< 1 царів 7 >

1 А свій дім Соломон будував тринадцять років, та й скінчи́в увесь свій дім.
Ary telo ambin’ ny folo taona no nanaovan’ i Solomona ny lapany, dia vita.
2 І збудував він дім Ливанського Лісу, — сто ліктів довжина його, і п'ятдесят ліктів ширина його, і тридцять ліктів вишина його, на чотирьох ряда́х ке́дрових стовпі́в, а ке́дрові бру́сся — на стовпа́х.
Fa nanao ilay trano Alan’ i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin’ ny andry sedera efatra an-dalana mbamin’ ny sedera rairainy teo ambonin’ ny andry.
3 І покритий він був кедри́ною зве́рху на бічни́х кімна́тах, що на сорока й п'яти стовпа́х, по п'ятнадцять на ряд.
Ary ireo efi-trano teo ambonin’ ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin’ ny folo isan’ an-dalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
4 А лу́тків було три ряди, вікно до вікна три рази.
Ary ny rairainy dia telo an-dalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
5 А всі двері та бічні одві́рки — чотирику́тні, з поро́гами, а навпро́ти — вікно до вікна три ра́зи.
Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
6 І зробив він сіни зо стовпів, — п'ятдеся́т ліктів довжина́ їх та тридцять ліктів ширина їх, і інші сіни перед ними, і стовпи, і причі́лок да́ху.
Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan’ io.
7 І зробив він троно́ву залю, де судив, залю судову́, і покрив кедри́ною від підлоги до сте́лі.
Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran’ ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra.
8 А його дім, де жив, на іншому дворі́, зсере́дини сіне́й, був такий, як та робота. І зробив він дім для фарао́нової дочки́, яку взяв Соломо́н, — як ті сіни.
Ary ny tranony izay nitoerany teo amin’ ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin’ io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an’ ny zanakavavin’ i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
9 Усе це з дорогого камі́ння, те́саного за мірою, обрі́заного пи́лкою зсере́дини та іззо́вні, і від осно́ви аж до сте́лі, а іззо́вні аж до великого двора́.
Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin’ ny fanambaniny ka hatramin’ ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin’ ny kianja lehibe.
10 А засно́ваний він був на дорогих камі́ннях, каміннях великих, — каміння десяти ліктів та каміння восьми ліктів,
Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
11 А згори — дорогі камі́ння, те́сані за мірою, та кедри́на.
Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;
12 А навколо — великий двір, три ряди́ тесаного каміння та ряд стя́того ке́дрового бру́сся; те саме й для внутрішнього дво́ру Господнього храму та для сіней храму.
ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana, tahaka ny amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah sy amin’ ny lavarangana fidirana amin’ ny trano.
13 І послав цар Соломон, і взяв із Тиру Хірама, —
Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an’ i Hirama avy tany Tyro.
14 це син однієї вдови, з пле́мени Нефталимового, а ба́тько його — тирянин, що робив на міді. І був він напо́внений мудрістю й розумом, та вмі́нням робити всяку роботу на міді. І прийшов він до царя Соломона, і зробив усю його роботу.
Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin’ ny firenen’ i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin’ i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
15 I він відлив два мідяні́ стовпи́, — вісімнадцять ліктів височина́ одного стовпа́, а шнур дванадцяти ліктів оточи́в би його; такий і стовп другий.
Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin’ ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin’ ny folo hakiho ny manodidina azy.
16 І зробив він дві ма́ковиці, щоб дати на верхи́ тих стовпів, відлив їх із міді; п'ять ліктів височина однієї ма́ковиці, і п'ять ліктів височина маковиці другої.
Ary nanao kapitaly varahina roa an-idina izy hatao eo amin’ ny tampon’ ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,
17 А на тих ма́ковицях, що були на верха́х стовпів, було мере́живо пле́теної роботи та шнурки́ роботою ланцюжкі́в, — сім на ма́ковиці одній і сім на маковиці другій.
ary harato sy fesitona miolana amin’ ny kapitaly izay teo amin’ ny tampon’ ny andry avy: fito amin’ ny kapitaly iray, ary fito koa amin’ ny kapitaly iray.
