< Первое послание к Тимофею 1 >

1 Павел, посланник Иисус Христов по повелению Бога Спаса нашего и Господа Иисуса Христа упования нашего,
Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
2 Тимофею присному чаду в вере: благодать, милость, мир от Бога Отца нашего и Христа Иисуса Господа нашего.
mamangy an’ i Timoty, tena zanako amin’ ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Якоже умолих тя пребыти во Ефесе, идый в Македонию, да завещаеши неким не инако учити,
Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
4 ниже внимати баснем и родословием безконечным, яже стязания творят паче, нежели Божие строение, еже в вере.
na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’ Andriamanitra amin’ ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
5 Конец же завещания есть любы от чиста сердца и совести благия и веры нелицемерныя,
Fa ny anton’ ny didy dia fitiavana avy amin’ ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
6 в нихже нецыи погрешивше, уклонишася в суесловия,
izay nivilian’ ny sasany, ka nania ho amin’ ny taria foana izy,
7 хотяще быти законоучителе, не разумеюще ни яже глаголют, ни о нихже утверждают.
dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
8 Вемы же, яко добр закон (есть), аще кто его законне творит,
Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ ny olona araka izay antony,
9 ведый сие, яко праведнику закон не лежит, но беззаконным и непокоривым, нечестивым (же) и грешником, неправедным и скверным, отца и матере досадителем, мужеубийцам,
ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an’ Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masìna sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
10 блудником, мужеложником, разбойником, (клеветником, скотоложником, ) лживым, клятвопреступником, и аще что ино здравому учению противится,
ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
11 по благовестию славы блаженнаго Бога, еже мне уверено бысть.
araka ny filazantsaran’ ny voninahitr’ Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
12 И благодарю укрепляющаго мя Христа Иисуса Господа нашего, яко верна мя непщева, положив (мя) в службу,
Misaotra an’ i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ ny fanompoana,
13 бывша мя иногда хульника и гонителя и досадителя: но помилован бых, яко неведый сотворих в неверствии:
dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin’ ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.
14 упреумножися же благодать Господа нашего (Иисуса Христа) с верою и любовию яже о Христе Иисусе.
Fa be indrindra ny fahasoavan’ ny Tompontsika tamin’ ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
15 Верно слово и всякаго приятия достойно, яко Христос Иисус прииде в мир грешники спасти, от нихже первый есмь аз.
Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany.
16 Но сего ради помилован бых, да во мне первем покажет Иисус Христос все долготерпение, за образ хотящих веровати Ему в жизнь вечную. (aiōnios g166)
Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon’ i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’ izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
17 Царю же веков нетленному, невидимому, единому премудрому Богу, честь и слава во веки веков. Аминь. (aiōn g165)
Ary ho an’ ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’ Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
18 Сие же завещание предаю ти, чадо Тимофее, по бывших на тя прежде пророчествиих, да воинствуеши в них доброе воинство,
Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
19 имея веру и благую совесть, юже нецыи отринувше, от веры отпадоша:
amin’ ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin’ ny finoana;
20 от нихже есть Именей и Александр, ихже предах сатане, да накажутся не хулити.
naman’ ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an’ i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy.

< Первое послание к Тимофею 1 >