< Ezekieli 21 >

1 Neno la Bwana likanijia kusema:
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 “Mwanadamu, uelekeze uso wako juu ya Yerusalemu na uhubiri dhidi ya mahali patakatifu. Tabiri dhidi ya nchi ya Israeli
Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masìna, ka maminania ny amin’ ny hamelezana ny tanin’ ny Isiraely.
3 uiambie: ‘Hili ndilo Bwana asemalo: Mimi niko kinyume nawe. Nitautoa upanga wangu kwenye ala yake na kumkatilia mbali mwenye haki na mwovu.
Ary ataovy amin’ ny tanin’ ny Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin’ ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.
4 Kwa sababu nitamkatilia mbali mwenye haki na mwovu, upanga wangu utakuwa wazi dhidi ya kila mmoja kuanzia kusini mpaka kaskazini.
Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan’ ny sabatro amin’ ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,
5 Ndipo watu wote watajua ya kuwa Mimi Bwana nimeutoa upanga wangu kwenye ala yake, nao hautarudi humo tena.’
Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin’ ny tranony; Tsy hiditra intsony izy.
6 “Kwa hiyo lia kwa uchungu, mwanadamu! Lia kwa uchungu mbele yao kwa moyo uliopondeka na kwa huzuni nyingi.
Ary ianao, ry zanak’ olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin’ ny fangidiana eo imasony.
7 Nao watakapokuuliza, ‘Kwa nini unalia kwa uchungu?’ Utasema hivi, ‘Kwa sababu ya habari zinazokuja. Kila moyo utayeyuka na kila mkono utalegea, kila roho itazimia na kila goti litalegea kama maji.’ Habari hizo zinakuja! Hakika zitatokea, asema Bwana Mwenyezi.”
Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;
8 Neno la Bwana likanijia, kusema:
Dia tonga tamiko ay tenin’ i Jehovah nanao hoe:
9 “Mwanadamu, tabiri na useme, ‘Hili ndilo Bwana asemalo: “‘Upanga, upanga, ulionolewa na kusuguliwa:
Ry zanak’ olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.
10 umenolewa kwa ajili ya mauaji, umesuguliwa ili ungʼae kama umeme wa radi! “‘Je, tuifurahie fimbo ya utawala ya mwanangu Yuda? Upanga unaidharau kila fimbo ya namna hiyo.
Voaranitra hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon’ ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)
11 “‘Upanga umewekwa tayari ili kusuguliwa, ili upate kushikwa mkononi, umenolewa na kusuguliwa, umewekwa tayari kwa mkono wa muuaji.
Ary nomena hofotsiana izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra eo an-tanan’ ny mpamono.
12 Piga kelele na uomboleze, ee mwanadamu, kwa kuwa upanga u dhidi ya watu wangu; u dhidi ya wakuu wote wa Israeli. Wametolewa wauawe kwa upanga pamoja na watu wangu. Kwa hiyo pigapiga kifua chako.
Mitomania sy midradradradrà, ry zanak’ olona! Fa mihatra amin’ ny oloko izany, dia amin’ ny lehibe rehetra amin’ ny Isiraely; Lavon’ ny sabatra miaraka amin’ ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;
13 “‘Kwa maana upanga huu umejaribiwa na kuhakikishwa, itakuwaje basi fimbo ya ufalme ya Yuda inayoudharau kama haitakuwepo tena, bali itakuwa imeondolewa kabisa? asema Bwana Mwenyezi.’
Fa vita ny fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona? hoy Jehovah Tompo.
14 “Hivyo basi, mwanadamu, tabiri na ukapige makofi. Upanga wako na upige mara mbili, naam, hata mara tatu. Ni upanga wa kuchinja, upanga wa mauaji makuu, ukiwashambulia kutoka kila upande.
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana no manemitra azy.
15 Ili mioyo ipate kuyeyuka na wanaouawa wawe wengi, nimeweka upanga wa kuchinja kwenye malango yao yote. Lo! Umetengenezwa umetemete kama umeme wa radi, umeshikwa kwa ajili ya kuua.
Nahebihebiko teny amin’ ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.
16 Ee upanga, kata upande wa kuume, kisha upande wa kushoto, mahali popote makali yako yatakapoelekezwa.
Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin’ izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.
17 Mimi nami nitapiga makofi, nayo ghadhabu yangu itapungua. Mimi Bwana nimesema.”
Hiteha-tanana koa Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.
