< От Марка святое благовествование 8 >

1 В тыя дни, зело многу народу сущу, и не имущым чесо ясти, призвав Иисус ученики Своя, глагола им:
Tamin’ izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin’ i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
2 милосердую о народе, яко уже три дни приседят Мне и не имут чесо ясти:
Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;
3 и аще отпущу их не ядших в домы своя, ослабеют на пути: мнози бо от них издалеча пришли суть.
koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.
4 И отвещаша Ему ученицы Его: откуду сих возможет кто зде насытити хлебы в пустыни?
Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
5 И вопроси их: колико имате хлебов? Они же реша: седмь.
Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
6 И повеле народу возлещи на земли: и приемь седмь хлебов, хвалу воздав, преломи и даяше учеником Своим, да предлагают: и предложиша пред народом.
Dia nasainy nipetraka tamin’ ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan’ ny vahoaka izany.
7 И имяху рыбиц мало: и (сия) благословив, рече предложити и тыя.
Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan’ i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
8 Ядоша же и насытишася: и взяша избытки укрух, седмь кошниц.
Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
9 Бяху же ядших яко четыре тысящы. И отпусти их.
Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
10 И абие влез в корабль со ученики Своими, прииде во страны Далмануфански.
Ary niaraka tamin’ izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ ny mpianany ka tonga tany amin’ ny fari-tanin’ i Dalmanota.
11 И изыдоша фарисее и начаша стязатися с Ним, ищуще от Него знамения с небесе, искушающе Его.
Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
12 И воздохнув духом Своим, глагола: что род сей знамения ищет? Аминь глаголю вам, аще дастся роду сему знамение.
Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
13 И оставль их, влез паки в корабль, (и) иде на он пол.
Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
14 И забыша ученицы Его взяти хлебы и разве единаго хлеба не имяху с собою в корабли.
Ary tsy tsaroan’ ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
15 И прещаше им, глаголя: зрите, блюдитеся от кваса фарисейска и от кваса Иродова.
Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny masirasiran’ i Heroda.
16 И помышляху, друг ко другу глаголюще, яко хлебы не имамы.
Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
17 И разумев Иисус, глагола им: что помышляете, яко хлебы не имате? Не у ли чувствуете, ниже разумеете? Еще ли окаменено сердце ваше имате?
Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
18 Очи имуще не видите? И ушы имуще не слышите? И не помните ли,
Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
19 егда пять хлебы преломих в пять тысящ, колико кош исполнь укрух приясте? Глаголаша Ему: дванадесять.
Raha ny mofo dimy no novakiko ho an’ ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin’ ny folo.
20 Егда же седмь в четыре тысящы, колико кошниц исполнения укрух взясте? Они же реша: седмь.
Ary raha ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
21 И глагола им: како не разумеете?
Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
22 И прииде в Вифсаиду: и приведоша к Нему слепа, и моляху Его, да его коснется.
Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’ i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
23 И емь за руку слепаго, изведе его вон из веси: и плюнув на очи его, (и) возложь руце нань, вопрошаше его, аще что видит?
Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
24 И воззрев глаголаше: вижу человеки яко древие ходящя.
Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
25 Потом (же) паки возложи руце на очи его и сотвори его прозрети: и утворися и узре светло все.
Dia napetrany tamin’ ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
26 И посла его в дом его, глаголя: ни в весь вниди, ни повеждь кому в веси.
Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
27 И изыде Иисус и ученицы Его в веси Кесарии Филипповы: и на пути вопрошаше ученики Своя, глаголя им: кого Мя глаголют человецы быти?
Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ ireny tanàna momba an’ i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa Aho?
28 Они же отвещаша: Иоанна Крестителя: и инии Илию: друзии же единаго от пророк.
Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin’ ny mpaminany.
29 И Той глагола им: вы же кого Мя глаголете быти? Отвещав же Петр глагола Ему: Ты еси Христос.
Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.
30 И запрети им, да ни комуже глаголют о Нем.
Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin’ olona.
31 И начат учити их, яко подобает Сыну Человеческому много пострадати, и искушену быти от старец и архиерей и книжник, и убиену быти, и в третий день воскреснути.
Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
32 И не обинуяся слово глаголаше. И приемь Его Петр, начат претити Ему.
Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.
33 Он же обращься и воззрев на ученики Своя, запрети Петрови, глаголя: иди за Мною, сатано: яко не мыслиши, яже (суть) Божия, но яже человеческа.
Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
34 И призвав народы со ученики Своими, рече им: иже хощет по Мне ити, да отвержется себе, и возмет крест свой, и по Мне грядет:
Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
35 иже бо аще хощет душу свою спасти, погубит ю: а иже погубит душу свою Мене ради и Евангелиа, той спасет ю:
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
36 кая бо польза человеку, аще приобрящет мир весь, и отщетит душу свою?
Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
37 Или что даст человек измену на души своей?
Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
38 Иже бо аще постыдится Мене и Моих словес в роде сем прелюбодейнем и грешнем, и Сын Человеческий постыдится его, егда приидет во славе Отца Своего со Ангелы святыми.
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.

< От Марка святое благовествование 8 >