< 2 хроніки 23 >

1 А сьо́мого року зміцнився Єгояда й прийняв сотників: Азарію, Єрохамового сина, і Ізмаїла, сина Єгохананового, і Азарію, сина Оведового, і Маасею, сина Адаї, і Елісафата, сина Зіхрієвого, — в умову з собою.
Ary tamin’ ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin’ ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak’ i Jerohama, sy Isimaela, zanak’ i Johanana, sy Azaria, zanak’ i Obeda, sy Mahaseia, zanak’ i Adaia, ary Elisafata, zanak’ i Zikry.
2 І обійшли вони Юду, і зібрали зо всіх Юдиних міст Левитів та голів Ізраїлевих домів, і прийшли до Єрусалиму.
Ary nitety an’ i Joda Ireo ka namory ny Levita avy tany amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra sy ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.
3 І ввесь збір склав у Божому домі умову з царем. І сказав їм Єгояда: „Оце царськи́й син буде царювати, як говорив Господь про Давидових синів.
Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin’ ny mpanjaka tao an-tranon’ Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny taranak’ i Davida.
4 Оце та річ, яку зробите: третина з вас, що прихо́дите в суботу, із священиків та з Левитів, будете за придве́рних біля порогів.
Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin’ ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana;
5 А третина — при царсько́му домі, а третина — при брамі Єсод, а ввесь наро́д — у подві́р'ях Господнього дому.
ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon’ ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin’ ny vavahadin’ ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah.
6 І нехай не входить до Господнього дому ніхто, окрім священиків та тих, хто прислуго́вує із Левитів, — вони вві́йдуть, бо освя́чені вони, а ввесь народ буде пильнувати Господньої сторо́жі.
Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon’ i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masìna ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain’ i Jehovah hotandremana.
7 І оточать Левити царя навко́ло, кожен із своєю зброєю в руці своїй; а хто чужий увійшов би до дому, нехай буде забитий! І будете ви з царем при вході його та при виході його“.
Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.
8 І зробили Левити та ввесь Юда все, що наказав священик Єгояда. І взяли кожен людей своїх, що приходять у суботу та відходять у суботу, бо священик Єгояда не звільнив черг.
Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ ny Sabata sy izay niala tamin’ ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.
9 І дав священик Єгояда сотникам ра́тища, і малі щити́, і інші щити́, що належали цареві Давидові, що були в Божому домі.
Ary nomen’ i Joiada mpisorona ho an’ ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an’ i Davida mpanjaka ka tao an-tranon’ Andriamanitra.
10 І поставив він увесь народ, а кожен мав свою зброю в руці своїй, від правого боку дому аж до лівого боку дому, при же́ртівнику та при домі, навко́ло біля царя.
Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin’ ny lafiny ankavavan’ ny trano ka hatramin’ ny lafiny ankavia, hatramin’ ny alitara ka hatramin’ ny trano.
11 І ви́вели вони царсько́го сина, і поклали на нього корону та звої Зако́ну. І зробили вони його царем, і пома́зали його Єгояда та сини його, та й крикнули: „Нехай живе цар!“
Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin’ ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
12 І почула Аталія голос наро́ду, що бігав та сла́вив царя, і прийшла до наро́ду до Господнього дому.
Ary nony ren’ i Atalia ny tabataban’ ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin’ ny vahoaka tao an-tranon’ i Jehovah koa izy.
13 І побачила вона, аж ось цар стоїть на помо́сті своїм при вході, а при царі зверхники та су́рми, а ввесь народ краю радіє та сурми́ть у су́рми, а співаки — з музичними знаря́ддями, що подавали до ві́дома знаки́ на хвалу́. І роздерла Аталія шати свої та й крикнула: „Змова, змова!“
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana teo amin’ ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin’ ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
14 А священик Єгояда наказав сотникам, поставленим над ві́йськом, і сказав до них: „Виведіть її поміж шере́ги, а хто інший пі́де за нею, — нехай буде забитий мече́м!“Бо священик сказав: „Не заб'єте її в Господньому домі!“
Fa nasain’ i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin’ ireo: Avoahy eny ivelan’ ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon’ i Jehovah izy.
15 І зробили їй про́хід, і вона вийшла входом Кінської брами до царсько́го дому, і там забили її.
Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
16 І склав Єгояда умову між собою й між усім наро́дом та між царем, щоб бути народом Господнім.
Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ ny tenany mba ho olon’ i Jehovah.
17 І ввійшов увесь наро́д до Ваалового дому, та й порозбива́ли його та же́ртівники його, і бовва́нів його зо́всім полама́ли, а Маттана, Ваалового священика, убили перед же́ртівниками.
Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon’ i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron’ i Bala, novonoiny teo anoloan’ ny alitara.
18 А в Господньому домі Єгояда віддав уря́ди на руку священиків та Левитів, яких поділив Давид над Господнім домом, щоб прино́сити Господні цілопа́лення, як написано в Мойсеєвім Зако́ні, з радістю та зо співом, за уста́вом Давидовим.
Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon’ i Jehovah hofehezin’ ny Levita mpisorona izay nozarazarain’ i Davida ho ao an-tranon’ i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, amin’ ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’ i Davida natao.
19 А при брамах Господнього дому поставив він придве́рних, щоб не ввійшов хто будь-чим нечистий.
Ary nalatsany teo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
20 І взяв він сотників, і вельмож, і тих, що старшину́ють над наро́дом, та ввесь наро́д кра́ю, і відвели́ царя з Господнього дому. І ввійшли вони через горі́шню браму до царсько́го дому, і посадили царя на троні царства.
Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana izy.
21 І радів увесь народ кра́ю, а місто заспоко́їлося. А Аталію вбили мече́м.
Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin’ ny sabatra.

< 2 хроніки 23 >