< 1 Samuel 27 >

1 Na Dawid dwen ho se, “Da bi, mɛtɔ wɔ Saulo nsa ano. Na nea mɛyɛ a eye pa ara ne sɛ, meguan akɔ Filistifo nkyɛn. Ɛba saa a, Saulo begyae mʼakyidi na menya bammɔ.”
Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin’ ny tànan’ i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ ny tanin’ ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran’ ny tanin’ ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin’ ny tànany aho.
2 Na Dawid ne mmarima ahansia tutu kɔtenaa Gat kɔhyɛɛ Maok babarima ɔhene Akis ase.
Ary niainga Davida nandeha mbamin’ ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin’ i Akisy, zanak’ i Maoka, mpanjakan’ i Gata.
3 Na Dawid de ne yerenom baanu a wɔyɛ Ahinoam a ofi Yesreel ne Abigail a ofi Karmel a na ɔyɛ Nabal kunabea no kɔe.
Ary nitoetra tao amin’ i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban’ ny ankohonany avy, ary Davida mbamin’ ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin’ i Nabala.
4 Saulo tee sɛ Dawid aguan kɔ Gat no, wanni nʼakyi anhwehwɛ no bio.
Ary nambara tamin’ i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
5 Na Dawid ka kyerɛɛ Akis se, “Sɛ ɛrenhaw wo a, ma yɛn baabi wɔ nkurow no bi so na yɛnkɔtena hɔ sen sɛ yɛbɛtena ahenkurow yi mu.”
Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin’ ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin’ ny renivohitry ny fanjakana?
6 Enti Akis de Siklag kurow maa no, (na efi saa da no, ɛhɔ abɛyɛ Yuda ahemfo atenae de besi nnɛ),
Dia nomen’ i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an’ ny mpanjakan’ ny Joda ambaraka androany Ziklaga.
7 na wɔtenaa Filistifo no mu afe ne asram anan.
Ary ny andro nitoeran’ i Davida tany amin’ ny tanin’ ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
8 Afei, Dawid ne ne dɔm kɔtow hyɛɛ Gesurfo, Girsifo ne Amalekfo so. Saa nnipa yi na na kan no, wɔtete asase a ɛtrɛw kɔ Sur a ɛwɔ Misraim kwan so no.
Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin’ ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin’ i Sora, hatramin’ ny tany Egypta.
9 Dawid annyaw onipa baako anikann wɔ nkuraa a ɔkɔtow hyɛɛ wɔn so no mu. Ɔfaa nguan, anantwi, mfurum, yoma ne ntade nyinaa ansa na ɔresan akɔ Akis nkyɛn.
Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman’ osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin’ i Akisy.
10 Akis bisaa Dawid se, “Ɛhe na nnɛ mofom nneɛma kodui?” Dawid buae se, “Yɛkɔɔ Yuda anafo fam kɔtow hyɛɛ Yerahmeelfo ne Kenifo so.”
Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an’ i Joda sy izay an’ ny Jeramelita ary izay an’ ny Kenita izahay.
11 Dawid kum wɔn nyinaa. Wannyaw obiara a obetumi aba Gat abɛkyerɛ faako a ɔkɔe. Saa ade yi kɔɔ so ara wɔ bere a na Dawid te Filistifo mu no.
Ary tsy nisy novelomin’ i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon’ i Davida, ary toy izany no fanaony tamin’ ny andro rehetra nitoerany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
12 Akis gyee Dawid dii, na ɔkaa wɔ ne tirim se, “Saa bere yi de, Israelfo bekyi no kɔkɔɔkɔ, na ɛbɛma no atena ha, na wasom me afebɔɔ.”
Ary Akisy nino an’ i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin’ ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.

< 1 Samuel 27 >