18 І поробив він ті стовпи́ так, що два ряди́ грана́тових яблук були навколо на одному мере́живі, щоб покрити ма́ковиці, що на верху́; і так зробив і маковиці другій.
Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa an-dalana manodidina tamin’ ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin’ ny kapitaly iray.
19 А ма́ковиці, що на верху́ тих стовпів, були зро́блені як ліле́ї, на чотири лікті, у притво́рі.
Ary ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin’ ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
20 І ма́ковиці на обох стовпах також зве́рху, навпроти ви́пуклини, що з боку мере́жива. А тих грана́тових яблук — двісті, ряда́ми навколо на маковиці другій.
ary ny kapitaly teo an-tampon’ ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin’ ny kibony izay anatin’ ny harato; ary nisy sarin’ ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
21 І поставив він ті стовпи до притво́ру храму. І поставив він правого стовпа́, і назвав ім'я́ йому: Яхін; і поставив стовпа лівого, і назвав ім'я́ йому: Боаз.
Ary ny andry dia natsangany teo amin’ ny lavarangana fidirana amin’ ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza.
22 А на верху́ стовпів — зро́блено як ліле́ї. І була́ скі́нчена робота стовпів.
Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon’ ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin’ ny andry.
23 І зробив він ли́те море, десять лі́ктів від кра́ю його аж до кра́ю його, навколо кругля́сте, і п'ять ліктів височина́ його. А шнур на тридцять лі́ктів оточи́в би його навколо.
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben’ ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
24 А здолу на края́х його ото́чували його подоби огіркі́в, по десять у лікті, — вони оточували море навколо. Було два ряди тих огірків, вилитих при литті́ його.
Ary tambanin’ ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin’ ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa an-dalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin’ ny tavin-drano.
25 Воно стояло на дванадцятьо́х вола́х, — три обе́рнені на пі́вніч, і три обе́рнені на за́хід, і три обе́рнені на пі́вдень, і три обе́рнені на схід. А море на них зве́рху, а ввесь зад їх — до нутра́.
Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin’ ireo, ary niady vody izy rehetra.
26 А грубина́ його — долоня, а краї його подібні до краю ке́лиха, як квітки ліле́ї. Містило воно дві тисячі батів.
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
27 І зробив він десять мідяни́х підстав, — чотири лі́кті довжина однієї підстави, і чотири лікті ширина її, а три лікті вишина її.
Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan’ ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
28 А оце робота підста́ви: у них ли́штви, а ті ли́штви поміж прута́ми.
Ary toy izao ny asa amin’ ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin’ ny sisiny;
29 А на ли́штвах, що між прута́ми, леви́, воли та херувими. А на прута́х — зве́рху підні́жки, а під лева́ми та волами — ки́тиці, зро́блені розло́жистими.
ary tamin’ ny kobany izay nohodidinin’ ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin’ ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin’ ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
30 І чотири мідяні́ ко́ла для однієї підстави та мідяні́ о́сі. А на чотирьох ро́гах — їхні раме́на, під мідни́цею — раме́на литі, з кожного боку ки́тиці.
Ary isan’ ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin’ ny tavin-drano no nisy ny sorony an-idina manandrify ny fesitona tsirairay.
31 А ги́рло його — з нутра́ ма́ковиці й вище лі́коть; а ги́рло кругля́сте, роботи підніжка, лі́коть і півлі́ктя; і також на гирлі його різьби́, а раме́но їх квадрато́ве, не кругля́сте.
Ary ny vavan’ ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin’ ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin’ io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin’ ny faladia, ary tamin’ ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
32 І чотири ті ко́ла були під ли́штвами, а о́сі коле́с — у підставі. А вишина одного ко́ла — лі́коть і півлі́ктя.
Ary ny kodia efatra dia teo ambanin’ ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin’ ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon’ ny kodia.
33 А робота тих кіл — як робота ко́ла возо́вого; їхні о́сі, і їхні обі́ддя, і їхні шпи́ці, і їхні ма́точини — усе лите.
