< Второе послание Петра 1 >

1 Симон Петр, раб и посланник Иисус Христов, равночистную с нами получившими веру в правде Бога нашего и Спаса Иисуса Христа:
Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin’ ny fahamarinan’ i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy:
2 благодать вам и мир да умножится в познании Бога, и Христа Иисуса Господа нашего.
hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
3 Яко вся нам Божественныя силы Его, яже к животу и благочестию, подана разумом Призвавшаго нас славою и добродетелию.
Efa nomen’ ny herin’ Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ ny voninahiny sy ny fahatsarany;
4 Имиже честная нам и великая обетования даровашася, да сих ради будете Божественнаго причастницы естества, отбегше, яже в мире, похотныя тли:
ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra amin’ izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’ izao tontolo izao noho ny filàna;
5 и в самое же сие, тщание все привнесше, подадите в вере вашей добродетель, в добродетели же разум,
koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin’ ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
6 в разуме же воздержание, в воздержании же терпение, в терпении же благочестие,
ary amin’ ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
7 во благочестии же братолюбие, в братолюбии же любовь.
ary amin’ ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
8 Сия бо сущая в вас и множащаяся, не праздных ниже безплодных сотворят вы в Господа нашего Иисуса Христа познание:
Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’ izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
9 емуже бо несть сих, слеп есть, мжай, забвение приемь очищения древних своих грехов.
Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ ny fahotany voalohany izy.
10 Темже паче, братие, потщитеся известно ваше звание и избрание творити: сия бо творяще, не имате согрешити никогдаже,
Ary amin’ izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
11 сице бо обилно приподастся вам вход в вечное Царство Господа нашего и Спаса Иисуса Христа. (aiōnios g166)
fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ ny fanjakana mandrakizay, izay an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. (aiōnios g166)
12 Сего ради не обленюся воспоминати присно вам о сих, аще и ведите, и утверждени есте в настоящей истине.
Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin’ izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin’ ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
13 Праведно бо мню, донележе есмь в сем телеси, возставляти вас воспоминанием,
Fa raha mbola eto amin’ ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin’ ny fampahatsiarovana anareo,
14 ведый, яко скоро есть отложение телесе моего, якоже и Господь наш Иисус Христос сказа мне.
satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’ i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
15 Потщуся же и всегда имети вас по моем исходе память о сих творити.
Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
16 Не ухищренным бо баснем последовавше сказахом вам силу и пришествие Господа нашего Иисуса Христа, но самовидцы бывше величествия Онаго.
Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ ny fahafetsen’ ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ ny masonay ny fiandrianany.
17 Прием бо от Бога Отца честь и славу, гласу пришедшу к Нему от велелепныя славы. Сей есть Сын Мой возлюбленный, о Немже Аз благоизволих.
Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’ Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: “Ity no Zanako malalako izay sitrako”.
18 И сей глас мы слышахом с небесе сшедшь, с Ним суще на горе святей.
Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masìna izahay.
19 И имамы известнейшее пророческое слово: емуже внимающе якоже светилу сияющу в темнем месте, добре творите, дондеже день озарит, и денница возсияет в сердцах ваших,
Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’ andro;
20 сие прежде ведуще, яко всяко пророчество книжное по своему сказанию не бывает.
fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masìna dia tsy efan’ ny fisainan’ ny olona fotsiny ihany;
21 Ни бо волею бысть когда человеком пророчество, но от Святаго Духа просвещаеми глаголаша святии Божии человецы.
fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ ny olona araka izay nitondran’ ny Fanahy Masìna azy.

< Второе послание Петра 1 >