< 2 Књига дневника 21 >

1 Потом почину Јосафат код отаца својих, и би погребен код отаца својих у граду Давидовом; а на његово се место зацари Јорам, син његов.
Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
2 А браћа му, синови Јосафатови, беху: Азарија и Јехило и Захарија и Азарија и Михаило и Сефатија; ти сви беху синови Јосафата цара Израиљевог.
Ary nanan-drahalahy, zanak’ i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Isiraely.
3 И отац им даде велике дарове, сребра и злата и заклада с тврдим градовима у земљи Јудиној; царство пак даде Јораму, јер беше првенац.
Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’ i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
4 А Јорам ступивши на царство оца свог и утврдивши се, поби сву браћу своју мачем и неке кнезове Израиљеве.
Ary raha vao nanjaka tamin’ ny fanjakan’ ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin’ ny mpanapaka sasany tamin’ ny Isiraely koa tamin’ ny sabatra.
5 Имаше Јорам тридесет и две године кад се зацари, и царова осам година у Јерусалиму.
Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
6 И хођаше путем царева Израиљевих, као што чињаше дом Ахавов, јер се ожени кћерју Ахавовом; и чињаше што је зло пред Господом.
Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba fa zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
7 Али Господ не хте затрти дом Давидов ради завета који учини с Давидом и што му беше рекао да ће дати видело њему и синовима његовим увек.
Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak’ i Davida noho ny fanekena nataony tamin’ i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ ny taranany.
8 За његовог времена одврже се Едом да не буде под Јудом, и поставише себи цара.
Tamin’ ny andron’ i Jehorama no niodinan’ ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
9 Зато отиде Јорам с војводама својим и са свим колима својим; и уста ноћу, те поби Едомце који га беху опколили, и заповеднике од кола.
Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak’ alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ ny kalesy.
10 Ипак се одвргоше Едомци да не буду под Јудом до данас. У исто време одврже се Ливна да не буде под њим, јер остави Господа Бога отаца својих.
Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin’ izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an’ i Jehorama, satria efa nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
11 Још и висине начини по брдима Јудиним, и наведе на прељубу Јерусалимљане и преласти Јуду.
Ary nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitr’ i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
12 Тада му дође књига од Илије пророка, где му говораше: Овако вели Господ Бог Давида оца твог: Што ниси ходио путевима Јосафата, оца свог и путевима Асе, цара Јудиног,
Ary nisy taratasy avy tamin’ i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin’ ny lalan’ i Josafata rainao, na ny lalan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda,
13 Него си ходио путем царева Израиљевих и навео си на прељубу Јуду и Јерусалимљане, као што је дом Ахавов навео на прељубу Израиља, и још си побио браћу своју, дом оца свог, боље од себе,
fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ ny taranak’ i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
14 Ево, Господ ће ударити великим злом народ твој и синове твоје и жене твоје и све што имаш.
dia, indro, hasian’ i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin’ ny biby fiompinao rehetra;
15 И ти ћеш боловати тешко, од болести у цревима, да ће ти црева изаћи од болести, која ће трајати две године.
ary ianao koa ho azon’ ny aretina mafy, dia aretina amin’ ny tsinainao, mandra-pialàlan’ ny tsinainao isan’ andro isan’ andro noho ny aretina.
16 И тако подиже Господ на Јорама дух Филистејима и Арапима који живе од Етиопљана.
Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin’ ny Etiopiana hamely an’ i Jehorama;
17 И они дошавши на земљу Јудину продреше у њу, и однесоше све благо што се нађе у дому царевом, и синове његове и жене његове, да му не оста ниједан син осим Јоахаза најмлађег сина његовог.
ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka mbamin’ ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
18 И после свега тога удари га Господ болешћу у цревима, којој не беше лека.
Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian’ i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin’ ny tsinainy izy.
19 И дан по дан пролажаше, и кад се навршише две године, изиђоше му црева с болешћу и умре од тешких болова и народ му не пали мириса као што је чинио оцима његовим.
Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon’ ny aretiny; ka dia maty tamin’ ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin’ ny razany.
20 Имаше тридесет и две године кад поче царовати, и царова осам година у Јерусалиму, и премину да нико не зажали за њим; и погребоше га у граду Давидовом, али не у гробу царском.
Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.

< 2 Књига дневника 21 >