18 Neno la Bwana likanijia kusema:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
19 “Mwanadamu, weka alama njia mbili ambazo upanga wa mfalme wa Babeli utapitia, njia hizo zikianzia katika nchi hiyo hiyo. Weka kibao pale ambapo njia zinagawanyika kuelekea mjini.
Hianao, ry zanak’ olona, manaova lalana roa ho anao hihavian’ ny sabatry ny mpanjakan’ i Babylona; avy amin’ ny tany iray no hihavian’ izy roa; ka manaova sarin’ ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin’ ny tanàna no anaovinao azy.
20 Weka alama njia moja kwa ajili ya upanga upate kuja dhidi ya Raba ya Waamoni na nyingine upate kuja dhidi ya Yuda na Yerusalemu iliyozungushiwa ngome.
Manaova lalana hihavian’ ny sabatra ho any Raban’ ny taranak’ i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.
21 Kwa kuwa mfalme wa Babeli sasa amesimama katika njia panda, katika makutano ya njia mbili, akipiga ramli: anapiga kura kwa kutumia mishale, anataka shauri kwa sanamu zake, anachunguza maini ya wanyama.
Fa ny mpanjakan’ i Babylona mijanona eo amin’ ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan’ ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin’ ny sampy sy mizaha amin’ ny atin-kena.
22 Upande wake wa kuume inakuja kura ya Yerusalemu, ambapo ataweka vyombo vya kuvunjia boma, ili kuamrisha mauaji, kupiga ukelele wa vita, kuweka vyombo vya kuvunjia boma kwenye malango, kuweka jeshi kuzunguka na kufanya uzingiraji.
Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an’ i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin’ ny akoran’ ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin’ ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.
23 Itakuwa kama kupiga ramli kwa uongo kwa wale watu ambao wameapa kumtii yeye. Lakini mfalme wa Babeli atawakumbusha juu ya uovu wao na kuwachukua mateka.
Nefa tahaka ny sikidy lainga izany eo imason’ ireny izay efa nianiana mafy, nefa Jehovah no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.
24 “Kwa hiyo hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: ‘Kwa sababu enyi watu mmekumbusha uovu wenu kwa kuasi waziwazi, mkidhihirisha dhambi zenu katika yale yote mfanyayo, kwa kuwa mmefanya jambo hili, mtachukuliwa mateka.
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin’ ny nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin’ izay rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana ianareo.
25 “‘Ee mtawala kafiri na mwovu wa Israeli, ambaye siku yako imewadia, ambaye wakati wako wa adhabu umefikia kilele chake,
Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan’ ny Isiraely, izay tapitra andro amin’ ny fotoan’ ny heloka mahafaty,
26 hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Vua kilemba, ondoa taji. Kwa kuwa mambo hayatakuwa kama yalivyokuwa. Aliye mnyonge atakwezwa na aliyekwezwa atashushwa.
izao no lazain’ i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.
27 Mahame! Mahame! Nitaufanya mji kuwa mahame! Hautajengwa upya mpaka aje yule ambaye ndiye mwenye haki nao; yeye ndiye nitakayempa.’
Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan’ izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.
28 “Nawe, mwanadamu, tabiri na useme, ‘Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo kuhusu Waamoni na matukano yao. “‘Upanga, upanga, umefutwa kwa ajili ya kuua, umesuguliwa ili kuangamiza na unametameta kama umeme wa radi!
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny amin’ ny taranak’ i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy
29 Wakati wakitoa maono ya uongo kwa ajili yako, wanapobashiri uongo kwa ajili yako, wanakuweka wewe kwenye shingo za watu wapotovu, wale walio waovu, wale ambao siku yao imewadia, wakati wa adhabu yao ya mwisho.
(Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany anao ao amin’ ny vozon’ ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin’ ny fotoan’ ny heloka mahafaty.
30 Urudishe upanga kwenye ala yake! Katika mahali ulipoumbiwa, katika nchi ya baba zako, huko nitakuhukumu.
Ampidiro amin’ ny tranony izy. Any amin’ ny tany namoronana anao, dia any amin’ ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.
31 Nitamwaga ghadhabu yangu juu yako na kupuliza moto wa hasira yangu dhidi yako; nitakutia mikononi mwa watu wakatili, watu stadi katika kuangamiza.
Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon’ ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan’ ny olona ketrina.
32 Mtakuwa kuni za kuwashia moto, damu yenu itamwagwa katika nchi yenu, wala hamtakumbukwa tena; kwa maana Mimi Bwana nimesema.’”
Sy izay mpamorona fandringanana ianao, Dia ho kitain’ ny afo ianao; Ho eny amin’ ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.

< Ezekieli 21 >