< 1 Petro 3 >

1 Nanyi wake, jiwekeni chini ya mamlaka ya waume zenu, ili kama wako waume wowote wasioamini neno la Mungu, wapate kuamini kwa kuuona mwenendo wenu. Haitakuwa lazima kwenu kusema neno,
Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ ny fitondran-tenan’ ny vavy izy, na dia tsy amin’ ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
2 kwani wataona jinsi mwenendo wenu ulivyo safi na wa kumcha Mungu.
rehefa hitany ny fahadiovan’ ny fitondran-tenanareo amin’ ny fahatahorana.
3 Katika kujipamba kwenu msitegemee mambo ya njenje, kama vile mitindo ya kusuka nywele, kujivalia vitu vya dhahabu na nguo maridadi.
Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;
4 Bali, uzuri wenu unapaswa kutokana na hali ya ndani ya utu wa kweli, uzuri usioharibika wa wema na utulivu wa roho, ambao ni wa thamani kubwa mbele ya Mungu.
fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’ Andriamanitra.
5 Ndivyo walivyojipamba hapo kale wanawake waadilifu waliomtumainia Mungu; walijiweka chini ya mamlaka ya waume zao.
Fa tahaka izany no niravahan’ ny vehivavy masìna fahiny, izay nanantena an’ Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
6 Sara kwa mfano alimtii Abrahamu na kumwita yeye bwana. Ninyi mmekuwa sasa binti zake kama mkitenda mema bila kuogopa tisho lolote.
dia tahaka an’ i Saraha, izay nanaiky an’ i Abrahama ka nanao azy hoe “tompoko”; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
7 Kadhalika nanyi waume, katika kuishi na wake zenu mnapaswa kutambua kwamba wao ni dhaifu na hivyo muwatendee kwa heshima; maana nao pia watapokea pamoja nanyi zawadi ya uzima anayowapeni Mungu. Hapo ndipo sala zenu hazitakataliwa.
Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ ny fiainana, ― mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
8 Mwisho nasema hivi: mnapaswa kuwa na moyo mmoja, na fikira moja; mnapaswa kupendana kidugu, kuwa wapole na wanyenyekevu ninyi kwa ninyi.
Farany, miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,
9 Msiwalipe watu ovu kwa ovu, au tusi kwa tusi; bali watakieni baraka, maana ninyi mliitwa na Mungu mpate kupokea baraka.
tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’ izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
10 Kama yasemavyo Maandiko Matakatifu: “Anayetaka kufurahia maisha, na kuona siku za fanaka, anapaswa kuacha kusema mabaya na kuacha kusema uongo.
“Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin’ ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;
11 Na ajiepushe na uovu, atende mema, atafute amani na kuizingatia.
Ary aoka izy hiala amin’ ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
12 Maana Bwana huwatazama kwa wema waadilifu na kuzisikiliza sala zao. Lakini huwapa kisogo watu watendao maovu.”
Fa ny mason’ ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan’ ny Tompo dia tezitra amin’ ny mpanao ratsy”.
13 Ni nani atakayeweza kuwadhuru ninyi kama mkizingatia kutenda mema?
Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’ izay tsara ianareo?
14 Lakini, hata kama itawapasa kuteseka kwa sababu ya kutenda mema, basi, mna heri. Msimwogope mtu yeyote, wala msikubali kutiwa katika wasiwasi.
Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
15 Lakini mtukuzeni Kristo kama Bwana mioyoni mwenu. Muwe tayari kumjibu yeyote atakayewaulizeni juu ya matumaini yaliyo ndani yenu,
fa manamasìna an i’ Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,
16 lakini fanyeni hivyo kwa upole na heshima. Muwe na dhamiri njema, kusudi mnapotukanwa, wale wanaosema ubaya juu ya mwenendo wenu mwema kama Wakristo, waone aibu.
ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
17 Maana ni afadhali kuteseka kwa sababu ya kutenda mema, kama Mungu akipenda, kuliko kuteseka kwa sababu ya kutenda uovu.
Fa raha sitrapon’ Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin’ ny fanaovan-tsoa noho ny amin’ ny fanaovan-dratsy.
18 Kwa maana Kristo mwenyewe alikufa kwa ajili ya dhambi zenu; alikufa mara moja tu na ikatosha, mtu mwema kwa ajili ya waovu, ili awapeleke ninyi kwa Mungu. Aliuawa kimwili lakini akafanywa hai kiroho;
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra, ka novonoina tamin’ ny nofo, fa novelomina tamin’ ny fanahy,
19 na kwa maisha yake ya kiroho alikwenda kuwahubiria wale roho waliokuwa kifungoni.
izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20 Hao ndio wale waliokataa kumtii Mungu alipowangoja kwa saburi wakati Noa alipokuwa anatayarisha ile safina. Ndani ya chombo hicho ni watu wachache tu, yaani watu wanane, waliookolewa majini,
dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
21 ambayo yalikuwa mfano wa ubatizo unaowaokoa ninyi sasa. Ubatizo si shauri la kuondoa uchafu mwilini, bali ni ahadi kwa Mungu inayofanyika katika dhamiri njema. Huwaokoeni kwa njia ya ufufuo wa Yesu Kristo,
izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’ io tandindona io, ― tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ ny nofo anefa, fa ny fitadiavana’ ny fieritreretana tsara eo anatrehan Andriamanitra, amin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty.
22 ambaye alikwenda mbinguni na sasa amekaa upande wa kulia wa Mungu, anatawala juu ya malaika, wakuu na wenye enzi.
Izay eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.

< 1 Petro 3 >