< Повторення Закону 33 >

1 А оце благослове́ння, яким поблагословив Ізраїлевих синів Мойсей, чоловік Божий, перед своєю смертю,
Ary izao no tso-drano nataon’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
2 та й сказав: „Госпо́дь від Сіна́ю прибув, і зійшов від Сеї́ру до них, появився у світлі з Пара́ну гори, і прийшов із Мері́ви Каде́шу. По прави́ці Його — огонь Зако́ну для них.
Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin’ ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn’ afo ho an’ ireo.
3 Теж наро́ди Він любить. Всі святії його́ — у руці Твоїй, і вони припада́ють до ніг Твоїх, слухають мови Твоєї.
Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan’ ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin’ ny teninao.
4 Дав Мойсей нам Зако́на, спа́дщину зборові Якова.
Lalàna no nandidian’ i Mosesy antsika Ho lovan’ ny fiangonan’ i Jakoba.
5 І був Він царем в Єшуру́ні, як наро́днії голови ра́зом збирались, племе́на Ізра́їлеві.
Ary tonga mpanjakan’ i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben’ ny vahoaka Sy ny firenen’ Isiraely rehetra.
6 Руви́м хай живе, і нехай не помре, і число люду його нехай буде велике“.
Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
7 А це про Юду. І він сказав: „Почуй, Господи, голосу Юди, і до наро́ду його Ти впрова́диш його. Йому воюва́тимуть ру́ки його, а Ти будеш поміч йому на його ворогів“.
Ary ny amin’ i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon’ i Joda, Ka ento ho amin’ ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
8 А про Левія сказав: „Твій туммі́м і твій урі́м — для чоловіка святого Тво́го, що його Ти був ви́пробував у Массі, що суперечку з ним мав над водою Мері́ви,
Ary ny amin’ i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ ny olonao masìna. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin’ ny ranon’ i Meriba,
9 що каже про батька свого та про матір свою: „Не бачив тебе“, що братів своїх не пізнає́, і не знає синів своїх, — бо доде́ржують слова Твого, і вони заповіту Твого стережу́ть.
Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.
10 Навчають вони про права́ Твої Якова, а про Зако́на Твойого — Ізра́їля, приносять кадило Тобі та на же́ртівник Твій цілопа́лення.
Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
11 Поблагослови його силу, о Господи, а чин його рук уподо́бай Собі. Поламай сте́гна тим, що стають проти нього, та не́нависть мають на нього, — щоб більш не повстали вони!“
Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan’ ny tànany; Asio mafy ny valahan’ izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.
12 Про Веніямина сказав: „Він Господній улю́бленець, перебуває безпечно при Ньо́му, а Він окриває його ці́лий день і в раме́нах Його спочиває“.
Ary ny amin’ i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan’ i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
13 А про Йо́сипа він сказав: „Благословенний від Господа край Його дара́ми з неба, з роси та з безодні, що долі лежить,
Ary ny amin’ i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ny taniny Amin’ ny zava-tsoan’ ny lanitra, dia amin’ ny ando, Ary amin’ ny rano lalina mamitsaka any ambany,
14 із да́ру врожаїв від сонця, і з да́ру рослини від місяців,
Ary amin’ ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,
15 із верхі́в'я гір сходу, і з да́ру відвічних пагі́рків,
Ary amin’ ny zava-malaza avy amin’ ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin’ ny havoana mandrakizay
16 із дару землі та її повноти́. А милість Того, що в терно́вім кущі пробува́в, нехай при́йде на голову Йо́сипа та на ті́м'я ви́різненого між братами своїми.
Mbamin’ ny zava-tsoan’ ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan’ Izay nitoetra tao amin’ ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan’ i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.
17 Вели́чність його — як вола його перворідного, а ро́ги його — роги бу́йвола, — ними буде колоти наро́ди всі ра́зом, аж до кі́нців землі, а вони — мірія́ди Єфре́мові, а вони — Манасі́їні тисячі“.
Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok’ ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran’ ny tany; Ireo no alinalin’ i Efraima Sy arivoarivon’ i Manase.
18 А про Завуло́на сказав: „Радій, Завуло́не, як будеш вихо́дити, і ти, Іссаха́ре, у наметах своїх!
Ary ny amin’ i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin’ izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.
19 Вони кличуть наро́ди на го́ри, прино́сять там праведні жертви, бо будуть вони споживати доста́ток морськи́й та скарби, зариті в піску́“.
Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren’ ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin’ ny fasika.
20 А про Ґада сказав: „Благословенний, хто Ґа́да розши́рює! Він ліг, як леви́ця, і жере рам'я́ й че́реп.
Ary ny amin’ i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an’ i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin’ ny tampon-doha.
21 Забезпечив він ча́стку для себе, бо там ча́стка прихо́вана від Праводавця, і прийшов із головами наро́ду, виконав правду Господню і Його постанови з Ізраїлем“.
Nizaha izay tsara indrindra ho an’ ny tenany izy, Fa teo ny anaran’ ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ ny lohan’ ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan’ i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ ny Isiraely.
22 А на Да́на сказав: „Дан левів левчу́к, що з Баша́ну вискакує“.
Ary ny amin’ i DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
23 А на Нефтали́ма сказав: „Нефтали́м ситий ми́лістю, і повен Господнього благослове́ння, — захід та пі́вдень посядь!“
Ary ny amin’ i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian’ i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.
24 А про Асира сказав: „Аси́р благословенний найбільше з синів, уподо́баний серед братів своїх, і в оливу вмочає він но́гу свою.
Ary ny amin’ i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin’ ny diloilo.
25 Залізо та мідь — то запо́ра твоя, а сила твоя — як усі твої дні.
Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin’ ny andronao ny fiadananao.
26 Немає такого, як Бог, Єшуру́не, що їде по небу на поміч тобі, а Своєю вели́чністю їде на хмарах.
Ry Jesorona, tsy misy tahaka an’ Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin’ ny voninahiny.
27 Покро́ва твоя — Бог Предвічний і ти в вічних раме́нах Його. І вигнав Він ворога перед тобою, і сказав: Повинищуй його!
Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
28 І перебуває Ізраїль безпечно, самотно, він Яковове джерело́ в краї збіжжя й вина, а небо його сипле кра́плями ро́су.
Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon’ i Jakoba Ao amin’ ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.
29 Ти блаженний, Ізраїлю! Який інший наро́д, якого спасає Господь, як тебе? Він Щит допомоги твоєї, і Меч Він твоєї вели́чности. І будуть твої вороги при тобі упоко́рюватись, а ти по висо́тах їх будеш ступати“.
Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’ i Jehovah, Ampingan’ ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.

< Повторення Закону 33 >