< 1 Samweli 24 >

1 Baada ya Sauli kurudi kuwafuatia Wafilisti, akaambiwa kwamba, “Daudi yuko katika Jangwa la En-Gedi.”
Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr’ i En-jedy.
2 Basi Sauli akachukua watu hodari 3,000 kutoka Israeli yote kwenda kumsaka Daudi na watu wake karibu na Majabali ya Mbuzi-Mwitu.
Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an’ i Davida sy ny olony tany amin’ ny vatolampin’ ny osi-dia.
3 Akaja mpaka kwenye mazizi ya kondoo kando ya njia, hapo palikuwa na pango, na Sauli akaingia ndani kujipumzisha. Daudi na watu wake walikuwa wamo mle pangoni kwa ndani zaidi.
Ary tonga teo amin’ ny valan’ ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin’ ny zohy.
4 Watu wa Daudi wakasema, “Hii ndiyo siku aliyonena Bwana akikuambia, ‘Nitamtia adui yako mikononi mwako ili wewe umtendee utakavyo.’” Basi Daudi akanyemelea bila kuonekana na kukata upindo wa joho la Sauli.
Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: Izao no andro nolazain’ i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly.
5 Baada ya hilo, dhamiri ya Daudi ikataabika kwa kukata upindo wa joho la Sauli.
Nefa nony efa vita izany, dia namely an’ i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly,
6 Akawaambia watu wake, “Bwana na apishie mbali nisije nikafanya jambo kama hilo kwa bwana wangu, yeye ambaye ni mpakwa mafuta wa Bwana, au kuinua mkono wangu dhidi yake; kwani yeye ni mpakwa mafuta wa Bwana.”
ka hoy izy tamin’ ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin’ ny tompoko izay voahosotr’ i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
7 Kwa maneno haya Daudi akawaonya watu wake na hakuwaruhusu wamshambulie Sauli. Naye Sauli akaondoka pangoni na kwenda zake.
Dia nampijanona ny mpanompony tamin’ izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an’ i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin’ izay nalehany.
8 Ndipo Daudi naye akatoka pangoni na kumwita Sauli akisema, “Mfalme, bwana wangu!” Sauli alipotazama nyuma, Daudi akainama na kusujudu uso wake mpaka nchi.
Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an’ i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin’ ny tany Davida ka niankohoka.
9 Akamwambia Sauli, “Kwa nini unasikiliza wakati watu wanapokuambia, ‘Daudi amenuia kukudhuru’?
Ary hoy Davida tamin’ i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan’ olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?
10 Leo umeona kwa macho yako mwenyewe jinsi Bwana alivyokutia mikononi mwangu huko pangoni. Watu wengine walisisitiza nikuue, lakini nilikuacha, nikisema, ‘Sitainua mkono wangu dhidi ya bwana wangu, kwa sababu yeye ni mpakwa mafuta wa Bwana.’
Indro, hitan’ ny masonao androany ny nanoloran’ i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ ny tompoko aho, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
11 Tazama, baba yangu, ona kipande hiki cha joho lako mkononi mwangu! Nilikata upindo wa joho lako lakini sikukuua. Basi ujue na kutambua kuwa sina hatia ya kutenda mabaya wala ya kuasi. Wewe sijakukosea, lakini wewe unaniwinda mimi ili kuuondoa uhai wangu.
Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin’ ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin’ ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
12 Bwana na ahukumu kati yangu na wewe. Naye Bwana alipize mabaya unayonitendea, lakini mkono wangu hautakugusa.
Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.
13 Kama msemo wa kale usemavyo, ‘Kutoka kwa watenda maovu hutoka matendo maovu,’ kwa hiyo mkono wangu hautakugusa wewe.
Araka ny lazain’ ny ohabolan’ ny ntaolo hoe: Avy amin’ ny ratsy fanahy no ivoahan’ ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
14 “Je, mfalme wa Israeli ametoka dhidi ya nani? Ni nani unayemfuatia? Je, ni mbwa mfu? Ni kiroboto?
Hitady an’ iza no nivoahan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
15 Bwana na awe mwamuzi wetu, yeye na aamue kati yetu. Yeye na anitetee shauri langu; anihesabie haki kwa kuniokoa mkononi mwako.”
Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin’ ny tananao.
16 Daudi alipomaliza kusema haya, Sauli akamuuliza, “Je, hiyo ni sauti yako, Daudi mwanangu?” Ndipo Sauli akalia kwa sauti kuu, akisema,
Ary nony vita izany teny nataon’ i Davida tamin’ i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
17 “Wewe ni mwenye haki kuliko mimi; umenitendea mema, lakini mimi nimekutendea mabaya.
ary hoy izy tamin’ i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
18 Sasa umeniambia juu ya mema uliyonitendea. Bwana alinitia mikononi mwako, lakini wewe hukuniua.
Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr’ i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
19 Je, mtu ampatapo adui yake, humwacha aende zake bila kumdhuru? Bwana na akulipe mema kwa jinsi ulivyonitenda leo.
Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian’ i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
20 Ninajua kwamba hakika utakuwa mfalme na ya kwamba ufalme wa Israeli utakuwa imara mikononi mwako.
Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan’ ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao.
21 Sasa niapie kwa Bwana kwamba hutakatilia mbali uzao wangu wala kulifuta jina langu kutoka jamaa ya baba yangu.”
Koa mianiàna amiko amin’ i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin’ ny mpianakavin’ ny raiko ny anarako.
22 Basi Daudi akamwapia Sauli. Kisha Sauli akarudi zake nyumbani, lakini Daudi na watu wake wakapanda kwenda ngomeni.
Ary Davida dia nianiana tamin’ i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin’ ny batery fiarovana.

< 1 Samweli 24 >