< От Матфея святое благовествование 9 >

1 И влез в корабль, прейде и прииде во Свой град.
Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
2 И се, принесоша Ему разслаблена (жилами), на одре лежаща: и видев Иисус веру их, рече разслабленному: дерзай, чадо, отпущаются ти греси твои.
Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ ny paralysisa nandry tamin’ ny fandriana nentin’ ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
3 И се, нецыи от книжник реша в себе: Сей хулит.
Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.
4 И видев Иисус помышления их, рече: вскую вы мыслите лукавая в сердцах своих?
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
5 Что бо есть удобее рещи: отпущаются ти греси: или рещи: востани и ходи?
Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
6 Но да увесте, яко власть имать Сын Человеческий на земли отпущати грехи: тогда глагола разслабленному: востани, возми твой одр и иди в дом твой.
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana eto ambonin’ ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
7 И востав, (взем одр свой, ) иде в дом свой.
Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
8 Видевше же народи чудишася и прославиша Бога, давшаго власть таковую человеком.
Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an’ Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
9 И преходя Иисус оттуду, виде человека седяща на мытнице, Матфеа глаголема: и глагола ему: по Мне гряди. И востав по Нем иде.
Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.
10 И бысть Ему возлежащу в дому, и се, мнози мытари и грешницы пришедше возлежаху со Иисусом и со ученики Его.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’ i Jesosy mbamin’ ny mpianany.
11 И видевше фарисее, глаголаху учеником Его: почто с мытари и грешники Учитель ваш яст и пиет?
Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?
12 Иисус же слышав рече им: не требуют здравии врача, но болящии:
Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
13 шедше же научитеся, что есть: милости хощу, а не жертвы? Не приидох бо призвати праведники, но грешники на покаяние.
Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
14 Тогда приступиша к Нему ученицы Иоанновы, глаголюще: почто мы и фарисее постимся много, ученицы же Твои не постятся?
Dia nankany amin’ i Jesosy ny mpianatr’ i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
15 И рече им Иисус: еда могут сынове брачнии плакати, елико время с ними есть жених? Приидут же дние, егда отимется от них жених, и тогда постятся.
Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan’ ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izay vao hifady izy.
16 Никтоже бо приставляет приставления плата небелена ризе ветсе: возмет бо кончину свою от ризы, и горша дира будет.
Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
17 Ниже вливают вина нова в мехи ветхи: аще ли же ни, то просадятся меси, и вино пролиется, и меси погибнут: но вливают вино ново в мехи новы, и обое соблюдется.
Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
18 Сия Ему глаголющу к ним, се, князь некий пришед кланяшеся Ему, глаголя, яко дщи моя ныне умре: но пришед возложи на ню руку Твою, и оживет.
Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.
19 И востав Иисус по нем иде, и ученицы Его.
Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin’ ny mpianany.
20 И се, жена кровоточива дванадесяте лет, приступльши созади, прикоснуся воскрилию ризы Его,
Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin’ ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.
21 глаголаше бо в себе: аще токмо прикоснуся ризе Его, спасена буду.
Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho.
22 Иисус же обращься и видев ю, рече: дерзай, дщи, вера твоя спасе тя. И спасена бысть жена от часа того.
Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’ izay ora izay.
23 И пришед Иисус в дом княжь, и видев сопцы и народ молвящь,
Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
24 глагола им: отидите, не умре бо девица, но спит. И ругахуся Ему.
dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
25 Егда же изгнан бысть народ, вшед ят ю за руку: и воста девица.
Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.
26 И изыде весть сия по всей земли той.
Ary ny lazan’ izany dia niely tamin’ izany tany rehetra izany.
27 И преходящу оттуду Иисусови, по Нем идоста два слепца, зовуща и глаголюща: помилуй ны, (Иисусе) сыне Давидов.
Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak’ i Davida ô!
28 Пришедшу же Ему в дом, приступиста к Нему слепца, и глагола има Иисус: веруета ли, яко могу сие сотворити? Глаголаста Ему: ей, Господи.
Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
29 Тогда прикоснуся очию их, глаголя: по вере ваю буди вама.
Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
30 И отверзостася очи има: и запрети има Иисус, глаголя: блюдита, да никтоже увесть.
Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’ olona izao.
31 Она же изшедша прослависта Его по всей земли той.
Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin’ izany tany rehetra izany.
32 Тема же исходящема, се, приведоша к Нему человека нема беснуема.
Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin’ ny olona tany amin’ i Jesosy.
33 И изгнану бесу, проглагола немый. И дивишася народи, глаголюще, яко николиже явися тако во Израили.
Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin’ ny Isiraely.
34 Фарисее же глаголаху: о князи бесовстем изгонит бесы.
Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.
35 И прохождаше Иисус грады вся и веси, учя на сонмищих их, и проповедая Евангелие Царствия, и целя всяк недуг и всяку язю в людех.
Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra.
36 Видев же народы, милосердова о них, яко бяху смятени и отвержени, яко овцы не имущыя пастыря.
Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
37 Тогда глагола учеником Своим: жатва убо многа, делателей же мало:
Dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:
38 молитеся убо Господину жатвы, яко да изведет делатели на жатву Свою.
Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’ izany mangataha amin’ ny Tompon’ ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.

< От Матфея святое благовествование 9 >