< 2 хроніки 32 >

1 По цих справах та по цій вірності прийшов Санхері́в, цар асирійський, і ввійшов в Юдею, і розклався табо́ром проти укрі́плених міст, і ду́мав здобути їх собі.
Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
2 І побачив Єзекі́я, що прийшов Санхері́в, і що він заду́мує війну на Єрусалим,
Ary nony hitan’ i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an’ i Jerosalema,
3 то він нара́дився зо своїми зверхниками та своїми ли́царями позатика́ти джере́льні во́ди, що назовні міста. І вони допомогли йому.
dia niara-nihevitra tamin’ ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ ny loharano eny ivelan’ ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
4 І було зі́брано багато народу, і вони позатика́ли всі джере́ла й поті́к, що плив у Краю́, говорячи: „На́що б мали так багато води асирійські царі, коли при́йдуть?“
Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan’ ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan’ i Asyria, raha avy?
5 І він підбадьорився, і забудував увесь ви́ломаний мур, і поставив на нього ба́шту, а поза тим муром — інший мур, і зміцни́в Мілло в Давидовому Місті, і наробив багато ра́тищ та щиті́в.
Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin’ ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an’ i Milo tao an-tanànan’ i Davida sady nanao lefona aman’ ampinga betsaka izy.
6 І понаставляв він над народом військо́вих зверхників, і зібрав їх до себе, на майда́н біля місько́ї брами, і промовляв до їхнього серця, говорячи:
Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin’ ny vavahadin’ ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe:
7 „Будьте міцні́ та будьте мужні, не бійтеся й не жахайтеся перед асирійським царем та перед усім тим на́товпом, що з ним, бо з нами більше, ніж із ним.
Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’ i Asyria sy ny hamaroan’ ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
8 З ним раме́но тіле́сне, а з нами Господь, Бог наш, щоб допомагати нам та воюва́ти наші ві́йни!“І оперся народ на слова Єзекії, Юдиного царя.
Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin’ ny tenin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ny olona.
9 По цьому послав Санхері́в, асирійський цар, своїх рабів до Єрусалиму, — а він сам таборува́в проти Лахішу, і вся сила його була́ з ним, — до Єзекії, Юдиного царя, і до всього Юди, що в Єрусалимі, сказати:
Rehefa afaka izany, dia nirahin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an’ i Lakisy tamin’ izay) ho any amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ho any amin’ ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
10 „Так говорить Санхері́в, цар асирійський: На що́ ви сподіва́єтесь і сидите в обло́зі в Єрусалимі?
Izao nolazain’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo?
11 Оце Єзекія намовляє вас, щоб дати вас на смерть від голоду та від спра́ги, кажучи: Господь, Бог наш, урятує нас від руки асирійського царя.
Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Syria?
12 Чи ж не він, Єзекія, поруйнував па́гірки його та же́ртівники його, і сказав до Юди та до Єрусалиму, говорячи: Перед одним же́ртівником будете вклонятися й на ньому бу́дете кадити?
Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan’ ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra?
13 Чи ж ви не знаєте, що́ зробив я та батьки мої всім наро́дам земель? Чи справді могли бо́ги наро́дів тих країв урятувати свій край від моєї руки?
Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin’ ny firenena rehetra tany amin’ ny tany hafa? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin’ iny tanako?
14 Хто́ з-поміж усіх богів цих народів, яких мої батьки вчинили закляттям, міг урятувати свій народ від моєї руки? Як зможе Бог ваш урятувати вас від моєї руки?
Iza amin’ ny andriamanitr’ ireo firenena efa naringan’ ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin’ ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin’ ny tanako va ny Andriamanitrareo?
15 А тепер нехай не обманює вас Єзекія, і нехай не зво́дить вас, як оце. І не вірте йому, бо не зміг жо́ден бог жо́дного наро́ду та царства врятувати свого народу від моєї руки та від руки батьків моїх, то тим більше ваші бо́ги не врятують вас від моєї руки!“
Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin’ ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin’ ny tanako sy ny tanan’ ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin’ ny tanako?
16 І ще говорили його раби на Господа, Бога, та на Його раба Єзекію.
Ary ny mpanompon’ i Sankeriba mbola niteny ratsy an’ i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,
17 І писав він листи́ з ла́йкою на Господа, Ізраїлевого Бога, і говорив на Нього таке: „Як бо́ги народів тих країв не спасли свого народу від моєї руки, так не спасе Єзекіїн Бог народу Свого від моєї руки!“
sady nanoratra taratasy hihaika an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien’ ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ny olony tamin’ ny tanako no tsy hahavonjen’ ny Andriamanitr’ i Hezekia ny olony koa amin’ ny tanako.
