< Деяния святых апостолов 26 >

1 Агриппа же к Павлу рече: повелевается ти о себе самому глаголати. Тогда Павел простер руку отвещаваше:
Ary hoy Agripa tamin’ i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
2 о всех, о нихже оклеветаемь есмь от Иудей, царю Агриппо, непщую себе блаженна быти, яко пред тобою отвещати днесь имам,
Ny amin’ ny zavatra rehetra iampangan’ ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
3 паче же ведца тя суща сведый всех Иудейских обычаев и взысканий. Темже молюся ти долготерпеливно послушати мене.
indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin’ ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
4 Житие убо мое еже от юности, исперва бывшее во языце моем во Иерусалиме, ведят вси Иудее,
Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin’ ny fireneko tany Jerosalema hatramin’ ny voalohany;
5 ведяще мя исперва, аще хотят свидетелствовати, яко по известней ереси нашея веры жих фарисей.
eny, fantany hatramin’ ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ ny fivavahantsika.
6 И ныне о уповании обетования, бывшаго от Бога ко отцем нашым, стою судимь,
Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
7 в неже обанадесяте колена наша безпрестани день и нощь служаще надеются доити: о немже уповании оклеветаемь есмь, царю Агриппо, от Иудей.
dia ilay fanantenana andrasan’ ny firenentsika roa ambin’ ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra andro aman’ alina. Izany fanantenana izany no iampangan’ ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
8 Что? Неверно ли судится вами, яко Бог мертвыя возставляет?
Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
9 Аз убо мнех, яко подобает ми многа сопротивна противу имене Иисуса Назореа сотворити:
Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran’ i Jesosy avy any Nazareta,
10 еже и сотворих во Иерусалиме, и многи от святых аз в темницах затворях, власть от архиерей приемь: убиваемым же им прилагах совет:
sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masìna no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
11 и на всех сонмищих множицею мучя их, принуждах хулити: преизлиха же враждуя на них, гонях даже и до внешних градов.
Ary nampijaly azy matetika teo amin’ ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin’ ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin’ ny tanàna any ivelany koa aza.
12 В нихже идый в Дамаск со властию и повелением, еже от архиерей,
Ary tamin’ izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin’ ny lohan’ ny mpisorona,
13 в полудни на пути видех, царю, с небесе паче сияния солнечнаго осиявший мя свет и со мною идущих.
koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin’ izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
14 Всем же падшым нам на землю, слышах глас глаголющь ко мне и вещающь еврейским языком: Савле, Савле, что Мя гониши? Жестоко ти есть противу рожна прати.
Ary rehefa lavo tamin’ ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin’ ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
15 Аз же рех: кто еси, Господи? Он же рече: Аз есмь Иисус, Егоже ты гониши:
Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
16 но востани и стани на ногу твоею: на се бо явихся ти, сотворити тя слугу и свидетеля, яже видел еси и яже явлю тебе,
Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’ izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,
17 изимая тя от людий Иудейских и от язык, к нимже Аз тя послю,
hamonjy anao amin’ ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,
18 отверсти очи их, да обратятся от тмы в свет и от области сатанины к Богу, еже прияти им оставление грехов и достояние во святых верою, яже в Мя.
hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
19 Темже, царю Агриппо, не бых противен небесному видению,
Ary amin’ izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;
20 но сущым в Дамасце прежде и во Иерусалиме, и во всяцей стране Иудейстей и языком проповедую покаятися и обратитися к Богу, достойна покаянию дела творяще.
fa nambarako voalohany tamin’ izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin’ ny tany Jodia rehetra ary tany amin’ ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin’ Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.
21 Сих ради мя Иудее емше во святилищи хотяху растерзати.
Ary izany no nisamboran’ ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
22 Помощь убо улучив яже от Бога, даже до дне сего стою, свидетелствуя малу же и велику, ничтоже вещая, разве яже пророцы рекоша хотящая быти и Моисей,
Ary noho ny fitahian’ Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain’ ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,
23 яко Христос имеяше пострадати, яко первый от воскресения мертвых свет хотяше проповедати людем (Иудейским) и языком.
fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ ny maty ka hitory fahazavana amin’ ny olona Isiraely sy amin’ ny jentilisa.
24 Сия же ему отвещавающу, Фист велиим гласом рече: беснуешися ли, Павле? Многия тя книги в неистовство прелагают.
Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin’ ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.
25 Он же: не беснуюся, рече, державный Фисте, но истины и целомудрия глаголы вещаю:
Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin’ ny fahamarinana sy ny fahononana.
26 весть бо о сих царь, к немуже и с дерзновением глаголю: утаитися бо ему от сих не верую ничесомуже, несть бо во угле сотворено сие:
Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin’ ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin’ ny takona izany.
27 веруеши ли, царю Агриппо, пророком? Вем, яко веруеши.
Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.
28 Агриппа же к Павлу рече: вмале мя препираеши Христианина быти.
Fa hoy Agripa tamin’ i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.
29 Павел же рече: молил убо бых Бога, и вмале и во мнозе, не токмо тебе, но и всех слышащих мя днесь, быти им тацем, яков и аз есмь, кроме уз сих.
Ary hoy Paoly: Mangataka amin’ Andriamanitra aho, fa na amin’ ny mora, na amin’ ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ ireto gadra ireto ihany.
30 И сия рекшу ему, воста царь и игемон, и Верникиа и седящии с ними,
Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin’ izay niara-nipetraka teo aminy;
31 и отшедше беседоваху друг ко другу, глаголюще, яко ничтоже смерти достойно или уз творит человек сей.
ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.
32 Агриппа же Фисту рече: отпущен быти можаше человек сей, аще не бы кесаря нарицал. И тако суди игемон послати его к кесарю.
Ary hoy Agripa tamin’ i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan’ i Kaisara izy.

< Деяния святых апостолов 26 >