< От Марка святое благовествование 5 >

1 И приидоша на он пол моря, во страну Гадаринскую.
Ary tonga teny am-pitan’ ny ranomasina tao amin’ ny tanin’ ny Gerasena izy ireo.
2 И излезшу Ему из корабля, абие срете Его от гробов человек в дусе нечисте,
Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’ izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ ny fasana ka nifanena taminy,
3 иже жилище имяше во гробех, и ни веригами никтоже можаше его связати:
fa nitoetra tao amin’ ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ ny gadra aza.
4 зане ему многажды путы и ужы (железны) связану сущу, и растерзатися от него ужем (железным) и путом сокрушатися: и никтоже можаше его умучити:
Fa efa nafatony matetika tanin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
5 и выну нощь и день во гробех и в горах бе, вопия и толкийся камением.
Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ ny vato.
6 Узрев же Иисуса издалеча, тече и поклонися Ему,
Fa nony nahita an’ i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
7 и возопив гласом велиим, рече: что мне и Тебе, Иисусе, Сыне Бога Вышняго? Заклинаю Тя Богом, не мучи мене.
sady niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin’ Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
8 Глаголаше бо ему: изыди, душе нечистый, от человека.
satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
9 И вопрошаше его: что ти есть имя? И отвеща глаголя: легеон имя мне, яко мнози есмы.
Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
10 И молиша Его много, да не послет их вне страны.
Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’ izany tany izany.
11 Бе же ту при горе стадо свиное велие пасомо.
Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin’ ny tendrombohitra.
12 И молиша Его вси беси, глаголюще: посли ны во свиния, да в ня внидем.
Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin’ ny kisoa mba hiditra any aminy.
13 И повеле им абие Иисус. И изшедше дуси нечистии, внидоша во свиния: и устремися стадо по брегу в море, бяху же яко две тысящы, и утопаху в мори.
Dia neken’ i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin’ ny ranomasina izy.
14 Пасущии же свиния бежаша и возвестиша во граде и в селех. И изыдоша видети, что есть бывшее.
Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
15 И приидоша ко Иисусови, и видеша бесновавшагося седяща и оболчена и смысляща, имевшаго легеон: и убояшася.
ary tonga tany amin’ i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
16 Поведаша же им видевшии, како бысть бесному, и о свиниях.
Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin’ ny olona izay natao tamin’ ilay demoniaka sy ny amin’ ny kisoa.
17 И начаша молити Его отити от предел их.
Ary nifona tamin’ i Jesosy izy mba hiala amin’ ny taniny.
18 И влезшу Ему в корабль, моляше Его бесновавыйся, дабы был с Ним.
Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
19 Иисус же не даде ему, но рече ему: иди в дом твой ко твоим и возвести им, елика ти Господь сотвори и помилова тя.
Nefa tsy navelan’ i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
20 И иде и нача проповедати в десяти градех, елика сотвори ему Иисус. И вси дивляхуся.
Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’ i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
21 И прешедшу Иисусу в корабли паки на он пол, собрася народ мног о Нем. И бе при мори.
Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
22 И се, прииде един от архисинагог, именем Иаир, и видев Его, паде при ногу Его
Dia avy ny anankiray tamin’ ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony
23 и моляше Его много, глаголя, яко дщи моя на кончине есть: да пришед возложиши на ню руце, яко да спасется и жива будет.
ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.
24 И иде с ним: и по Нем идяху народи мнози и угнетаху Его.
Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
25 И жена некая сущи в точении крове лет дванадесяте,
Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin’ ny folo taona
26 и много пострадавши от мног врачев, и издавши своя вся, и ни единыя пользы обретши, но паче в горшее пришедши:
sady efa niaritra zavatra be tamin’ ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
27 слышавши о Иисусе, пришедши в народе созади, прикоснуся ризе Его:
koa rehefa nahare ny amin’ i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
28 глаголаше бо, яко, аще прикоснуся ризам Его, спасена буду.
Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.
29 И абие изсякну источник крове ея: и разуме телом, яко изцеле от раны.
Ary niaraka tamin’ izay dia ritra ny loharanon’ aretiny, ka tsaroany tao amin’ ny tenany fa sitrana izy.
30 И абие Иисус разуме в Себе силу изшедшую от Него, (и) обращься в народе, глаголаше: кто прикоснуся ризам Моим?
Ary niaraka tamin’ izay dia fantatr’ i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan’ ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
31 И глаголаху Ему ученицы Его: видиши народ угнетающь Тя, и глаголеши: кто прикоснуся Мне?
Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?
32 И обглядаше видети сотворшую сие.
Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.
33 Жена же убоявшися и трепещущи, ведящи, еже бысть ей, прииде и припаде к Нему и рече Ему всю истину.
Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.
34 Он же рече ей: дщи, вера твоя спасе тя: иди в мире и буди цела от раны твоея.
Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ ny aretinao.
35 Еще Ему глаголющу, (и) приидоша от архисинагога, глаголюще, яко дщи твоя умре: что еще движеши Учителя?
Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
36 Иисус же абие слышав слово глаголемое, глагола архисинагогови: не бойся, токмо веруй.
Fa tsy nahoan’ i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
37 И не остави по Себе ни единаго ити, токмо Петра и Иакова и Иоанна брата Иаковля.
Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’ i Jakoba.
38 И прииде в дом архисинагогов и виде молву, плачущыяся и кричащыя много.
Ary dia tonga tao an-tranon’ ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan’ i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
39 И вшед глагола им: что молвите и плачетеся? Отроковица несть умерла, но спит.
Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.
40 И ругахуся Ему. Он же изгнав вся, поят отца отроковицы и матерь, и иже (беху) с Ним, и вниде, идеже бе отроковица лежащи.
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ izay olona teo aminy ka niditra tao amin’ izay nisy an-drazazavavy.
41 И емь за руку отроковицу, глагола ей: талифа куми: еже есть сказаемо: девице, тебе глаголю, востани.
Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.
42 И абие воста девица и хождаше: бе бо лет двоюнадесяте. И ужасошася ужасом велиим.
Dia nitsangana niaraka tamin’ izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin’ ny folo taona izy. Ary niaraka tamin’ izay dia talanjona indrindra ny olona.
43 И запрети им много, да никтоже увесть сего, и рече: дадите ей ясти.
Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’ olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.

< От Марка святое благовествование 5 >