18 І кли́кали вони сильним голосом по-юде́йському до єрусалимського народу, що був на мурі, щоб настраши́ти їх та налякати їх, щоб здобути місто.
Dia niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan’ ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
19 І говорили вони на Бога єрусалимського, як на богі́в землі, чин лю́дських рук.
Ary Andriamanitr’ i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny, izay asan’ tànan’ olona ihany.
20 І молився цар Єзекія та пророк Ісая, син Амосів, про це, і кликали до неба.
Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, ka nitaraina tamin’ ny lanitra.
21 І послав Господь Ангола, і він вигубив кожного хороброго вояка́, і володаря, і зве́рхника в табо́рі царя асирійського, і той вернувся з со́ромом обличчя до кра́ю свого. А коли він прийшов до дому бога свого, то дехто з тих, що вийшли з нутра́ його, вбили його там мече́м.
Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin’ ny mpanjakan’ i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin’ ny sabatra ny zanany naterany.
22 І спас Господь Єзекію та єрусалимських ме́шканців від руки Санхеріва, царя асирійського, та від руки всякого, і дав їм мир навко́ло.
Toy izany no namonjen’ i Jehovah an’ i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin’ ny tànan’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, sy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin’ ny manodidina rehetra Izy.
23 І багато-хто прино́сили да́ра для Господа до Єрусалиму та дорогоцінні речі для Єзекії, Юдиного царя. І він по цьо́му піднісся в оча́х усіх наро́дів!
Ary ny maro nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; dia nalaza teo imason’ ny firenena rehetra izy hatramin’ izany.
24 Тими днями занеду́жав Єзекія смертельно. І він молився до Господа, — і Він відповів йому, і дав йому знака.
Tamin’ izany andro izany dia narary efa saiky maty Hezekia, koa dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy, ary Jehovah niteny taminy ka nanome azy famantarana.
25 Та Єзекія не віддав так, як було зро́блено йому, бо запишни́лося серце його. І був гнів Божий на нього, і на Юдею, та на Єрусали́м.
Fa Hezekia tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona ny fony, dia niharan’ ny fahatezerana izy mbamin’ ny Joda sy Jerosalema.
26 Але впокори́вся Єзекія в пишноті серця свого, він та ме́шканці Єрусалиму, — і не прийшов на них Господній гнів за днів Єзекії.
Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan’ ny fahatezeran’ i Jehovah ireo fahavelon’ i Hezekia.
27 І було в Єзекії дуже багато багатства та слави, і він поробив собі скарбни́ці на срібло й на золото, та на камінь дорогий, і на па́хощі, і на щити́, і на всякі дорогі речі,
Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin’ izay fanaka tsara rehetra,
28 і клуні́ на врожай збі́жжя, і виноградного соку, і свіжої оливи, і жолоби́ для всякої худоби, і жолоби́ для чері́д.
ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran’ ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran’ ny ondry aman’ osy.
29 І побудував він собі міста́, і мав великий набу́ток худоби дрібно́ї та худоби великої, бо Бог дав йому́ дуже великий маєток.
Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman’ osy ary omby betsaka, fa nomen’ Andriamanitra fananana be indrindra izy.
30 І він, Єзекія, заткнув вихід води горі́шнього Ґіхону, і вивів її вдоли́ну на за́хід від Давидового Міста. І мав Єзекія у́спіх в усіх своїх діла́х.
Ary notampenan’ io Hezekia io ny fivoahan’ ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin’ ny tany hidina mahitsy ho any andrefan’ ny Tanànan’ i Davida izany. Ary nambinina tamin’ ny asany rehetra Hezekia.
31 Тільки при посла́х вавилонських зверхників, посланих до нього, щоб вивідати про чудо, що було в Краю́, залишив був його Бог, щоб ви́пробувати його, щоб пізнати все в його серці.
Nefa noho ny amin’ ny irak’ ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin’ ny zava-mahagaga natao teo amin’ ny tany, dia nilaozan’ Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
32 А решта діл Єзекії та його чесно́ти, — ото вони описані в видіннях пророка Ісаї, Амосового сина, у Книзі Царів Юдиних та Ізраїлевих.
Ary ny tantaran’ i Hezekia sisa mbamin’ ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin’ ny fahitan’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, sy ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely izany.
33 І спочив Єзекія з батьками своїми, і поховали його на узбі́ччях гробі́в Давидових синів, і віддали́ йому честь по смерті його, — уся Юдея та ме́шканці Єрусалиму. А замість нього зацарював син його Манасі́я.
Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny fiakarana ho any amin’ ny fasan’ ny zanak’ i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin’ ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.

< 2 хроніки 32 >