< От Матфея святое благовествование 20 >

1 Подобно бо есть Царствие Небесное человеку домовиту, иже изыде купно утро наяти делатели в виноград свой,
Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
2 и совещав с делатели по пенязю на день, посла их в виноград свой.
Ary rehefa nifanekeny tamin’ ny mpiasa fa ho denaria isan’ andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ ny tanim-boalobony ireny.
3 И изшед в третий час, виде ины стоящя на торжищи праздны,
Ary nivoaka tamin’ ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
4 и тем рече: идите и вы в виноград мой, и еже будет правда, дам вам. Они же идоша.
ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin’ ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.
5 Паки же изшед в шестый и девятый час, сотвори такоже.
Ary nivoaka tamin’ ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
6 Во единыйженадесять час изшед, обрете другия стоящя праздны и глагола им: что зде стоите весь день праздни?
Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
7 Глаголаша ему: яко никтоже нас наят. Глагола им: идите и вы в виноград (мой), и еже будет праведно, приимете.
Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ ny tanim-boaloboka.
8 Вечеру же бывшу, глагола господин винограда к приставнику своему: призови делатели и даждь им мзду, начен от последних до первых.
Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka tamin’ ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin’ ireo taoriana ka vao hatramin’ ireo voalohany.
9 И пришедше иже во единыйнадесять час, прияша по пенязю.
Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.
10 Пришедше же первии мняху, яко вящше приимут: и прияша и тии по пенязю:
Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.
11 приемше же роптаху на господина,
Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin’ ny tompon-trano ka nanao hoe:
12 глаголюще, яко сии последнии един час сотвориша, и равных нам сотворил их еси, понесшым тяготу дне и вар.
Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.
13 Он же отвещав рече единому их: друже, не обижу тебе: не по пенязю ли совещал еси со мною?
Fa izy namaly ka nanao tamin’ ny anankiray amin’ ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
14 Возми твое и иди: хощу же и сему последнему дати, якоже и тебе:
Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
15 или несть ми леть сотворити, еже хощу, во своих ми? Аще око твое лукаво есть, яко аз благ есмь?
Tsy mahazo manao izay tiako amin’ ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
16 Тако будут последнии перви, и первии последни: мнози бо суть звани, мало же избранных.
Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
17 И восходя Иисус во Иерусалим, поят обанадесяте ученика едины на пути и рече им:
Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin’ ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:
18 се, восходим во Иерусалим, и Сын Человеческий предан будет архиереем и книжником: и осудят Его на смерть,
Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy
19 и предадят Его языком на поругание и биение и пропятие: и в третий день воскреснет.
ka hatolony amin’ ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ ny hazo fijaliana; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
20 Тогда приступи к Нему мати сыну Зеведеову с сынома своима, кланяющися и просящи нечто от Него.
Ary tamin’ izany dia nanatona an’ i Jesosy ny renin’ ny zanak’ i Zebedio mbamin’ ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
21 Он же рече ей: чесо хощеши? Глагола Ему: рцы, да сядета сия оба сына моя, един одесную Тебе, и един ошуюю (Тебе), во Царствии Твоем.
Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan’ ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny ankavianao, ao amin’ ny fanjakanao.
22 Отвещав же Иисус рече: не веста, чесо просита: можета ли пити чашу, юже Аз имам пити, или крещением, имже Аз крещаюся, креститися? Глаголаста Ему: можева.
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin’ ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
23 И глагола има: чашу убо Мою испиета, и крещением, имже Аз крещаюся, имате креститися: а еже сести одесную Мене и ошуюю Мене, несть Мое дати, но имже уготовася от Отца Моего.
Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin’ ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ ny Raiko izany no homena.
24 И слышавше десять, негодоваша о обою брату.
Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ izy mirahalahy.
25 Иисус же призвав их, рече: весте, яко князи язык господствуют ими, и велицыи обладают ими:
Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan’ ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
26 не тако же будет в вас: но иже аще хощет в вас вящший быти, да будет вам слуга:
Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
27 и иже аще хощет в вас быти первый, буди вам раб:
ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
28 якоже Сын Человеческий не прииде, да послужат Ему, но послужити и дати душу Свою избавление за многих.
Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
29 И исходящу Ему от Иерихона, по Нем иде народ мног.
Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an’ i Jesosy.
30 И се, два слепца седяща при пути, слышавша, яко Иисус мимоходит, возописта, глаголюща: помилуй ны, Господи, Сыне Давидов.
Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’ i Davida ô!
31 Народ же прещаше има, да умолчита: она же паче вопияста, глаголюща: помилуй ны, Господи, Сыне Давидов.
Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’ i Davida ô!
32 И востав Иисус возгласи я и рече: что хощета, да сотворю вама?
Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
33 Глаголаста Ему: Господи, да отверзетеся очи наю.
Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.
34 Милосердовав же Иисус прикоснуся очию има: и абие прозреста има очи, и по Нем идоста.
Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin’ izay izy, dia nanaraka an’ i Jesosy.

< От Матфея святое благовествование 20 >