеєві.
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan’ ny varavaran’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
30 І поставив умивальницю між скинією заповіту та між жертівником, і туди дав води на миття.
Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
31 І вмивали з нього Мойсей й Аарон та сини його руки свої та ноги свої.
Ary teo no nanasan’ i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
32 Коли вони вхо́дили до скинії заповіту, і коли зближа́лися до же́ртівника, вони обмивалися, як Господь наказав був Мойсеєві.
Raha niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
33 І поставив подвір'я навколо скинії та жертівника, і повісив заслону брами подвір'я.
Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ ny vavahadin’ ny kianja. Dia vitan’ i Mosesy ny asa rehetra.
34 А хмара закрила скинію заповіту, і слава Господня напо́внила скинію.
Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
35 І не міг Мойсей увійти до скинії заповіту, бо хмара спочивала над нею, а слава Господня напо́внила скинію.
Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
36 А коли підіймалася хмара з-над скинії, то Ізраїлеві сини руша́ли в усі свої по́дорожі.
Ary raha niakatra niala tamin’ ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nandehanany rehetra;
37 А якщо хмара не підіймалася, то не руша́ли вони аж до дня, коли вона підійма́лася,
fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin’ izay andro hiakarany.
38 бо над скинією вдень була хмара Господня, а вночі був огонь у ній, — на оча́х усього Ізраїлевого дому в усіх його по́дорожах!
Fa ny rahon’ i Jehovah dia teo ambonin’ ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ ny taranak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny nandehanany rehetra.

< Вихід 40 >