< Деяния святых апостолов 2 >

1 И егда скончавашася дние Пятьдесятницы, беша вси Апостоли единодушно вкупе.
Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ ny fitoerana iray izy rehetra.
2 И бысть внезапу с небесе шум, яко носиму дыханию бурну, и исполни весь дом, идеже бяху седяще:
Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
3 и явишася им разделени языцы яко огненни, седе же на единем коемждо их.
Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’ izy rehetra isan-olona izany.
4 И исполнишася вси Духа Свята и начаша глаголати иными языки, якоже Дух даяше им провещавати.
Ary samy feno ny Fanahy Masìna izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masìna azy.
5 Бяху же во Иерусалиме живущии Иудее, мужие благоговейнии, от всего языка, иже под небесем.
Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’ ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ ny lanitra.
6 Бывшу же гласу сему, снидеся народ и смятеся, яко слышаху един кийждо их своим языком глаголющих их.
Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ ny fiteniny avy izy rehetra.
7 Дивляхуся же вси и чудяхуся, глаголюще друг ко другу: не се ли, вси сии суть глаголющии Галилеане?
Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
8 И како мы слышим кийждо свой язык наш, в немже родихомся,
Koa ahoana no andrenesantsika amin’ ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
9 Парфяне и Мидяне и Еламите, и живущии в Месопотамии, во Иудеи же и Каппадокии, в Понте и во Асии,
― dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
10 во Фригии же и Памфилии, во Египте и странах Ливии, яже при Киринии, и приходящии Римляне, Иудее же и пришелцы,
sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’ i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
11 критяне и аравляне, слышим глаголющих их нашими языки величия Божия?
Kretana sy Arabo ― koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra?
12 Ужасахуся же вси и недоумевахуся, друг ко другу глаголюще: что убо хощет сие быти?
Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’ izany?
13 Инии же ругающеся глаголаху, яко вином исполнени суть.
Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
14 Став же Петр со единонадесятьми, воздвиже глас свой и рече им: мужие Иудейстии и живущии во Иерусалиме вси, сие вам разумно да будет, и внушите глаголы моя:
Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
15 не бо, якоже вы непщуете, сии пияни суть, есть бо час третий дне:
Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
16 но сие есть реченное пророком Иоилем:
Fa izao ilay nampilazaina an’ i Joela mpaminany hoe:
17 и будет в последния дни, глаголет Господь, излию от Духа Моего на всяку плоть, и прорекут сынове ваши и дщери вашя, и юноши ваши видения узрят, и старцы ваши сония видят:
Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
18 ибо на рабы Моя и на рабыни Моя во дни оны излию от Духа Моего, и прорекут:
Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany, Ka dia haminany izy;
19 и дам чудеса на небеси горе и знамения на земли низу, кровь и огнь и курение дыма:
Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon’ ny setroka;
20 солнце преложится во тму, и луна в кровь, прежде даже не приити дню Господню великому и просвещенному:
Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
21 и будет, всяк, иже аще призовет имя Господне, спасется.
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia hovonjena.
22 Мужие Израилстии, послушайте словес сих: Иисуса Назореа, Мужа от Бога извествованна в вас силами и чудесы и знамении, яже сотвори Тем Бог посреде вас, якоже и сами весте,
Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
23 Сего нарекованным советом и проразумением Божиим предана приемше, руками беззаконных пригвождше убисте:
Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna;
24 Егоже Бог воскреси, разрешив болезни смертныя, якоже не бяше мощно держиму быти Ему от нея.
fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy.
25 Давид бо глаголет о Нем: предзрех Господа предо мною выну, яко о десную мене есть, да не подвижуся:
Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an’ i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
26 сего ради возвеселися сердце мое, и возрадовася язык мой: еще же и плоть моя вселится на уповании,
Dia izany no nifalian’ ny foko sy niravoravoan’ ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin’ ny fanantenana;
27 яко не оставиши души моея во аде, ниже даси преподобному Твоему видети истления: (Hadēs g86)
Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; (Hadēs g86)
28 сказал ми еси пути живота: исполниши мя веселия с лицем Твоим.
Nampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ ny tavanao.
29 Мужие братие, достоит рещи с дерзновением к вам о патриарсе Давиде, яко и умре и погребен бысть, и гроб его есть в нас даже до дне сего:
Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’ i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
30 пророк убо сый и ведый, яко клятвою клятся ему Бог от плода чресл его по плоти воздвигнути Христа и посадити Его на престоле его,
Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany,
31 предвидев глагола о воскресении Христове, яко не оставися душа Его во аде, ни плоть Его виде истления. (Hadēs g86)
koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’ i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. (Hadēs g86)
32 Сего Иисуса воскреси Бог, емуже вси мы есмы свидетелие.
Izany Jesosy izany dia efa natsangan’ Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra.
33 Десницею убо Божиею вознесеся, и обетование Святаго Духа приемь от Отца, излия сие, еже вы ныне видите и слышите.
Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ ny Ray ny Fanahy Masìna Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
34 Не бо Давид взыде на небеса, глаголет бо сам: рече Господь Господеви моему: седи о десную Мене,
Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
35 дондеже положу враги Твоя подножие ног Твоих.
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
36 Твердо убо да разумеет весь дом Израилев, яко и Господа и Христа его Бог сотворил есть, Сего Иисуса, Егоже вы распясте.
Koa aoka ho fantatry ny taranak’ isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
37 Слышавше же умилишася сердцем и реша к Петру и прочым Апостолом: что сотворим, мужие братие?
Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
38 Петр же рече к ним: покайтеся, и да крестится кийждо вас во имя Иисуса Христа во оставление грехов: и приимете дар Святаго Духа:
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna;
39 вам бо есть обетование и чадом вашым и всем дальним, елики аще призовет Господь Бог наш.
fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
40 И иными словесы множайшими засвидетелствоваше и моляше я, глаголя: спаситеся от рода строптиваго сего.
Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ ity taranaka maditra ity ianareo.
41 Уже убо любезно прияша слово его, крестишася: и приложишася в день той душ яко три тысящы:
Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany.
42 бяху же терпяще во учении Апостол и во общении и в преломлении хлеба и в молитвах.
Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
43 Бысть же на всякой души страх: многа бо чудеса и знамения Апостолы быша во Иерусалиме.
Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ ny Apostoly.
44 Страх же велий бяше на всех их. Вси же веровавшии бяху вкупе и имяху вся обща:
Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
45 и стяжания и имения продаяху, и раздаяху всем, егоже аще кто требоваше:
ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy.
46 по вся же дни терпяще единодушно в церкви и ломяще по домом хлеб, приимаху пищу в радости и в простоте сердца,
Ary dia niray saina isan’ andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
47 хваляще Бога и имуще благодать у всех людий. Господь же прилагаше по вся дни Церкви спасающыяся.
nidera an’ Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isan’ ireo.

< Деяния святых апостолов 2 >