< Послание к Евреям 8 >

1 Глава же о глаголемых: такова имамы Первосвященника, Иже седе о десную престола величествия на небесех,
Ary amin’ izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ ny Avo Indrindra any an-danitra,
2 святым служитель и скинии истинней, юже водрузи Господь, а не человек.
Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona.
3 Всяк бо первосвященник, во еже приносити дары же и жертвы, поставляемь бывает: темже потреба имети что и Сему, еже принесет.
Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’ izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.
4 Аще бы бо был на земли, не бы был священник, сущым священником приносящым по закону дары,
Koa raha etỳ ambonin’ ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
5 иже образу и стени служат небесных, якоже глаголано бысть Моисею, хотящу сотворити скинию: виждь бо, рече, сотвориши вся по образу показанному ти на горе.
dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’ izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’ Andriamanitra an’ i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: “Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra”.
6 Ныне же лучшее улучи служение, по елику и лучшаго завета есть ходатай, иже на лучших обетованиих узаконися.
Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra.
7 Аще бо бы первый он непорочен был, не бы второму искалося место.
Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa.
8 Укоряя бо их глаголет: се, дние грядут, глаголет Господь, и совершу на дом Израилев и на дом Иудов завет нов,
Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ isiraely sy ny taranak’ i Joda,
9 не по завету, егоже сотворих отцем их в день, в оньже емшу ми их за руку, извести их от земли Египетския: зане тии не пребыша в завете Моем, и Аз нерадих о них, глаголет Господь.
Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany Tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
10 Яко сей завет, егоже завещаю дому Израилеву по онех днех, глаголет Господь, дая законы Моя в мысли их, и на сердцах их напишу их, и буду им Бог, и тии будут Мне людие.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
11 И не имать научити кийждо искренняго своего и кийждо брата своего, глаголя: познай Господа: яко вси уведят Мя от мала даже и до велика их,
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra;
12 зане милостив буду неправдам их и грехов их и беззаконий их не имам помянути ктому.
Fa hamindra fo amin’ ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany".
13 Внегда же глаголет нов, обветши перваго: а обветшавающее и состаревающееся близ есть истления.
Amin’ ny anaovany hoe “vaovao” dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.

< Послание к Евреям 8 >