< Послание к Евреям 5 >

1 Всяк бо первосвященник, от человек приемлемь, за человеки поставляется на службы яже к Богу, да приносит дары же и жертвы о гресех,
Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ ny olona ka tendrena ho solon’ ny olona hanao ny raharahan’ Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
2 спострадати могий невежствующым и заблуждающым, понеже и той немощию обложен есть:
dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ ny fahalemena ihany;
3 и сего ради должен есть якоже о людех, такожде и о себе приносити за грехи.
ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an’ ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ ny olona ihany.
4 И никтоже сам себе приемлет честь, но званный от Бога, якоже и Аарон.
Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ ny tenany afa-tsy izay antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’ i Arona.
5 Тако и Христос не Себе прослави быти первосвященника, но Глаголавый к Нему: Сын Мой еси Ты, Аз днесь родих Тя:
Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”;
6 якоже и инде глаголет: Ты еси священник во век по чину Мелхиседекову. (aiōn g165)
ary toy ny lazainy eo amin’ ny teny hafa koa hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”. (aiōn g165)
7 Иже во днех плоти Своея моления же и молитвы к Могущему спасти Его от смерти с воплем крепким и со слезами принес, и услышан быв от благоговеинства,
Tamin’ ny andron’ ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’ izay nahavonjy Azy tamin’ ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’ Andriamanitra,
8 аще и Сын бяше, обаче навыче от сих, яже пострада, послушанию,
dia nianatra fanarahana tamin’ izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
9 и совершився бысть всем послушающым Его виновен спасения вечнаго, (aiōnios g166)
ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ ny famonjena mandrakizay ho an’ izay rehetra manaraka Azy, (aiōnios g166)
10 наречен от Бога Первосвященник по чину Мелхиседекову.
fa notononin’ Andriamanitra hoe Mpisoronabe “araka ny fanaon’ i Melkizedeka.”
11 О немже многое нам слово и неудобь сказаемое глаголати, понеже немощни бысте слухи.
Ny amin’ izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
12 Ибо, должни суще быти учителие лет ради, паки требуете учитися, кая писмена начала словес Божиих: и бысте требующе млека, а не крепкия пищи.
Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan’ ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ ny tenin’ Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
13 Всяк бо причащаяйся млека неискусен слова правды, младенец бо есть:
Fa izay rehetra mivelona amin’ ny ronono dia tsy zatra amin’ ny tenin’ ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.
14 совершенных же есть твердая пища, имущих чувствия обучена долгим учением в разсуждение добра же и зла.
Fa ho an’ izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’ izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.

< Послание к Евреям 5 >