Ary ny fomban’ ny kodia dia tahaka ny amin’ ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
34 І чотири раме́на на чотирьох ро́гах однієї підстави; з підстави вихо́дили раме́на її.
Ary nisy sorony efatra tamin’ ny zorony efatra amin’ ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin’ ny fitoeran-tavin-drano ireo.
35 А на верху́ підстави було округле навкі́лля, півліктя вишини; а на верху підстави ру́чки її та ли́штви її з неї.
Ary teo an-tampon’ ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon’ ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
36 І він повирі́зував на табли́цях ру́чок її та на ли́штвах її херувимів левів та пальми, на кожнім вільнім місці, та китиці навколо.
Fa ny koban’ ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina.
37 Як це, він зробив десять підстав, — лиття́ одне, міра одна, одна робота для них усіх.
Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.
38 І зробив він десять мідяних умива́льниць, — сорок ба́тів ма́ла кожна вмива́льниця; чотири лікті кожна вмивальниця; одна вмивальниця на одній підставі, так для десяти підстав.
Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin’ ny fitoerany folo.
39 І дав ті підстави — п'ять на боці храму з правиці, і п'ять на боці храму з лівиці його, а море дав на правому боці храму, наперед, навпроти полу́дня.
Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan’ ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian’ ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan’ ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.
40 І поробив Хірам умивальниці й лопатки та кропильниці. І покінчи́в Хірам робити всю ту роботу, що зробив цареві Соломонові для храму Господнього:
Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan’ i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah:
41 два стовпи та дві голі́вки ма́ковиць, що на верху́ стовпів, і два мере́жива на покриття́ двох голівок ма́ковиць, що на верху́ стовпів;
dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teny an-tampon’ ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy,
42 і чотири сотні грана́тових яблук для двох мере́жив, — два ряди́ грана́тових яблук для одного мере́жива, на покриття́ обох голі́вок ма́ковиць, що на верху́ стовпів;
ary ny sarin’ ampongabendanitra efa-jato ho amin’ ny harato roa, ampongabendanitra roa an-dalana ho amin’ ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teny an-tampon’ ny andry avy,
43 і підстави — десять, і вмивальниці — десять;
ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin’ ny fitoerany
44 і одне море, і воли — дванадцять під морем;
ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo teo ambaniny.
45 і го́рнята, і лопа́тки, і кропи́льниці та всі ті речі, що Хірам поробив цареві Соломонові в Господньому домі, — усе ви́полірувана мідь.
ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon’ i Hirama ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
46 На Йорда́нській рівни́ні повідлива́в їх цар у глибокій землі між Суккотом та між Царетаном.
Teo amin’ ny tany amoron’ i Jordana no nanaovan’ ny mpanjaka an-idina azy tamin’ ny tanimanga teo anelanelan’ i Sokota sy Zaretana.
47 І порозставля́в Соломон усі ці речі; через дуже велику многоту́ їх не була спра́вджена вага міді.
Ary tsy nolanjain’ i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan’ ny varahina.
48 І поробив Соломон усі речі, що в Господньому храмі: золотого же́ртівннка, і золотого стола́, що на ньому хліб показни́й,
Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin’ ny tranon’ i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran’ ny mofo aseho,
49 і свічники́, — п'ять з правиці та п'ять з лівиці, перед найсвяті́шим, зо щирого золота; і квітки, і лямпа́ди, і щи́пчики, — з золота;
ary ny fanaovan-jiro, dimy amin’ ny ankavanana ary dimy amin’ ny ankavia, teo anoloan’ ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
50 і миски́, і но́жиці, і кропи́льниці, і ложки, і лопа́тки, — золото щире; і чопи́ для дверей внутрішнього храму, для Святого Святих, для дверей дому для храму — золото.
ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin’ ny lela-varavaran’ ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, sy ho amin’ ny lela-varavaran’ ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.
51 І була покі́нчена вся ця праця, яку цар Соломон зробив в Господньому храмі. І Соломон повно́сив освячені речі свого батька Давида; срібло й золото та речі дав у скарбниці Господнього храму.
Toy izany no nahavitana ny asa nataon’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.

< 1 царів 7 >