< Первое послание Петра 3 >

1 Такожде же и жены, повинующяся своим мужем, да и аще нецыи не повинуются слову, женским житием без слова пленени будут,
Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ ny fitondran-tenan’ ny vavy izy, na dia tsy amin’ ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
2 видевше еже со страхом чисто житие ваше.
rehefa hitany ny fahadiovan’ ny fitondran-tenanareo amin’ ny fahatahorana.
3 Умже да будет не внешняя, плетения влас и обложения злата, или одеяния риз, лепота,
Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;
4 но потаеный сердца человек, в неистлении кроткаго и молчаливаго духа, еже есть пред Богом многоценно.
fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’ Andriamanitra.
5 Тако бо иногда и святыя жены, уповающыя на Бога, украшаху себе, повинующяся своим мужем:
Fa tahaka izany no niravahan’ ny vehivavy masìna fahiny, izay nanantena an’ Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
6 якоже Сарра послушаше Авраама, господина того зовущи: еяже бысте чада, благотворящя и не боящяся ни единаго страха.
dia tahaka an’ i Saraha, izay nanaiky an’ i Abrahama ka nanao azy hoe “tompoko”; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
7 Мужие такожде, вкупе живуще со своими женами по разуму, яко немощнейшу сосуду женскому воздающе честь, яко и снаследницы благодатныя жизни, во еже не прекращатися молитвам вашым.
Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ ny fiainana, ― mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
8 Конец же, вси единомудрени будите, милостиви, братолюбцы, милосердни, благоутробни, мудролюбцы, смиреномудри:
Farany, miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,
9 не воздающе зла за зло, или досаждения за досаждение: супротивное же, благословяще, ведяще, яко на се звани бысте, да благословение наследите.
tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’ izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
10 Хотяй бо живот любити и видети дни благи, да удержит язык свой от зла, и устне свои еже не глаголати льсти.
“Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin’ ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;
11 Да уклонится от зла, и да сотворит благо, да взыщет мира и да держится его:
Ary aoka izy hiala amin’ ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
12 зане очи Господни на праведныя, и ушы Его в молитву их, лице же Господне на творящыя злая, еже потребити их от земли.
Fa ny mason’ ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan’ ny Tompo dia tezitra amin’ ny mpanao ratsy”.
13 И кто озлобит вас, аще благому подобницы будете?
Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’ izay tsara ianareo?
14 Но аще и страждете правды ради, блажени есте: страха же их не убойтеся, ниже смущайтеся.
Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
15 Господа же Бога освятите в сердцах ваших: готови же присно ко ответу всякому вопрошающему вы словесе о вашем уповании, с кротостию и страхом:
fa manamasìna an i’ Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,
16 совесть имуще благу, да о немже клевещут вас аки злодеев, постыдятся злословящии ваше благое о Христе житие.
ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
17 Лучше бо есть благое творящым, аще хощет воля Божия, пострадати, нежели зло творящым:
Fa raha sitrapon’ Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin’ ny fanaovan-tsoa noho ny amin’ ny fanaovan-dratsy.
18 зане и Христос единою о гресех наших пострада, праведник за неправедники, да приведет ны Богови, умерщвлен убо быв плотию, ожив же духом:
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra, ka novonoina tamin’ ny nofo, fa novelomina tamin’ ny fanahy,
19 о немже и сущым в темнице духовом сошед проповеда,
izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20 противльшымся иногда, егда ожидаше Божие долготерпение, во дни Ноевы, делаему ковчегу, в немже мало, сиречь осмь душ, спасошася от воды.
dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
21 Егоже воображение ныне и нас спасает крещение, не плотския отложение скверны, но совести благи вопрошение у Бога, воскресением Иисус Христовым,
izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’ io tandindona io, ― tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ ny nofo anefa, fa ny fitadiavana’ ny fieritreretana tsara eo anatrehan Andriamanitra, amin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty.
22 Иже есть о десную Бога, возшед на небо, покоршымся Ему Ангелом и Властем и Силам.
Izay eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.

< Первое послание Петра 3 >