< 2 Wakorintho 5 >

1 Maana tunajua kwamba hema hii ambayo ndani yake tunaishi sasa hapa duniani, yaani mwili wetu, itakapong'olewa, Mungu atatupa makao mengine mbinguni, nyumba ya milele isiyotengenezwa kwa mikono. (aiōnios g166)
Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’ Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. (aiōnios g166)
2 Na sasa, katika hali hii, tunaugua, tukitazamia kwa hamu kubwa kuvikwa makao yetu yaliyo mbinguni.
Ary misento ao anatin’ ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa;
3 Naam, tunapaswa kuvikwa namna hiyo ili tusije tukasimama mbele ya Mungu bila vazi.
fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka.
4 Tukiwa bado katika hema hii ya duniani, tunalia kwa kukandamizwa; si kwamba tunataka kuuvua mwili huu wa kufa, ila tuna hamu ya kuvalishwa ule usiokufa, ili kile chenye kufa kimezwe kabisa na uhai.
Fa isika izao amin’ izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin’ ny fiainana ny mety maty.
5 Mungu mwenyewe alitutayarishia mabadiliko hayo, naye ametupa Roho wake awe dhamana ya yote aliyotuwekea.
Ary Izay efa namboatra antsika ho amin’ izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
6 Tuko imara daima. Tunajua kwamba kuishi katika mwili huu tu ni kukaa mbali na Bwana.
Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin’ ny tena, dia tsy mitoetra any amin’ ny Tompo
7 Maana tunaishi kwa imani, na si kwa kuona.
(fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana);
8 Lakini tuko imara na tungependelea hata kuyahama makao haya, tukahamie kwa Bwana.
eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ ny tena, fa ny hitoetra any amin’ ny Tompo.
9 Lakini jambo la maana zaidi, tunataka kumpendeza, iwe tunaishi hapa duniani au huko.
Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.
10 Maana sote ni lazima tusimame mbele ya kiti cha hukumu cha Kristo, ili kila mmoja apokee anayostahili kwa matendo aliyoyafanya wakati alipokuwa anaishi duniani, mema au mabaya.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ ny fitsaran’ i Kristy, mba handraisan’ ny olona rehetra izay zavatra nataon’ ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
11 Basi, sisi tunajua umuhimu wa kumcha Bwana, na hivyo tunajitahidi kuwavuta watu. Mungu anatujua waziwazi, nami natumaini kwamba nanyi pia mnatujua kinaganaga.
Koa amin’ izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin’ Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ ny fieritreretanareo koa.
12 Si kwamba tunajaribu tena kujipendekeza kwenu, ila tunataka kuwapa ninyi sababu zetu za kuona fahari juu yenu, ili mpate kuwajibu wale wanaojivunia hali yao ya nje zaidi kuliko jinsi walivyo moyoni.
Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ ny miseho ihany, fa tsy amin’ ny fo.
13 Ikiwa tumeonekana kuwa wendawazimu, hiyo ni kwa ajili ya Mungu; na ikiwa tunazo akili zetu timamu, hiyo ni kwa faida yenu.
Fa raha very saina izahay, dia ho an’ Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
14 Maana mapendo ya Kristo yanatumiliki sisi ambao tunatambua ya kwamba mtu mmoja tu amekufa kwa ajili ya wote, na hiyo ina maana kwamba wote wanashiriki kifo chake.
Fa ny fitiavan’ i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra;
15 Alikufa kwa ajili ya watu wote, ili wanaoishi wasiishi kwa ajili yao wenyewe, bali kwa ajili yake yeye aliyekufa, akafufuliwa kwa ajili yao.
ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
16 Basi, tangu sasa, sisi hatumpimi mtu yeyote kibinadamu. Hata kama kwa wakati mmoja tulimpima Kristo kibinadamu, sasa si hivyo tena.
Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’ i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.
17 Mtu yeyote akiungana na Kristo huwa kiumbe kipya, mambo ya kale yamepita, hali mpya imefika.
Koa raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
18 Yote ni kazi ya Mungu mwenye kutupatanisha sisi naye kwa njia ya Kristo, akatupa nasi jukumu la kuwapatanisha watu naye.
Fa izany rehetra izany dia avy amin’ Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ ny alalan’ i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,
19 Ndiyo kusema: Mungu, amekuwa akiupatanisha ulimwengu naye kwa njia ya Kristo, bila kutia maanani dhambi zao binadamu. Yeye ametupa ujumbe kuhusu kuwapatanisha watu naye.
dia izao: Andriamanitra ao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
20 Basi, sisi tunamwakilisha Kristo, naye Mungu mwenyewe anatutumia sisi kuwasihi ninyi. Tunawaombeni kwa niaba ya Kristo, mpatanishwe na Mungu.
Koa dia iraka solon’ i Kristy izahay, toa an’ Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’ i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’ Andriamanitra anie ianareo.
21 Kristo hakuwa na dhambi, lakini Mungu alimfanya ahusike na dhambi kwa ajili yetu, ili sisi kwa kuungana naye, tupate kuushiriki uadilifu wake Mungu.
Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao aminy kosa isika.

< 2 Wakorintho 5 >